bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Numbers 24
Numbers 24
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 25 →
1
Hitan’i Balahama fa sitraky ny TOMPO ny hitsodrano an’ireo Israelita, dia tsy nandeha nisikidy toy ny teo aloha intsony izy, fa nitodika kosa nanatrika ny tany taniefitra fotsiny.
2
Rehefa niandrandra i Balahama, dia nahita ireo Israelita nitoby isaky ny fokony avy; ary notsindrian’ny Fanahin’Andriamanitra izy,
3
dia nanao izao tononkalo izao: «Teny hentitr’i Balahama, zanakalahin’i Behôra, teny hentitry ny lehilahy matsilo fijery
4
sady mandre ny tenin’Andriamanitra no mahita izay asehon’ilay Tsitoha, rehefa mahazo tsindrimandry avy aminy ka tonga mahiratra fijery.
5
«Akory ny hatsàran’ny lainareo, ry taranak’i Jakôba; endrey ny hasoan’ny fonenanareo, ry vahoaka Israelita!
6
Fa toa ranon-driaka mihanaka izy ireny, mandrobona tahaka ny zaridaina amoron’ny ony, velombelona tahaka ny sahondra na ny sedera nambolen’ny TOMPO teo amoron’ny sakeli-drano,
7
mitobaka toy ny rano avy amin’ny fanovozana ka manondraka tsara ny saha voafafy. Mahery noho i Agaga ny mpanjaka israelita ka hihamatanjaka hatrany ny fanjakany.
8
Nentin’Andriamanitra niala tany Ejipta izany vahoaka izany, ka manan-kery tsy hay tohaina tahaka ny an’ny omby dia. Mandevona ny hafa firenena fahavalony izy, ka manapatapaka ny taolany sy mandoadoaka azy amin’ny zana-tsipîka.
9
Mamita-mandry toy ny liona na tahakan’ny bibidia masiaka izy, koa zovy no sahy hanaitra azy? «Eny hotahîna anie izay hitsodrano anao, ry Israely, ary ho voaozona kosa anie izay hanozona anao!»
10
Vinitra aoka izany tamin’i Balahama i Balàka ka niteha-tanana handrahona azy sady nanao taminy hoe: –Hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanefa fanintelony izao ianao no nitsodrano azy.
11
Noho izany, dia mandehana mody any amin’ny taninao any! Nampanantena aho ny hanome voninahitra mitafotafo anao, nefa indro ny TOMPO fa nisakana ny hahazoanao izany.
12
Dia hoy i Balahama tamin’i Balàka: –Efa voalazako tamin’ireo iraka nalefanao tany amiko
13
fa na dia homenao volafotsy sy volamena mahafeno ny tranonao aza aho, dia tsy afaka handika ny didin’ny TOMPO ka hitondra soa na loza araka izay nahim-poko; fa izay holazain’ny TOMPO ihany no holazaiko.
14
koa ankehitriny, handeha aho hody any amin’ny fireneko. Nefa alohan’izany, dia avia fa tiako hampahafantarina anao izay hataon’ny Israelita amin’ny vahoakanao indray andro any.
15
Dia nanao izao tononkalo manaraka izao i Balahàma: «Teny hentitr’i Balahama, zanakalahin’i Behôra, teny hentitry ny lehilahy matsilo fijery
16
sady mandre ny tenin’Andriamanitra no mahita izay asehon’ilay Tsitoha, rehefa mahazo tsindrimandry avy aminy. ka tonga mahiratra fijery.
17
«Izao no hitako, saingy tsy mbola ankehitriny no hisehoany; izao no tazako, saingy mbola any aoriana lavitra no hitrangany; Misy kintana mipoitra avy amin’ny taranak’i Jakôba, misy mpanjaka mipongatra avy amin’ny Israelita ka ny tehim-panjakàny no mamely ny fihirifan’ny Môabita sy ny lohan’ny mpanakorontana rehetra.
18
Lasan’io mpanjaka io koa i Sehîra, tanin’ny Edômita fahavalony. Maneho ny heriny kosa ny Israelita,
19
fa misy mpanapaka hiseho avy amin’ny taranak’i Jakôba ka handringana ny sisa velona afa-mandositra avy ao Sehîra.»
20
Nahita ny Hamalekita i Balahama ka nanonona izao teny izao: «Ny Hamalekita no lohalaharana amin’ny hafa firenena rehetra; fa ho lany ringana no hiafaràny.»
21
Nahita ny Kenita koa i Balahàma ka nanonona izao teny izao: «Mafy orina ny fonenanareo, ry Kenita, ka azo antoka tahaka ny akanim-borona izay voavoatra ambony vatolampy.
22
Kanefa holevon’ny afo ny fonenanareo; ary ny Asirianina no hambabo anareo.»
23
Dia mbola nanonona izao teny izao indray i Balahama hoe: «Indrisy! zovy moa no afaka ho velona, rehefa Andriamanitra no manao famaizana!
24
Hisy sambo avy any Kitîma, mitondra olona hampahory ny Asirianina sy hampahory ny taranak’i Hebera; nefa ho lany ringana koa no hiafaran’ireo mpampahory ireo.»
25
Taorian’izany i Balahama dia niainga ka niverina nody tany aminy; fa i Balàka kosa nizotra lalan-kafa.
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 25 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36