bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Numbers 12
Numbers 12
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 13 →
1
Nanome tsiny an’i Mosesy i Miriama sy i Aharôna noho ny nanambadiany vehivavy kosita, fa nampakatra vehivavy kosita tokoa izy.
2
Hoy izy mianadahy hoe: –I Mosesy ihany ve no nitenenan’ny TOMPO, fa tsy izahay koa? Dia ren’ny TOMPO izany.
3
I Mosesy kosa dia lehilahy malemy fanahy mihoatra noho ny olona hafa rehetra ambonin’ny tany.
4
Tampoka teo dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy sy i Aharôna ary i Miriama: –Mankanesa ianareo telo mianadahy ao amin’ny Tranolay fihaonana. Dia nankany izy ireo.
5
Nidina tanatin’ny andry rahona ny TOMPO ka nijoro teo am-baravaran’ny Tranolay ary niantso an’i Aharôna sy i Miriama. Dia samy nandroso izy mianadahy,
6
ka hoy ny TOMPO taminy: –Henoy tsara ny teniko: Raha misy mpaminany eo aminareo, dia amin’ny fahitana no isehoako aminy, ary amin’ny nofy no itenenako aminy.
7
Fa tsy mba toy izany kosa i Mosesy mpanompoko izay olona mahatoky tamin’ny fiandraiketana ny tranoko manontolo.
8
Mifanatrika no itenenako aminy, dia amin’ny teny mazava fa tsy miafina; ary mahita Ahy TOMPO miseho aminy izy; koa nahoana ianareo no tsy natahotra hanome tsiny an’i Mosesy mpanompoko?
9
Tezitra mafy tamin’izy mianadahy ny TOMPO ka lasa nandeha.
10
Rehefa nisandratra ho eo ambonin’ny Tranolay ny rahona, dia indro feno pentina fotsy toa oram-panala i Miriama fa boka. Nijery azy i Aharôna ka nahita fa boka ny anabaviny.
11
Ka hoy i Aharôna tamin’i Mosesy: –Meloka izahay, tompoko, koa aoka re tsy havalinao aminay izany toetran’adala amam-pahotanay izany!
12
Aoka re i Miriama tsy ho toy ny zazarano tsy azo izay lany sasaka ny nofony raha vao teraka!
13
Nitaraina tamin’ny TOMPO i Mosesy ka nanao hoe: –Andriamanitra ô, mba sitrano re izy!
14
Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Raha nororan-drainy ny tavany, moa tsy ho menatra herinandro va izy? Avaho mandritra ny fito andro any ivelan’ny toby izy. Fa aorian’izany izy vao afaka miditra ao indray.
15
Dia navahana tany ivelan’ny toby nandritra ny herinandro i Miriama, ary tsy niainga ny Israelita, raha tsy efa nandray ny toerany indray izy.
16
Rehefa izany, dia niala tao Hatserôta ny vahoaka ka nitoby tao an-taniefitr’i Paràna.
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 13 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36