bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Numbers 31
Numbers 31
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 30
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 32 →
1
Niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO ka nanao hoe:
2
–Faizo ny Midianita noho ny ratsy izay nataony tamin’ny Israelita; aorian’izany, dia ho faty tahaka ireo razanao ianao.
3
Ka hoy i Mosesy tamin’ny vahoaka: –Aoka hivonon-kiatrika ady ny sasany aminareo ary hanafika ny Midianita hahatanteraka ny famaizan’ny TOMPO azy.
4
Mpiady arivo lahy isam-poko no halefanareo hiantafika.
5
Nisy arivo lahy isam-poko notsongaina tamin’ny foloalindahin’i Israely, dia roa arivo sy iray alina izay vonon-kiatrika ady.
6
Dia nalefan’i Mosesy hiantafika izy rehetra ireo niaraka tamin’i Pinehasa mpisorona sady zanakalahin’i Elehazara; i Pinehasa no nitondra ny fitaovana masina ary koa ny trompetra mpanainga hiady.
7
Dia nanafika ny Midianita araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy ireo, ka namono nahafaty ny lehilahy rehetra.
8
Matin’ny Israelita koa ny mpanjaka midianita dimy lahy, dia i Evỳ sy i Rekema, i Tsoro sy i Hora ary i Reba. Novonoiny ho faty tamin’ny sabatra ihany koa i Balahama zanakalahin’i Behôra.
9
Nataony sambo-belona ny vehivavy sy ny zaza midianita; nobaboiny avokoa ny biby fiompy rehetra mbamin’ny omby aman’ondriny rehetra ary ny fananany rehetra.
10
Nodorany avokoa ny tanàna rehetra nonenany sy nitobiany.
11
Dia nalainy avokoa izay rehetra nobaboiny na olona na biby,
12
ka nentiny tany amin’i Mosesy sy i Elehazara mpisorona ary ny fiangonana israelita teo an-toby tao amin’ny lemak’i Môaba, amoron’i Jôrdàna tandrifin’i Jerikao.
13
Nivoaka nitsena azy teo ivelan’ny toby i Mosesy sy i Elehazara mpisorona ary ny filohan’ny fiangonana rehetra.
14
Tezitra tamin’ireo filohan’antokon-tafika sy filohan’andian-tafika izay avy nanafika i Mosesy,
15
ka niteny taminy hoe: –Nahoana no navelanareo ho velona ny vehivavy rehetra?
16
Ireo ihany, noho ny torohevitr’i Balahama, no nahatonga ny Israelita hanao fahadisoana lehibe tamin’ny TOMPO, tamin’ilay raharahan’i Pehôra, ka niavian’ny areti-mandringana teo amin’ny fiangonan’ny TOMPO.
17
Koa ankehitriny vonoy ho faty avokoa ny zaza lahy rehetra ary koa ny vehivavy rehetra efa nanambady.
18
Fa ny zazavavy rehetra mbola virijiny kosa dia velomy ka tano ho anareo.
19
Mitobia any ivelan’ny toby mandritra ny fito andro ianareo, dia ianareo izay nahafaty olona na nikasi-paty, ka samia midio amin’ny andro fahatelo sy fahafito, na ny tenanareo na ny zazavavy sambo-belonareo.
20
Diovy koa ny fitafianareo rehetra mbamin’ny fanaka rehetra vita hoditra na vita volon’osy na vita hazo.
21
Dia hoy i Elehazara mpisorona tamin’ny miaramila nandray anjara tamin’ny fanafihana: –Izao no fepetran-dalàna izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy:
22
Ny volamena, ny volafotsy, ny varahina, ny vy, ny vy fotsy ary ny firaka,
23
izany hoe ny zavatra rehetra mahatanty afo, dia sedrao amin’ny afo ho afa-doto, vao atsobohy ao amin’ny rano fanadiovana. Ary izay tsy mahatanty afo kosa dia atsobohy fotsiny ao anaty rano fanadiovana.
