bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Numbers 30
Numbers 30
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 29
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 31 →
1
Dia nolazain’i Mosesy tamin’ny Israelita izay rehetra nandidian’ny TOMPO azy.
2
Niteny tamin’ireo filohan’ny foko israelita i Mosesy ka nampita izao baikon’ny TOMPO izao:
3
«Raha misy lehilahy mivoady amin’ny TOMPO na mianiana hifady zavatra, dia tsy hitsoaka amin’ny teniny fa tsy maintsy hanatanteraka izay fampanantenana naloaky ny vavany izy.
4
«Ataovy hoe misy tovovavy mbola miara-mipetraka amin-drainy ka maningo-tena mivoady na mianiana amin’ny TOMPO.
5
Raha ren-drainy izany voady na fianianana izany, nefa tsy notoheriny, dia manan-kery ny voady amam-pianianana rehetra nataon’ilay tovovavy.
6
Fa raha mandà kosa ny rainy amin’ny andro andrenesany izany, dia tsy manan-kery ny voady amam-pianianana rehetra nataony. Hamela an’ilay tovovavy ny TOMPO, satria efa nandà izany ny rainy.
7
«Ataovy indray hoe kosa misy tovovavy maningo-tena mivoady na mianiana foana tsy amim-piheverana, kanefa manambady atỳ aoriana.
8
Raha rem-badiny izany nefa tsy notoheriny, dia manan-kery ny voady amam-pianianana rehetra nataony.
9
Fa raha mandà kosa ny lahy amin’ny andro andrenesany izany, dia foana avokoa ny voady sy ny fianianam-poana nataon’ny vavy; ary hamela azy ny TOMPO.
10
«Fa ny voadin’ny vehivavy maty vady na nisara-panambadiana kosa dia mitoetra ara-dalàna.
11
«Kanefa ataovy hoe misy vehivavy mbola ao an-tranom-badiny no maningo-tena mivoady na mianiana.
12
Raha ren’ny lahy izany nefa tsy notoheriny na norarany, dia mitoetra ara-dalàna ny voady amam-pianianana rehetra nataon-dravehivavy.
13
Fa raha manafoana kosa ny lahy amin’ny andro andrenesany izany, dia tsy manan-kery ny voady amam-pianianana nataon-dravehivavy. Hamela azy ny TOMPO satria nofoanan’ny vadiny ny voady nataony.
14
Ny voady na fianianana rehetra nataon’ny vavy mba hifady hanina dia ny vadiny irery ihany no mampanan-kery na mahafoana izany.
15
Fa raha tsy manohitra an-dravehivavy kosa ny lahy hatramin’ny ampitson’ny andro nandrenesany ny voady amam-pianianany, dia mampanan-kery izany. Ny tsy nanoherany an-dravehivavy tamin’ny andro nandrenesany no mampanan-kery izany.
16
Fa raha aorian’ny andro nandrenesany izany kosa ny lahy no hanapa-kevitra hanafoana izany, dia izy no hovesaran’ny heloky ny vadiny.
17
«Ireo no lalàna izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy momba ny voady ataon’ny vehivavy manambady na koa ataon’ny tovovavy mbola mipetraka ao an-tranon-drainy.»
← Chapter 29
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 31 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36