bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Numbers 19
Numbers 19
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 20 →
1
Niteny tamin’i Mosesy sy i Aharôna ny TOMPO ka nampita
2
ireto fepetran-dalàna izay nandidiany ireto: –Lazao ny Israelita hitondra ombivavy mena izay tsy misy kilema na tsininy ary tsy mbola nampitondraina zioga.
3
Ento any amin’i Elehazàra mpisorona izany mba havoakany eny ivelan’ny toby, ary hovonoina eo anatrehany.
4
Hakan’i Elehazàra mpisorona amin’ny fanondro ny ran’ilay ombivavy ka hafafiny impito manandrify ny Tranolay fihaonana.
5
Hodorana eo imasony ilay ombivavy miaraka amin’ny hodiny sy ny henany ary ny tsinainy.
6
Dia haka hazo sedera sy rantsana hisôpa ary lamba jaky ny mpisorona ka hanipy azy eo amin’ny afo andoroana ilay ombivavy.
7
Avy eo dia hanasa ny fitafiany ny mpisorona ary hampandro ny tenany, izay vao hiditra ao amin’ny toby; nefa mbola haloto mandra-paharivan’ny andro izy.
8
Ilay handoro ny ombivavy kosa dia hanasa ny fitafiany sady hampandro ny tenany, saingy mbola haloto mandra-paharivan’ny andro.
9
Hangonin’ny lehilahy madio iray ny lavenon’ilay ombivavy ka hapetrany amin’ny toerana madio iray eo ivelan’ny toby. Hotehirizina ho an’ny fiangonan’ny Israelita ao izany hanomanana ny rano fanadiovana. Izany fombam-pivavahana izany dia tahaka ny sorona fanalana ny ota.
10
Hanasa ny fitafiany koa ilay hanangona ny lavenon’ny ombivavy, saingy mbola haloto mandra-paharivan’ny andro. Ho lalàna raikitra izany ho an’ny Israelita sy ny vahiny valovotaka ao aminy.
11
«Izay mikasika fatin’olona dia haloto mandritra ny fito andro.
12
Amin’ny andro fahatelo sy fahafito izy no hanadio ny tenany amin’ny rano fanadiovana, dia hadio; fa raha tsy manadio ny tenany amin’ny andro fahatelo sy fahafito kosa izy, dia tsy hadio.
13
Izay mikasika fatin’olona, nefa tsy manadio ny tenany, dia mandoto ny Fonena-masin’ny Tompo, ka hoesorina tsy ho isan’ny vahoaka Israely. Koa satria tsy nofafazana rano fanadiovana izy, dia haloto; ary mbola hitoetra aminy ihany ny tsy fahadiovany.
14
«Izao no fitsipika: raha misy olona maty an-day, izay rehetra miditra ao na ny olona rehetra efa ao rahateo dia haloto mandritra ny fito andro.
15
Ny fitoeran-javatra rehetra izay misokatra ka tsy misy sarony mifatotra aminy dia haloto.
16
Izay any an-tsaha, ka mandona olona matin-tsabatra na maty ho azy na koa mandona taolam-paty na fasana, dia haloto mandritra ny fito andro.
17
Mba anadiovana ny olona maloto, dia halaina ny lavenon’ilay ombivavy nodorana ho sorona fanalana ny ota ka hatao ao anaty tsangambava izay hasiana ranovelona.
18
Haka hisôpa ny lehilahy madio iray ka hanatsoboka izany ao amin’ny rano, dia hofafazany ny lay misy ny maty sy ny fitoeran-javatra rehetra ary ny olona ao; na koa hofafazany rano izay sendra nikasika taolam-paty na olona maty novonoina na olona maty ho azy na fasana.
19
Hofafazan-drano toy izany ilay olona maloto amin’ny andro fahatelo sy fahafito, ka hadio amin’ny otany izy amin’ny andro fahafito. Hanasa ny fitafiany sy hampandro ny tenany izy aorian’izany, dia hadio rehefa hariva.
20
«Fa izay olona naloto nefa tsy nanao fidiovan-tena dia hoesorina tsy ho isan’ny fiangonana israelita satria handoto ny Toeramasin’ny TOMPO izy; tsy nofafazana rano fanadiovana izy, ka dia maloto.
21
«Ho lalàna raikitra ho an’ny Israelita izany. Izay manao fafy rano amin’io rano fanadiovana io dia hanasa ny fitafiany; ary izay mikasika io rano fandiovana io dia haloto mandra-paharivan’ny andro.
22
Izay zavatra rehetra voakasiky ny olona maloto dia haloto; ary izay olona mikasika azy koa dia haloto mandra-paharivan’ny andro.»
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 20 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36