bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Numbers 10
Numbers 10
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 11 →
1
Hoy indray ny TOMPO tamin’i Mosesy:
2
–Manaova trômpetra volafotsy roa tsara voatefy, izay hataonao fiantsoana ny fiangonana sy fampiaingana ny toby.
3
Rehefa tsofiny miaraka izy ireo, dia hiangona eo aminao eo anoloan’ny Tranolay fihaonana ny fiangonana iray manontolo.
4
Fa raha ny anankiray ihany no tsofina, dia ireo tompon’andraikitra mpifehy arivo amin’ny israelita ihany no hiangona eo aminao.
5
Raha arahina hoby kosa ny fitsofana ny trômpetra, dia hiainga ireo izay nitoby teo atsinanan’ny Tranolay fihaonana.
6
Raha miverina fanindroany ny fitsofana trômpetra arahina hoby, dia izay nitoby teo atsimo no hiainga. Fitsofana trômpetra arahin-koby no mariky ny fiaingana.
7
Ary raha ny fiangonana kosa no antsoina hivory, dia fitsofana lavareny no atao fa tsy arahina hoby akory.
8
«Ireo mpisorona taranak’i Aharôna ihany no hitsoka ny trômpetra; lalàna raikitra ho anareo sy ny taranakareo izany.
9
«Raha hiantafika hiady amin’ny fahavalo izay mamely eo amin’ny taninareo ianareo, dia hotsofina ny trômpetra sady arahina hoby mba hampahatsiarovanareo Ahy TOMPO Andriamanitrareo hitsimbinako anareo ka hamonjeko anareo ho afaka amin’ny fahavalonareo.
10
Ary amin’ny andro fety sy ny andro fifaliana ary amin’ny andro voalohan’ny volana dia hotsofinareo ny trômpetra, rehefa manao sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana ianareo. Hataonareo izany ho fampahatsiarovana Ahy Andriamanitrareo hitsimbinako anareo. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.»
11
Tamin’ny andro faha-roapolon’ny volana faharoa, tamin’ny taona faharoa nialana tany Ejipta, dia niakatra ny rahona niala teo ambonin’ny Tranolay nitahirizana ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana.
12
Ary niainga tao amin’ny taniefitr’i Sinay ny Israelita. Tany an-taniefitr’i Paràna kosa no nijanona ny rahona.
13
Izany no fiaingana voalohany nataon’ny Israelita, araka ny baikon’ny TOMPO nampitain’i Mosesy.
14
Ny fanevan’i Joda mbamin’ny antokon-tafiny no niainga voalohany. Ny tafiky ny taranak’i Joda dia notarihin’i Nahasôna, zanakalahin’i Haminadaba;
15
ny an’ny fokon’i Jisakara dia notarihin’i Natanaela, zanakalahin’i Tsohara;
16
ary ny an’ny fokon’i Zebolòna dia notarihin’i Eliaba, zanakalahin’i Helôna.
17
Nahorona ny Fonena-masina, dia niainga nitondra azy ny taranak’i Gersôna sy ny taranak’i Merarỳ.
18
Ny fanevan’i Reobena mbamin’ny antokon-tafiny no nanainga nanaraka ireo: ny tafiky ny taranak’i Reobena dia notarihin’i Elitsora, zanakalahin’i Sedeora;
19
ny an’ny fokon’i Simehôna dia notarihin’i Selomiela, zanakalahin’i Tsorisaday;
20
ny an’ny fokon’i Gada dia notarihin’i Eliasafa, zanakalahin’i Dehoela.
21
Ny niainga manaraka dia ny Kehatita nitondra ny fitaovana masina; ny levita sasany dia nanangana ny tranolay mandra-pahatongan’izy ireo.
22
Ny fanevan’i Efraîma mbamin’ny antokon-tafiny no nanainga manaraka; ny tafiky ny taranak’i Efraîma dia notarihin’i Elisamà, zanakalahin’i Hamihoda;
23
ny an’ny fokon’i Manase dia notarihin’i Gamaliela, zanakalahin’i Pedahatsoro;
24
ny an’ny fokon’i Benjamîna dia notarihin’Abidàna, zanakalahin’i Gidehônỳ.
25
Ny fanevan’i Dàna mbamin’ny antokon-tafiny no nanainga farany. Izy ireo no vodilaharana; ny tafiky ny taranak’i Dana dia notarihin’i Ahihezera, zanakalahin’i Hamisaday;
26
ny an’ny fokon’i Asera dia notarihin’i Pagihiela, zanakalahin’i Hôkràna;
27
ary ny an’ny fokon’i Naftalỳ dia notarihin’i Ahira, zanakalahin’i Henàna.
28
Izany no filaharan’ny Israelita mbamin’ny antokon-tafiny avy, rehefa niainga izy.
29
Hoy i Mosesy tamin’i Hôbaba zanakalahin’i Rehoela izay terak’i Midiana sady rafozandahin’i Mosesy: –Mandeha hankany amin’ny tany izay nolazain’ny TOMPO homena anay izahay. Ndeha hiaraka aminay ianao fa homenay anjara amin’ny zava-tsoa nampanantenain’ny TOMPO ho an’i Israely.
30
Fa hoy izy namaly azy: –Tsy handeha aho, fa hody any amin’ny taniko sy ny havako.
31
Dia hoy i Mosesy hoe: –Aza ilaozanao izahay, fa ianao mahafantatra izay toerana azonay itobiana any an-taniefitra, koa dia ho mpitari-dalana anay ianao.
32
Raha miaraka aminay ianao, dia homenay anjara amin’ny zava-tsoa hatolotry ny TOMPO anay.
33
Niala tao an-tendrombohitry ny TOMPO ireo Israelita ka nandeha lalana telo andro. Nialoha azy ireo tamin’izany lalana telo andro izany ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO mba hitady izay toerana hahafahan’ny vahoaka mitoby.
34
Teo ambonin’ny Israelita mba hanaloka azy ny rahon’ny TOMPO nandritra ny andro, tamin’ny fotoana izay niaingany.
35
Rehefa niainga ny Vatamasina, dia hoy i Mosesy hoe: «Mitsangàna, TOMPO ô, aoka hihahaka ny fahavalonao, ary handositra anao ny mpankahala!»
36
Rehefa nijanona kosa ny Vatamasina, dia hoy i Mosesy hoe: «TOMPO ô, miverena eo anivon’ny fianakaviana anarivoarivon’i Israely».
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36