bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Numbers 20
Numbers 20
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 21 →
1
Tonga tao amin’ny taniefitr’i Tsina ny fiangonan’i Israely iray manontolo tamin’ny volana voalohany; ary nijanona tao Kadesy ny vahoaka. Tao no nahafatesan’i Miriama sady nandevenana azy.
2
Rehefa tsy nisy intsony ny rano ho an’ny fiangonana, dia nitangoronany i Mosesy sy i Aharôna
3
ka nilany ady i Mosesy ka nataony hoe: –Raha mba maty tamin’ny nahafatesan’ny mpiray firenena aminay teo anatrehan’ny TOMPO manko izahay!
4
Fa nahoana no nentinareo atỳ an-taniefitra izahay fiangonan’ny TOMPO? Mba hahafaty anay sy ny biby fiompinay atỳ ve?
5
Nahoana no nampialanareo tany Ejipta izahay ka nentinareo atỳ amin’ny tany ratsy atỳ, izay tsy azo amafazana akory sady tsy misy aviavy na voaloboka na ampongabendanitra na rano hosotroina akory?
6
Navelan’i Mosesy sy i Aharôna teo ny Israelita fa lasa izy roa lahy nankeo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana ka niankohoka tamin’ny tany; ary niseho taminy ny voninahitry ny TOMPO.
7
Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy:
8
–Raiso ny tehinao, ka vorionao sy i Aharôna rahalahinao ny Israelita. Eo imason’izy ireo no hitenenanareo amin’ny vatolampy, dia hanome rano izy. Eny, hampiboiboika rano ho azy ireo avy amin’io vato io ianao, ka hampisotro ny Israelita sy ny biby fiompiny!
9
Dia nalain’i Mosesy tao amin’ny Fonena-masin’ny TOMPO araka ny baiko azony ny tehiny.
10
Novorin’izy sy i Aharôna teo anoloan’ny vatolampy ny fiangonana ka noteneniny hoe: –Henoinareo, ry mpiodina: Moa afaka hamoaka rano ho anareo avy amin’ity vato ity va izahay?
11
Ningain’i Mosesy ny tanany ka nokapohiny indroa tamin’ny tehiny ny vatolampy; dia niboiboika be ny rano ka samy nisotro avokoa ny olon-drehetra mbamin’ny biby fiompiny.
12
Fa niteny tamin’i Mosesy sy i Aharôna ny TOMPO ka nanao hoe: –Satria tsy nino Ahy ianareo ka tsy naneho ny fahamasinako teo anatrehan’ny Israelita, dia tsy hitondra ity fiangonana ity ho any amin’ny tany izay omeko azy ianareo.
13
Eto no misy ny ranon’i Meribà satria nila ady tamin’ny TOMPO teto ny Israelita ka nanehoany ny fahamasinany.
14
Naniraka olona avy tao Kadesy hankany amin’ny mpanjakan’i Edôma i Mosesy hilaza aminy hoe: –Izao no lazain’ny israelita rahalahinao. Fantatrao ny fahoriana rehetra nahazo anay.
15
Nidina tany Ejipta ireo razanay ary nipetraka ela tany izahay, nefa dia nampahory anay sy ny razanay ny Ejiptianina.
16
Nitaraina tamin’ny TOMPO izahay, dia nihaino ny feonay Izy ka naniraka anjely hamoaka anay avy tany Ejipta. Ary indreto izahay ankehitriny eto Kadesy, tanàna ao amin’ny faritry ny taninao.
17
Koa mba avelao re izahay handeha hamaky eo amin’ny taninao. Tsy hamaky any amin’ny saha na ny tanimboaloboka izahay, ary tsy hisotro amin’ny ranom-pantsakana; fa iny arabe migodana iny ihany no hizoranay ka tsy hivilivily hiankavia na hiankavanana izahay mandra-pahafakay ny faritry ny taninao.
18
Fa hoy ny mpanjakan’i Edôma namaly azy: –Tsy mahazo mandalo ny taniko ianareo; fa raha tsy izany, dia ady no hitsenako anareo.
19
Dia hoy ny Israelita taminy: –Ny lalambe ihany no hiakaranay; koa raha hisotro amin’ny ranonao izahay sy ny biby fiompinay, dia haloanay aminao ny vidin’izany. Tokana ny zavatra angatahinay, dia ny handalo eo fotsiny ihany.
20
Fa novalian’ny mpanjakan’i Edôma hoe: –Tsy mahazo mandalo eo ianareo. Dia nivoaka nitsena azy niaraka tamin’ny vahoaka marobe nirongo fiadiana ny Edômita.
21
Toy izany no tsy namelan’i Edômita ny Israelita handalo eo amin’ny taniny; koa dia lalan-kafa no nizorany.
22
Dia niala tao Kadesy ny fiangonan’i Israely iray manontolo ka tonga tao amin’ny tendrombohitra Hôra,
23
amin’ny sisin-tanin’i Edôma. Tao ny TOMPO no niteny tamin’i Mosesy sy i Aharôna ka nanao hoe:
24
–Efa hampodina any amin’ny razany i Aharôna, fa tsy hiditra any amin’ny tany izay nomeko ny Israelita satria tsy nankatò ny teniko teo amin’ny ranon’i Meribà ianareo.
25
Koa ento, ry Mosesy, i Aharôna sy i Elehazara zanany hiakatra eo an-tendrombohitra Hôra.
26
Dia esory ny akanjo fisoronan’i Aharôna ka ampanaovy an’i Elehazara zanany. Hody any amin’ny razany i Aharôna ary eo no hahafatesany.
27
Dia nanao araka izay nandidian’ny TOMPO azy i Mosesy, ary teo imason’ny fiangonana iray manontolo no niakaran’izy telo mianaka ny tendrombohitra Hôra.
28
Nesorin’i Mosesy ny akanjo fisoronana teny amin’i Aharôna ka nampanaovina an’i Elehazara zanany; ary maty teo an-tampon’ny tendrombohitra i Aharôna. Avy eo i Mosesy sy i Elehazara dia nidina ny tendrombohitra.
29
Rehefa tsinjon’ny fiangonana manontolo fa maty i Aharôna, dia nisaona azy nandritra ny telopolo andro ny taranak’i Israely rehetra.
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 21 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36