bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Numbers 21
Numbers 21
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 22 →
1
Rehefa ren’ilay Kanahanita mpanjakan’i Harada, izay nonina tany amin’ny faritra atsimo, fa tonga avy tamin’ny lalan’i Atarima ny Israelita, dia notafihiny ireo ary nobaboiny ny sasany taminy.
2
Koa nivoady tamin’ny TOMPO ireo Israelita ka nanao hoe: –Raha atolotrao eo an-tananay io firenena io, dia hataonay levona ny tanànany.
3
Nohenoin’ny TOMPO ny voadin’ny Israelita ka natolony azy ny Kanahanita. Dia nataon’ny Israelita levona izy ireo mbamin’ny tanànany; ary ny anaran’izany toerana izany dia natao hoe Hôrmà.
4
Niala tao an-tendrombohitra Hôra ny Israelita, ka nihazo tamin’ny lalan’ny Ranomasin’ny Volotara hanodidina ny tanin’i Edôma. Teny an-dalana anefa dia very toky ny vahoaka.
5
Koa nanomboka nanakiana an’Andriamanitra sy i Mosesy ny olona nanao hoe: –Nahoana no nentinareo niala tany Ejipta mba ho faty atỳ an-taniefitra izahay? Atỳ anefa tsy misy na mofo na rano, ary efa leon’itony mofomofo ratsy na hoe mana itony izahay.
6
Koa nandefasan’ny TOMPO bibilava misy poizina ny vahoaka; ary nokekerin’ireo bibilava ireo ny Israelita ka marobe no maty noho izany.
7
Dia nankeo amin’i Mosesy ny vahoaka sisa ka nanao hoe: –Efa nanota izahay fa nanome tsiny ny TOMPO sy ny tenanao. Koa ifony re ny TOMPO mba hanala ireo bibilava ireo aminay. Dia nifona ho an’ny vahoaka i Mosesy.
8
Ary hoy ny TOMPO taminy: –Manaova bibilava varahina dia ahantony amin’ny hazo lava fa izay rehetra voakaikitra, ka mijery izany, dia ho velona sady afa-doza.
9
Dia nanao bibilava varahina i Mosesy ka nahantony tamin’ny hazo lava. Ary nisy olona voakaikitry ny bibilava misy poizina ka mijery ilay bibilava varahina, dia velona.
10
Niainga ny Israelita ka nitoby tao Ôbôta.
11
Niala teo Ôbôta izy, dia nitoby tao Hije-Habarîma ao amin’ny taniefitra atsinanan’i Môaba.
12
Niala teo izy, dia nitoby teo amoron’ny ranon-driaka Zareda.
13
Niala teo indray izy, dia nitoby tao an-dafin’ny renirano Arnôna izay mipoitra any amin’ny faritanin’ny Amôrita ary mamakivaky ny taniefitra, vao manamorona ny sisin-tanin’i Môaba ka mampisaraka ny faritry ny Môabita sy ny faritry ny Amôrita.
14
Izany no ilazana ao amin’ny Bokin’ireo adin’ny TOMPO hoe: «...i Vaheba any Sofà sy ny sakeli-dranony; i Arnôna
15
izay ombàn’ny sakeli-dranony ka mitsontsorika mankany Hàra ary manaraka ny sisin-tanin’i Môaba...»
16
Niala teo indray ny Israelita, dia nankany Beèra (na hoe Fantsakana). Teo no nitenenan’ny TOMPO tamin’i Mosesy hoe: –Angony ny vahoaka fa homeko rano.
17
Tamin’izay indrindra no nihiran’ny Israelita izao hira izao: «Aoka ianao hiboiboika rano, ry fantsakana, ka hanaovanay fihobiana!
18
Fantsakana nohadin’ireo filoha nombàn’ny tehim-pahefàny; fantsakana nolavahan’ireo loholona nombàn’ny tehim-pifehezany.» Rehefa niala tao an-taniefitra ny Israelita, dia nankany Matanà.
19
Niala teo Matanà izy, dia nankany Mahaliela; niala teo, dia nankany Bamôta;
20
ary farany, rehefa niala tao Bamôta izy, dia nankany an-dohasaha mamaky ny tanin’i Môaba, ka tafapaka hatrany an-tampon’i Pisgà izay ahatazanana ny taniefitra.
21
Naniraka olona nankany amin’i Sihôna mpanjakan’ny Amôrita ny Israelita nanao hoe:
22
–Mba avelao re izahay hamaky eo amin’ny taninao. Tsy hamaky any amin’ny saha na ny tanimboaloboka izahay, ary tsy hisotro amin’ny ranom-pantsakana; fa ny lalam-panjakana ihany no hizoranay mandra-pahafakay ny faritry ny taninao.
23
Nefa i Sihôna tsy namela ny Israelita hamaky eo amin’ny taniny; fa nangoniny avokoa ny tafiny rehetra, ka lasa izy nitsena ny Israelita hatrany Jahatsà, any an-taniefitra ary niady taminy tao.
24
Nasian’ny Israelita tamin’ny lelan-tsabatra kosa i Sihôna ka azony ny taniny voafaritr’i Arnôna ao atsimo sy i Jabôka ao avaratra ary ny sisin-tanin’ny Hamônita, dia ilay sisin-tany ao atsinanana.
25
Nalain’ny Israelita avokoa ny tanànan’ny Amôrita ka nonenany hatramin’i Hesbôna sy ny tanàna manodidina azy.
26
I Hesbôna no renivohitr’i Sihôna mpanjakan’ny Amôrita, rehefa avy niady tamin’ny mpanjakan’i Môaba teo aloha izy ka naka ny taniny rehetra hatrany Arnôna.
27
Izany no nanaovan’ny poety hoe: «Mankanesa ao Hesbôna ianareo. Enga anie ho voatsangana indray ary ho voaorina, toy ny teo aloha ilay renivohitr’i Sihôna!
28
Fa nisy afo nivoaka avy tao Hesbôna, nisy lelafo avy tao an-drenivohitr’i Sihôna ka nandevona an’i Hara-Môaba, sy ireo tompon’ny havoan’i Arnôna.
29
Loza no nihatra taminao, ry Môaba! Ringana ianao, ry firenena izay mpivavaka tamin’i Kemôsy! Na ny lehilahy izay nikasa handositra na ny vehivavy dia samy nafoin’i Kemôsy ho babon’i Sihôna, mpanjakan’ny Amorita.
30
Kanefa notifirinay zana-tsipîka ny Amôrita. Rava i Hesbôna hatrany Dibôna. Nofoananay avokoa hatrany Nôfà ary hatrany Medebà mihitsy aza.»
31
Toy izany no nitoeran’ny Israelita teo amin’ny tanin’ny Amôrita.
32
Naniraka olona hisafo an’i Jahezera i Mosesy; dia nalain’ny Israelita izany tanàna izany sy ireo tanàna kely miankina aminy ary noroahiny ny Amôrita izay nipetraka tao.
33
Avy eo dia nivily lalana nankany Basàna ireo Israelita. Dia tamy nitsena azy i Hôga, mpanjakan’i Basàna, sy ny tafiny manontolo mba hiady aminy tao Edrehỳ.
34
Ka hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Aza matahotra azy, fa hatolotro eo an-tananao izy sy ny tafiny manontolo ary ny taniny; ka tahaka ny nanaovanao an’i Sihôna, mpanjakan’ny Amôrita, izay nanjaka tao Hesbôna, no hataonao aminy.
35
Dia nasian’ny Israelita tsy nisy niangana i Hôga sy ny zanany ary ny tafiny manontolo, ka lasany ny taniny.
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 22 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36