bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Numbers 27
Numbers 27
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 26
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 28 →
1
Nisy ireo zanakavavin’i Tselôfehada, zanakalahin’i Hefera sy zafin’i Gilehada, ary zafiafin’i Makira sy zafindohalik’i Manase; ireo vehivavy ireo, izay avy tamin’ny fokon’i Manase zanak’i Jôsefa, dia i Mahalà sy i Nôhà, i Hôglà sy i Milkà ary i Tiritsà.
2
Niseho tamin’i Mosesy sy i Elehazara mpisorona ary ny tompon’andraikitra sy ny fiangonana manontolo teo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana izy ireo, ka nanao hoe:
3
–Maty tany an-taniefitra ny rainay, nefa tsy mba isan’ny tarik’i Kôra izay niara-nioko hiodina tamin’ny TOMPO; fa matin’ny fahotany ihany izy, nefa tsy nanan-janakalahy.
4
Koa rariny ve raha ho very anarana eo amin’ny tarika misy azy ny rainay, na dia tsy mba nanan-janakalahy aza? Mba omeo zaratany ho fanananay àry izahay tahaka ny natao ho an’ny ireo rahalahin-drainay!
5
Nentin’i Mosesy teo amin’ny TOMPO ny fitarainan’izy dimy mirahavavy.
6
Ary niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO ka nanao hoe:
7
–Marina ny an’ireo zanakavavin’i Tselôfehada, koa omeo zaratany ho fananany tahaka ireo rahalahin-drainy tokoa izy ka afindrao aminy ny anjaran-drainy.
8
Ary hiteny amin’ny Israelita ianao ka hanao hoe: Raha misy lehilahy maty ka tsy nanan-janakalahy, dia ny zanany vavy no hamindranareo ny zara taniny.
9
Fa raha tsy manan-janakavavy kosa izy, dia ny rahalahiny no homenareo ny zara taniny.
10
Raha tsy manan-drahalahy izy, dia ny rahalahin-drainy no homenareo ny lovany.
11
Ary raha tsy manan-drahalahin-dray izy, dia ny havany akaiky azy indrindra ao amin’ny tarika misy azy no homenareo ny zara taniny, ka dia izy no handova izany. Ho fomba fanao hitondrana ny Israelita izany, araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.
12
Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Miakara eo an-tampon’io tendrombohitra Habarima io, ka tazano ny tany izay omeko ny Israelita.
13
Ary rehefa hitanao izany, dia ho faty tahaka an’i Aharôna rahalahinao koa ianao.
14
Fa tsy nankatò ny didiko ianareo mirahalahy tany an-taniefitr’i Tsina, raha nila ady tamiko ny fiangonana; tsy naneho ny fahamasinako teo anatrehany manko ianareo, fony nitaky rano tamiko izy. Ny amin’ny ranon’i Meribà tany Kadesy, tao an-taniefitr’i Tsina, no lazaina etoana.
15
Dia niteny tamin’ny TOMPO i Mosesy hoe:
16
–TOMPO Andriamanitra ô, aoka Ianao mpanome aina ny voaary rehetra no hanendry lehilahy anankiray izay afaka hitondra ny fiangonana
17
sy hitarika azy amin’ny toe-javatra rehetra, mba tsy ho toy ny ondry tsy misy mpiandry ny fiangonanao.
18
Dia hoy ny TOMPO namaly an’i Mosesy: –Alao i Josoa zanakalahin’i Nona fa lehilahy itoeran’ny Fanahiko. Izy no hametrahanao tanana,
19
ary hoentinao eo anatrehan’i Elehazara mpisorona sy ny fiangonana manontolo ka hotokananao handimby anao eo imason’izy ireo.
20
Anomezo anjara azy ny voninahitrao mba hankatoavan’ny Israelita rehetra azy.
21
Izy kosa hiseho eo amin’i Elehazara mpisorona, izay hangataka ho azy eo anatrehako ny tinapaky ny Orima. Avy amin’izany no hitarihany ny Israelita rehetra, dia ny fiangonana manontolo, amin’ny toe-javatra rehetra.
22
Nataon’i Mosesy araka izay efa nandidian’ny TOMPO azy izany. Dia naka an’i Josoa izy ka nentiny teo anatrehan’i Elehazara mpisorona sy ny fiangonana manontolo.
23
Ary rehefa nametra-tanana tamin’i Josoa i Mosesy, dia nanokana azy ho dimbiny, araka ny voalazan’ny TOMPO tamin’ny alalan’i Mosesy.
← Chapter 26
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 28 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36