bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Numbers 6
Numbers 6
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 7 →
1
Dia niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO
2
mba hamepetra ny Israelita hoe: –Raha misy lehilahy na vehivavy mivoady ho Nazirita mba hanokan-tena ho an’ny TOMPO,
3
dia hifady divay sy zava-pisotro misy alikaola izy; tsy hisotro vinaingitra natao tamin’ny divay na tamin’ny zava-pisotro misy alikaola izy; ary tsy hisotro rehefa mety ho ranom-boaloboka izy, na hihinana akory voaloboka lena na voaloboka maina.
4
Mandritra ny fotoana rehetra maha Nazirita azy dia tsy hihinan-javatra natao amin’ny voaloboka izy, eny, fa na dia ny voany mbamin’ny hodiny aza.
5
Mandritra ny fotoana rehetra anaovany voady, dia tsy hihety volo na hiharatra izy; fa mandra-pahatapitry ny fotoana izay hitokanany tena ho an’ny TOMPO, dia ho masina izy ka hamela ny volon-dohany sy ny volom-bavany haniry.
6
Mandritra izany fotoana rehetra itokanany tena ho an’ny TOMPO izany koa, dia tsy mahazo manakaiky fatin’olona izy;
7
na dia ny fatin-drainy sy ny reniny ary ny mpiray tampo aminy aza, dia aoka tsy hahaloto azy satria efa entiny eo an-dohany ny marika maha voatokana ny tenany ho an’Andriamanitra!
8
«Mandritra ny fotoana rehetra anaovany voady dia ho masina ho an’ny TOMPO izy.
9
Raha misy olona maty tampoka eo anilany ka mahaloto ny fanokanan-tenany, dia hanaratra ny lohany amin’ny andro fidiovany izy, izany hoe afaka herinandro.
10
Amin’ny andro manaraka kosa no hitondrany domohina roa na voromahailala roa eo amin’ny mpisorona, eo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana.
11
Haterin’ny mpisorona ho sorona fanalana ny ota ny anankiray, ary ny anankiray kosa ho sorona dorana manontolo. Dia hataony amin’ilay olona ny fombam-pivavahana fanadiovana azy noho ny ota vokatr’ilay faty; amin’io andro io izy dia ho masina indray ka hamela ny lohany hitsiry volo.
12
Hamerina tanteraka indray ny fanokanan-tenany ho an’ny TOMPO izy, ka hitondra ondrilahy iray taona izy ho sorom-panonerana. Tsy hoisaina ireo andro teo aloha satria voaloto ny naha nazirita azy.
13
«Izao no lalàna ny amin’ny nazirita, rehefa tapitra ny andro naha nazirita azy. Hoentina mankeo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana izy
14
ary hitondra sorona ho an’ny TOMPO, dia ondrilahikely iray taona tsy misy kilema ho sorona dorana manontolo sy ondrivavikely iray taona tsy misy kilema ho sorona fanalana ny ota, ary ondrilahy iray tsy misy kilema ho sorom-pihavanana.
15
Hitondra mofo tsy misy leviora iray harona koa izy, dia mofomamy nofetaina menaka sy mofo manify tsy misy leviora sady voahoso-menaka mbamin’ny fanatitra lafarinina sy divay ampombaina ny sorona.
16
Hoentin’ny mpisorona eo anatrehan’ny TOMPO ireo fanatitra ireo, vao hatolony ny sorona fanalana ny ota sy ny sorona dorana manontolo.
17
Ny ondrilahy kosa dia hatolony amin’ny TOMPO ho sorom-pihavanana miaraka amin’ny mofo tsy misy leviora iray harona. Ary hatolony farany ny fanatitra lafarinina sy divay.
18
Dia hanaratra ny lohany eo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana ilay nanokan-tena; ary halainy izany volon-dohany izany ka hatsipiny ao anatin’ny afo izay mirehitra eo ambanin’ilay sorom-pihavanana.
19
Horaisin’ny mpisorony kosa ny sorok’ilay ondrilahy rehefa masaka, ary samy hakany iray avy ny mofomamy sy ny mofo manify tsy misy leviora ao anaty harona; ka hataony eo an-tanan’ilay nanokan-tena ireo, rehefa avy niharatra ny mariky ny naha nazirita azy izy.
20
Dia hasehon’ny mpisorona amin’ny TOMPO ireo sady hahevahevany ho fanolorana azy; zava-masina miverina amin’ny mpisorona ihany izany, fanampin’ny tratra nahevahevany sy ny fen’ondry navahany. Rehefa izany vao mahazo misotro divay indray ilay nazirita afa-boady.
21
«Izany no lalàna ny amin’ny Nazirita izay nivoady; izany no fanomezana atolony ho an’ny TOMPO noho ny naha nazirita azy, ankoatra izay mety ho takatry ny fananany. Hanaraka ny voady notononiny izy amin’izany, ka hanao araka ny lalàna momba ny fanokanan-tena nirosoany.»
22
Dia niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO mba hamepetra an’i Aharôna sy ny zanany hoe:
23
–Izao no teny hataonareo rehefa mitsodrano ny Israelita ianareo:
24
«Hitahy sy hiaro anareo anie ny TOMPO!
25
Hijery anareo amin-kamorampo anie ny TOMPO ka hiantra anareo!
26
Handray anareo amin-kazavampo anie ny TOMPO ka hanome anareo fiadanana!»
27
Rehefa hanonona ny anarako amin’ny Israelita toy izany ny mpisorona, dia hitahy azy tokoa Aho.
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36