bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Numbers 29
Numbers 29
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 28
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 30 →
1
«Amin’ny andro voalohan’ny volana fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo, ka tsy hanao ny asa fanaonareo andavanandro ianareo fa andro fitsofana trompetra izany.
2
Ny hatolotrareo ho sorona dorana manontolo, ka hanetona ho hanitra hankasitrahin’ny TOMPO, dia izao: ombilahy iray sy ondrilahy iray avy ary zanak’ondry fito izay samy herintaona avy sady tsy misy kilema.
3
Ny biby tsirairay dia hampiarahina amin’ny lafarinina nofetaina tamin’ny menaka, ka lafarinina sivy kilao isan’ombilahy, enina kilao isan’ondrilahy
4
ary telo kilao isan-janak’ondry.
5
Hanatitra osilahy iray koa ianareo ho sorona fanalana ny ota, hanaovana ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho anareo.
6
Hataonareo izany ho fanampin’ny sorona dorana manontolo isan’andro sy ny sorona dorana manontolo isaky ny andro voalohan’ny volana miaraka amin’ny fanatitra lafarinina sy divay momba azy; ho sakafo dorana ho an’ny TOMPO izany ka hanetona ho hanitra hankasitrahiny.
7
«Amin’ny andro fahafolon’ny volana fahafito, dia hisy fivoriana masina ho anareo. Hifady hanina ianareo ka tsy hanao ny asa fanaonareo andavanandro.
8
Ny hatolotrareo ho sorona dorana manontolo ho an’ny TOMPO, ka hanetona ho hanitra hankasitrahiny, dia izao: ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak’ondry fito izay samy herintaona avy sady tsy misy kilema.
9
Ny biby tsirairay dia hampiarahina amin’ny lafarinina nofetaina tamin’ny menaka, ka lafarinina sivy kilao isan’ombilahy, enina kilao isan’ondrilahy
10
ary telo kilao isan-janak’ondry.
11
Hanatitra osilahy iray koa ianareo ho sorona fanalana ny ota. Hataonareo izany rehetra izany ho fanampin’ny sorona noho ny andro lehibe famelan-keloka sy ny sorona dorana manontolo tsy tapaka isan’andro ary ny fanatitra divay momba azy.
12
«Ny andro faha-15 amin’ny volana fahafito, dia hisy fivoriana masina ho anareo, ka tsy hanao ny asa fanao andavanandro ianareo. Hanao fetim-piravoravoana ho voninahitry ny TOMPO mandritra ny herinandro ianareo.
13
Amin’ny andro voalohany, ny hatolotrareo ho sorona dorana manontolo ka hanetona ho hanitra hankasitrahin’ny TOMPO, dia izao: ombilahy 13 sy ondrilahy roa ary zanak’ondry 14 izay samy herintaona avy sady tsy misy kilema.
14
Ny biby tsirairay dia hampiarahina amin’ny lafarinina nofetaina tamin’ny menaka, ka lafarinina sivy kilao isan’ombilahy, enina kilao isan’ondrilahy
15
ary telo kilao isan-janak’ondry.
16
Hanatitra osilahy iray koa ianareo ho sorona fanalana ny ota. Hataonareo izany ho fanampin’ny sorona dorana manontolo tsy tapaka isan’andro ary ny fanatitra lafarinina sy divay momba azy.
17
«Amin’ny andro faharoa ka hatramin’ny andro fahafito dia biby tsy misy kilema no hatolotrareo ho sorona dorana miaraka amin’ireo fanatitra mahazatra ho fanampin’ny sorona dorana isa-maraina. Ireto avy izany: amin’ny andro faharoa, dia ombilahy 12 sy ondrilahy roa sy zanak’ondry 14 izay samy herintaona avy, ary koa osilahy iray; amin’ny andro fahatelo, dia ombilahy 11 sy ondrilahy roa sy zanak’ondry 14 izay samy herintaona avy, ary koa osilahy iray; amin’ny andro fahefatra, dia ombilahy folo sy ondrilahy roa sy zanak’ondry 14 izay samy herintaona avy, ary koa osilahy iray; amin’ny andro fahadimy, dia ombilahy sivy sy ondrilahy roa sy zanak’ondry 14 izay samy herintaona avy, ary koa osilahy iray; amin’ny andro fahenina, dia ombilahy valo sy ondrilahy roa, sy zanak’ondry 14 izay samy herintaona avy, ary koa osilahy iray; amin’ny andro fahafito, dia ombilahy fito sy ondrilahy roa sy zanak’ondry 14 izay samy herintaona avy, ary koa osilahy iray.
18
«Ary amin’ny andro fahavalo, dia hisy fivoriana famaranana ny fetinareo, ka tsy hanao ny asa fanao andavanandro ianareo.
19
Ny hatolotrareo ho sorona dorana manontolo, ka hanetona ho hanitra hankasitrahin’ny TOMPO, dia izao: ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak’ondry fito izay samy herintaona avy sady tsy misy kilema.
20
Ny biby tsirairay dia hampiarahina amin’ny fanatitra lafarinina sy divay momba azy araka ny mahazatra.
21
Hanolotra osilahy iray koa ianareo ho sorona fanalana ny ota. Hataonareo izany ho fanampin’ny sorona dorana manontolo isan’andro miaraka amin’ny fanatitra lafarinina sy divay momba azy.
22
«Ireo no sorona hatolotrareo ho an’ny TOMPO amin’ny andro fetinareo, afa-tsy izay hataonareo ho fanalàm- boady sy fanati-tsitrapo na sorona dorana izany na fanatitra lafarinina sy divay na koa sorom-pihavanana.»
← Chapter 28
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 30 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36