bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Numbers 13
Numbers 13
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 14 →
1
Niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO ka nanao hoe:
2
–Mandefasa lehilahy hisafo ny tany Kanahàna izay omeko ny Israelita. Lehilahy iray isam-pokony avy no halefanareo, ka izy rehetra dia hotsongaina amin’ireo mpiandraikitra azy.
3
Dia nalefan’i Mosesy avy eo an-taniefitr’i Paràna araka ny baikon’ny TOMPO ireo. Samy lohandohan’ny Israelita avokoa izy rehetra.
4
Toy izao avy ny anarany: I Samoa zanakalahin’i Zakora, avy amin’ny fokon’i Reobena;
5
I Safata zanakalahin’i Hôrỳ, avy amin’ny fokon’i Simehôna;
6
I Kaleba zanakalahin’i Jefonè, avy amin’ny fokon’i Joda;
7
I Jigàla zanakalahin’i Jôsefa, avy amin’ny fokon’i Jisakara;
8
I Hôsea zanakalahin’i Nona, avy amin’ny fokon’i Efraîma;
9
I Paltỳ zanakalahin’i Rafò, avy amin’ny fokon’i Benjamîna;
10
I Gadiela zanakalahin’i Sôdỳ, avy amin’ny fokon’i Zebolòna;
11
I Gadỳ zanakalahin’i Sosỳ, avy amin’ny fokon’i Manase zanak’i Jôsefa;
12
I Hamiela zanakalahin’i Gemalỳ, avy amin’ny fokon’i Dana;
13
I Setora zanakalahin’i Mikaela, avy amin’ny fokon’i Asera;
14
I Nahabỳ zanakalahin’i Vôtsỳ, avy amin’ny fokon’i Naftalỳ;
15
I Geoela zanakalahin’i Makỳ, avy amin’ny fokon’i Gada.
16
Ireo no anaran’ny lehilahy nalefan’i Mosesy hisafo ny tany Kanahàna. Nataon’i Mosesy hoe Josoa i Hôsea zanakalahin’i Nona.
17
Nalefan’i Mosesy hisafo ny tany Kanahàna izy ireo ka nataony hoe: –Miakara avy any atsimo, dia mianiha ny tendrombohitra
18
hahitanareo ny toetry ny tany sy ny mponina ao na mahery izy na malemy, ary koa na vitsy izy na maro.
19
Jereo ny tany onenan’ireo vahoaka ireo na tsara na ratsy ary ny tanàna ipetrahany na mimanda na tobin-day.
20
Jereo ny tany raha lonaka na ngazana, na misy hazo maniry na tsia. Koa mandehana ary mahereza, dia mitondrà amin’ny vokatry ny tany. Fahamasahan’ny voaloboka rahateo tamin’izay.
21
Dia niakatra izy ireo ka nisafo ny tany nanomboka teo amin’ny taniefitr’i Tsina ka hatrany Rehôba akaikin’i Lebô-Hamata.
22
Niakatra avy any atsimo izy ireo ka tonga tao Hebrôna izay nonenan’ny tarik’i Ahimàna sy i Sesay ary i Talmay, samy taranaky ny Hanakita. I Hebrôna dia niorina fito taona talohan’i Tsôhàna any Ejipta.
23
Nankany amin’ny Lohasahan’i Eskôla ireo mpisafo tany ka nanapaka tahom-boaloboka misy sampahony, ary nolanjain’olon-droa tamin’ny hazo niaraka tamin’ny ampongabendanitra sy ny aviavy.
24
Dia nomena anarana hoe Lohasahan’i Eskôla na Lohasahan-tsampaho izany toerana izany, noho ny sampahom-boaloboka izay notapahin’ny Israelita teo.
25
Nony afaka efapolo andro, dia niverina avy nisafo ny tany ireo iraka.
26
Nankeo amin’i Mosesy sy i Aharôna ary ny Fiangonan’ny Israelita rehetra tao an-taniefitr’i Paràna any Kadesy izy ireo, ka nanao tatitra tamin’ny besinimaro ary nampiseho azy ny vokatry ny tany.
27
Izao no notantarain’ireo mpisafo tamin’i Mosesy: –Nankany amin’ny tany izay nanirahanao anay izahay, ka hitanay fa tany tondra-dronono sy tantely tokoa ilay izy. Itony no vokatra avy tany.
28
Saingy ny mponina ao aminy kosa dia mahery, ary ny tanàna dia mimanda sady lehibe. Hitanay tao koa aza ny taranaky ny Hanakita.
29
Ny Hamalekita no monina amin’ny faritra atsimo; ny Hetita sy ny Hivita ary ny Jebosita sy ny Amôrita no any an-tendrombohitra, fa ny Kanahanîta kosa no mipetraka amoron-dranomasina Mediteranea sy amoron’i Jôrdàna.
30
Nampanginin’i Kaleba ny vahoaka izay nimonomonona tamin’i Mosesy ka nataony hoe: –Aoka hiakarantsika ny tany ka halaintsika fa haharesy azy tokoa isika.
31
Ireo olona niara-niakatra tamin’i Kaleba kosa nanao hoe: –Tsy afaka manafika ireo olona ireo isika fa mahery lavitra noho isika izy.
32
Dia nanao izay haharatsy laza ny tany izay nosafoiny tamin’ny Israelita izy ireo ka niteny hoe: –Ny tany izay nosafoinay dia tany mamono ny olona tonga monina ao, ary ny olona izay hitanay tao dia ranjanana avokoa.
33
Hitanay tao hatramin’ireo olona goavambe taranak’i Hanàka aza; tahaka ny valala izahay miohatra aminy, ary dia toy izany koa no fijeriny anay.
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36