bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Numbers 23
Numbers 23
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 24 →
1
Ary hoy i Balahama tamin’i Balàka: –Manangàna alitara fito eto ho ahy ary manomàna vantotr’ombilahy fito sy ondrilahy fito eo.
2
Nataon’i Balàka izay nolazain’i Balahama; avy eo izy roa lahy dia niara-nanatitra vantotr’ombilahy sy ondrilahy iray isan’alitara.
3
Dia hoy i Balahama tamin’i Balàka: –Mijanòna ihany eto akaikin’ny sorona dorana manontolo natolotrao, fa izaho kosa hihataka kely hijery raha ho avy hihaona amiko ny TOMPO na tsia; koa izay hasehony amiko dia hambarako anao. Ary lasa i Balahama nankany amin’ny tendrombohitra anankiray mangadihady.
4
Nisehoan’Andriamanitra teo i Balahama ka nilaza taminy hoe: –Efa voatsangako ireo alitara fito ary efa voaatitro koa ny vantotr’ombilahy sy ny ondrilahy iray avy isan’alitara.
5
Nanisy teny tao am-bavan’i Balahama ny TOMPO, ary dia nanasa azy hiverina any amin’ny mpanjaka mba hilaza izany aminy.
6
Dia niverina tany amin’i Balàka izy, ka nahita azy nijoro teo akaikin’ny sorona nataony sady tafaraka tamin’ireo olo-mana-kaja môabita rehetra.
7
Dia nanao izao tononkalo manaraka izao i Balahama: «I Balàka, mpanjakan’i Môaba, dia nampaka ahy avy any Siria, avy any amin’ny tendrombohitra amin’ny ilany atsinanan’izany tany izany. Avia, hoy izy tamiko, hanozona ny taranak’i Jakôba; avia handrahona ny Israelita.
8
Hataoko ahoana anefa no fanozona izay tsy mba nozonin’Andriamanitra? Ary hataoko ahoana koa no fandrahona izay tsy mba norahonan’ny TOMPO?
9
Rehefa jereko avy eto an-tampon’ny vatolampy ary rehefa tazaniko avy eto an-tampon-kavoana izany vahoaka israelita izany, dia vahoaka mitoka-monina no fahitako azy, sady miavaka amin’ny firenen-kafa rehetra.
10
Zovy no mahisa ny taranak’i Jakôba izay marobe tahaka ny vovotany na mahisa ny ampahefatry ny Israelita? Enga anie ny fahafatesako ho toy ny fahafatesan’ireo olo-marina ireo, ary enga anie ny fiafaràko ho toy ny fiafaràn’ny vahoaka israelita!»
11
Dia hoy i Balàka tamin’i Balahama: –Fa inona izao nataonao tamiko izao? Hanozona ny fahavaloko no nitondrako anao atỳ, kanefa dia ny nitsodrano azy indray no nataonao!
12
Fa novalian’i Balahama hoe: –Moa tsy ny hilaza izay teny nataon’ny TOMPO tao am-bavako ihany ve no andraikitro.
13
Dia hoy indray i Balàka tamin’i Balahama: –Andeha hiaraka amiko any amin’ny toeran-kafa izay hahitanao ny Israelita rehetra. Ampahany ihany mantsy no hitanao teto fa tsy ny vahoaka manontolo. Ka avy eo amin’izany toerana izany no hanozonanao azy.
14
Dia nentin’i Balàka teo amin’ny saha Tsôfima tao an-tampon’i Pisgà i Balahama; nanorina alitara fito teo ny mpanjakan’i Môaba ka nanatitra vantotr’ombilahy iray sy ondrilahy iray isan’alitara.
15
Ary hoy i Balahama tamin’i Balàka: –Mijanòna eto akaikin’ny sorona dorana manontolo natolotrao, fa izaho hankerỳ hihaona amin’Andriamanitra.
16
Nisehoan’ny TOMPO i Balahama ka nilazany izay teny hampitainy amin’i Balàka; ary nasainy hiverina any amin’ny mpanjaka izy mba hanambara izany aminy.
17
Dia lasa izy niverina tany amin’i Balàka izay mbola teo anilan’ny sorona nataony sady tafaraka tamin’ny olo-manan-kaja môabita. Ary hoy i Balàka taminy: –Inona no nolazain’ny TOMPO?
18
Dia nanao izao tononkalo manaraka izao indray i Balahama: «Mitsangàna, ry Balàka zanakalahin’i Tsipôra, atongilano amiko ny sofinao, ka mihainoa.
19
Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na taranak’olombelona ka hanenina. Izay nolazainy dia hoefainy; izay nampanantenainy dia hotanterahiny.
20
Efa nekeko ny hitsodrano ity vahoaka ity; ary efa nitsodrano azy rahateo ny TOMPO ka tsy afaka hanova na inona na inona aho.
21
Tsy nahita tsiny tamin’ny taranak’i Jakôba ny TOMPO na faharatsiana teo amin’ny vahoaka israelita. Ny Tompo Andriamaniny no momba azy, ka anaovany fihobiana toy ny mpanjakany.
22
Nentin’Andriamanitra niala tany Ejipta izany vahoaka izany ka manan-kery tsy hay tohaina tahaka ny an’ny omby dia.
23
Tsy mba misy fanaovan-tsikidy eo amin’ny taranak’i Jakôba; tsy mba misy fankatovana eo amin’ny vahoaka israelita. Fa amin’izay fotoana sahaza no hampahafantarana azy ny zavatra ataon’Andriamanitra.
24
Indro io vahoaka io fa mitsangana toy ny bibidia masiaka, ary mijoro tahaka ny liona, izay tsy mandry raha tsy voky remby sy mamon’ny ran’ny biby voahazany.»
25
Dia hoy i Balàka tamin’i Balahama: –Rehefa tsy hanozona ny Israelita ianao, dia aoka mba tsy hitsodrano azy kosa!
26
Fa hoy ny navalin’i Balahama azy: –Moa tsy efa niteny taminao ve aho fa izay rehetra holazain’ny TOMPO ihany no hataoko?
27
Dia hoy koa i Balàka tamin’i Balahama: –Andao fa hoentiko any amin’ny toeran-kafa indray ianao; angamba hoeken’Andriamanitra amin’izay ny hanozonanao io vahoaka io any.
28
Dia nentin’i Balàka i Balahama ho eo an-tampon’i Pehôra izay manoloana ny taniefitra.
29
Ary hoy i Balahama tamin’i Balàka: –Manangana alitara fito eto ho ahy ary manomàna vantotr’ombilahy fito sy ondrilahy fito eo.
30
Dia nataon’i Balàka izay nolazain’i Balahama ka nanatitra vantotr’ombilahy iray sy ondrilahy iray isan’alitara izy.
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 24 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36