bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Acts 26
Acts 26
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 27 →
1
Dia hoy kosa i Agripà tamin’i Paoly: –Mahazo miteny ianao hiarovanao tena. Dia naninjitra ny tanany i Paoly ka toy izao no fiarovan-tena nataony:
2
–Ry Agripà mpanjaka, heveriko fa manan-jara aho afaka miaro tena eto anatrehanao momba ny zavatra rehetra iampangan’ny Jiosy ahy;
3
satria fantatrao tsara tokoa ny fomba amam-panao jiosy sy ny zavatra samihafa mahabe adihevitra eo amin’ny Jiosy. Koa mihanta aminao aho mba haharitra hihaino ahy.
4
Mahalala tsara ny fiainako avokoa ny Jiosy hatry ny fony aho tanora; satria hatrany am-piandohana, dia teo anivon’ny fireneko sy tao Jerosalema aho.
5
Raha mety hijoro ho vavolombelona izy, dia fantany hatramin’ny ela hoe Farisianina aho sady miaina araka ny antoko faran’izay sarotiny momba ny fivavahanay.
6
Ankehitriny kosa mitsangana hotsaraina eto aho, satria manantena ny zavatra nampanantenain’Andriamanitra ny razanay.
7
Ny foko 12 eo amin’ny firenenay dia samy manantena ny fahatanterahan’izany ka mafana fo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra andro aman’alina. Ary izany fanantenana izany no iampangan’ny Jiosy ahy, ry mpanjaka.
8
Fa nahoana moa, ry Jiosy, no dia tombananareo ho tsy azo inoana fa manangana ny maty ho velona Andriamanitra?
9
Izaho izao mihitsy no efa nisaintsaina fa tokony hotoheriko na amin’ny fomba inona na amin’ny fomba inona ny anaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta.
10
Nataoko izany tao Jerosalema. Nandray fahefana manokana tamin’ny lohandohan’ny mpisorona aho, ka maro tamin’ireo voatokana ho vahoakan’Andriamanitra no naiditro am-ponja, ary dia mpankasitraka aho raha nohelohina ho faty ry zareo.
11
Matetika dia nofaiziko tao amin’ny sinagôga izy ireo ary notereko hivadi-pinoana. Ary noho izaho tena romotra taminy no nanenjehako azy hatrany amin’ny tanànan’ny firenen-kafa.
12
Izany no nahatonga ahy hankany Damasy, ombàn’ny fahefana sy ny baiko azoko avy tamin’ny lohandoha-mpisorona.
13
Teny an-dalana aho, ry mpanjaka, raha tamin’ny mitataovovonana ny andro, dia nahita hazavana avy tany an-danitra, mahery lavitra noho ny hazavan’ny masoandro ka nanjelanjelatra manodidina ahy mbamin’ny mpiara-dia tamiko.
14
Samy niankarapoka tamin’ny tany izahay, ary izaho dia nandre feo niteny tamiko tamin’ny teny aramianina hoe: «Saoly, Saoly, nahoana no manenjika Ahy ianao? Manimba tena ianao misetra lefona maranitra!»
15
Izaho kosa nanontany hoe: «Iza moa Ianao, Tompoko?» Dia novalian’ny Tompo hoe: «Izaho no i Jesoa, Ilay enjehinao!
16
Fa miarena ka mijoroa! Izao manko no nisehoako taminao: ny hanendry anao ho mpanompoko ary koa ho vavolombelona hanambara amin’ny hafa ny nahitanao Ahy androany sy ny zavatra mbola hasehoko anao.
17
Izaho no hanafaka anao amin’ny vahoaka Israely sy ny hafa firenena izay anirahako anao.
18
Hanirahako anao izy rehetra mba hampahiratinao maso, hahatonga azy hiala amin’ny haizina ho amin’ny mazava ary hiala amin’ny fahefàn’i Satàna ho amin’Andriamanitra, ka handraisany famelan-keloka noho ny finoana Ahy sy hahazoany anjara lova miaraka amin’ireo voatokana ho vahoakan’Andriamanitra.»
19
Ary amin’izany, ry Agripà mpanjaka, tsy notoheriko ny fahitana avy tany an-danitra.
20
Fa nitoriako aloha ny mponina tao Damasy ary koa ny tao Jerosalema, vao izay manerana ny faritany Jodea sy ny tanin’ny hafa firenena ka nanainga azy rehetra aho hiala amin’ny toetra ratsiny sy hiverina amin’Andriamanitra ary hanao asa mampiharihary fa nialany tokoa ny toetra ratsiny.
21
Izany no nisamboran’ny Jiosy ahy raha tao an- kianjan’ny tempoly aho, ary nitadiavany hamonoana ahy.
22
Fa niaro ahy Andriamanitra mandraka androany ka mbola intỳ aho eto, mba hijoro ho vavolombelona amin’ny olona rehetra na ny kely na ny lehibe. Izay nambaran’ny mpaminany sy i Mosesy fa ho avy no hany lazaiko izao:
23
hijaly ny Mesia ary Izy no ho voalohany hisantatra ny fitsanganan’ny maty ka hitory fahazavana amin’ny vahoaka Israely sy amin’ny hafa firenena.
24
Raha mbola mandahatra hiarovan-tena araka izany i Paoly, dia niantso tamin’ny feo mahery kosa i Festo nanao hoe: –Lasa adala ianao, ry Paoly! Ny fianarana be loatra vitanao no mahalasa adala anao!
25
Dia novalian’i Paoly hoe: –Tsy lasa adala akory aho, Andriamatoa governora hajaina, teny azo antoka sady voadinika izao lazaiko izao.
26
Tsy vahiny amin’ny mpanjaka izany toe-javatra izany, ka dia miteny tsy mihambahamba eto anatrehany aho. Matoky aho fa tsy misy miafina aminy velively izany, satria tsy mba an-takontakona no nanaovana azy.
27
Ry Agripà mpanjaka, inoanao ve izay voalazan’ny mpaminany? Fantatro fa inoanao.
28
Ary hoy i Agripà tamin’i Paoly: –Heverinao moa fa dia ho tonganao kristianina haingana toy izany aho?
29
Dia novalian’i Paoly hoe: –Na ho haingana na mbola ho ela, dia mivavaka amin’Andriamanitra aho mba tsy ianao ihany fa izay rehetra mihaino ahy androany no ho tonga tahaka ahy afa-tsy amin’ny maha mpifatotra ahy.
30
Dia nitsangana ny mpanjaka sy ny governora ary i Berenîka mbamin’izay rehetra niara-nipetraka taminy;
31
ka nony niala teo, dia nifampiresaka hoe: –Tsy misy fahadisoana vitan’io lehilahy io, tokony hahamendrika azy ho voaheloka ho faty na hatao am-ponja.
32
Hoy kosa i Agripà tamin’i Festo: –Azo nalefa ihany io lehilahy io raha tsy noho izy nampiakatra ny raharahany amin’ny amperôra rômanina.
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 27 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28