bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Numbers 9
Numbers 9
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 10 →
1
Niteny tamin’i Mosesy tany an-taniefitr’i Sinay ny TOMPO tamin’ny volana voalohan’ny taona faharoa nialan’ny Israelita tany Ejipta ka nanao hoe:
2
–Aoka ny Israelita hankalaza ny fetin’ny Paska amin’ny andro voatondro;
3
dia ny harivan’ny andro faha-14 amin’ity volana ity no hankalazanareo azy, araka ny lalàna sy ny fanao rehetra momba azy.
4
Notenenin’i Mosesy ny Israelita mba hankalaza ny Paska;
5
dia nankalaza ny Paska tany an-taniefitr’i Sinay ireo ny harivan’ny andro faha-14 tamin’ny volana voalohany. Nataon’ny Israelita araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy izany.
6
Tamin’izay andro izay anefa dia nisy olona sasany voaloto n’ny fatin’olona ka tsy nahazo nankalaza ny Paska. Koa dia nankany amin’i Mosesy sy i Aharôna izy androtr’io ihany
7
ka niteny taminy hoe: –Voaloton’ny fatin’olona izahay. Koa nahoana no raràna tsy hahazo mitondra ny fanatitray ho an’ny TOMPO amin’ny andro voatondro toy ny Israelita rehetra?
8
Fa hoy i Mosesy tamin’izy ireo: –Andraso aloha mandra-pahafantatro izay andidian’ny TOMPO ny momba anareo.
9
Dia niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO
10
mba hamepetra ny Israelita hoe: «Raha misy aminareo na amin’ny taranakareo voaloton’ny fatin’olona na lasa nandeha an-tany lavitra, dia mbola hankalaza ny Paska ho fanajana Ahy TOMPO ihany koa izy,
11
saingy ny harivan’ny andro faha-14 amin’ny volana faharoa kosa no hankalazany izany. Hihinana ny zanak’ondry miaraka amin’ny mofo tsy misy leviora sy ny anana mangidy izy.
12
Tsy hasiany sisa ho tra-maraina izany, ary tsy hotapahiny ny taolany; araka ny lalàna rehetra momba ny Paska no hankalazany izany.
13
Fa raha misy kosa olona tsy voaloto sady tsy nandeha an-tany lavitra nefa tsy mankalaza ny Paska, dia hofongorana tsy ho isan’ny fiangonan’i Israely izy, satria tsy nitondra ny fanatitra ho Ahy TOMPO tamin’ny andro voatondro. Hizaka ny vokatry ny fahotany izany olona izany.
14
Ary raha misy vahiny eo aminareo ka te hankalaza ny Paska ho fanajana AHY, dia hanaraka ny fomba fanao amin’ny Paska izy. Mitovy ihany ny lalàna na amin’ny vahiny izany na amin’ny Israelita.»
15
Tamin’ny andro nananganana ny Fonena-masina, dia nisy rahona nandrakotra ny Tranolay nitahirizana ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana. Amin’ny hariva izy io dia mazava toy ny afo eo ambonin’ny Tranolay mandra-maraina.
16
Dia toy izany mandrakariva, fa norakofan-drahona ny Fonena-masina nefa mazava toy ny afo ilay rahona amin’ny alina.
17
Isaky ny miakatra miala amin’ny Tranolay ny rahona, dia miainga ny Israelita, ary eo amin’izay ijanonan’ny rahona no itobiany indray.
18
Baikon’ny TOMPO izany no iaingan’ny Israelita ary baikon’ny TOMPO koa no itobiany; fa arakaraka ny nijanonan’ny rahona teo ambonin’ny Fonena-masina no nitobiany.
19
Raha nijanona ela teo ny rahona, dia nankatò ny didin’ny TOMPO ny Israelita ka tsy nandeha.
20
Indraindray dia andro vitsivitsy ihany no nijanonan’ny rahona teo ambonin’ny Fonena-masina, koa baikon’ny TOMPO ihany no itobiany, ary baikon’ny TOMPO ihany no iaingany.
21
Indraindray kosa ny rahona dia tsy mijanona afa-tsy ny hariva ka hatramin’ny maraina ihany; koa rehefa miakatra izy ny maraina, dia miainga ny Israelita. Ary na indray andro sy indray alina aza no ijanonan’ny rahona, rehefa miakatra izy dia miainga ny Israelita.
22
Eny, fa na mijanona maharitra roa andro na iray volana na ela noho izany eo ambonin’ny Fonena-masina aza ny rahona, dia mitoby hatrany ny Israelita fa tsy mandeha; rehefa miakatra ny rahona, vao izay izy no miainga.
23
Baikon’ny TOMPO no nitobiany, ary baikon’ny TOMPO no niaingany. Nitandrina ny fanompoana ny TOMPO araka ny baiko nomeny tamin’ny alalan’i Mosesy izy ireo.
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 10 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36