24
Sasao ny fitafianareo amin’ny andro fahafito, dia hadio ianareo ka hahazo miditra ao an-toby amin’izay.
25
Niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO ka nanao hoe:
26
–Mandehana ianao sy i Elehazara mpisorona ary ny filoham-pianakaviana amin’ny fiangonana maka ny isan’ny voababo rehetra na olona izany na biby.
27
Zarao izany ka ny antsasany ho an’izay nandray anjara tamin’ny fanafihana ary ny antsasany ho an’ny fiangonana manontolo.
28
Hakanao hetra ho AHY anefa ny anjaran’ireo mpiantafika, dia olona iray isaky ny olona dimanjato ary biby iray isaky ny biby dimanjato raha omby na boriky na ondry na osy izany.
29
Halanao amin’ny anjaran’ny mpiantafika izany fanatitra ho AHY izany ka homenao an’i Elehazara mpisorona.
30
Ary ny anjaran’ny Israelita kosa dia hakanao olona iray isaky ny olona dimampolo ary biby iray isaky ny biby dimampolo raha omby na boriky na ondry na osy na koa biby hafa rehetra, ka homenao ny Levita izay miandraikitra ny fanompoana ao amin’ny Fonena-masina.
31
Dia nataon’i Mosesy sy i Elehazara mpisorona araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy izany.
32
Ny sisa tavela tamin’ireo babo azon’ny mpanafika dia ondry aman’osy 675 000,
33
omby 72 000,
34
boriky 61 000,
35
ary vehivavy mbola virijiny 32 000.
36
Ny antsasany anjaran’ny mpiantafika dia ondry aman’osy 337 500,
37
ka ny 675 no hetra nalana ho an’ny TOMPO;
38
omby 36 000 ka ny 72 ho an’ny TOMPO;
39
boriky 30 500, ka ny 61 ho an’ny TOMPO;
40
olona 16 000 ka ny 32 ho an’ny TOMPO.
41
Nomen’i Mosesy an’i Elehazara mpisorona ny hetra natao ho fanatitra ho an’ny TOMPO, araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.
42
Ny anjara nomena ny fiangonan’i Israely sisa dia mitovy amin’ny an’ny mpiantafika, izany hoe ondry aman’osy 337 500,
44
omby 36 000,
45
boriky 30 500
46
ary olona 16 000.
47
Tamin’ny anjara nomena ny Israelita dia nangalan’i Mosesy olona iray isaky ny olona dimampolo, ary biby iray isaky ny biby dimampolo; koa araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy dia nomeny ny Levita izay miandraikitra ny fanompoana momba ny Fonena-masin’ny TOMPO izany.
48
Nanatona an’i Mosesy ny filoha miaramila rehetra, dia ny komandin’ny antokon-tafika sy ny andian-tafika
49
ka nanao taminy hoe: –Efa nalainay ny isan’ny mpiantafika izay teo ambany fifehezanay, ka tsy nisy latsaka na dia iray aza.
50
Koa izany no itondranay fanatitra ho an’ny TOMPO mba hanaovana fombam-pivavahana famelan-keloka eo anatrehany ho an’ny tenanay, dia ny firavaka volamena hitan’ny tsirairay avy toy ny rojo, haba, peratra, kavina ary ny haingom-bozona.
51
Noraisin’i Mosesy sy i Elehazara mpisorona tamin’ny filoha miaramila ny volamena rehetra izay firavaka voatefy avokoa.
52
Ny lanjan’ny volamena rehetra natolotr’ireo manamboninahitra ireo ho an’ny TOMPO dia nahatratra 170 kilao eo ho eo.
53
Fa ny miaramila tsotra kosa dia samy nitahiry ho an’ny tenany izay zavatra nobaboiny manokana.
54
Dia napetrak’i Mosesy sy i Elehazara mpisorona tao amin’ny Tranolay fihaonana ny volamena rehetra nomen’ny manamboninahitra miaramila, mba hahatsiarovan’ny TOMPO ireo Israelita.
← Chapter 30
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 32 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36