bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Numbers 26
Numbers 26
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 27 →
1
dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy ary tamin’i Elehazara mpisorona sady zanakalahin’i Aharôna:
2
–Manaova fanisàm-bahoaka isam-pianakaviana eo amin’ny Fiangonan’i Israely, dia izay lehilahy rehetra roapolo taona no ho miakatra ka mahatam-piadiana.
3
Teo amin’ny lemak’i Môaba amoron’i Jôrdàna tandrifin’i Jerikao no nitenenan’i Mosesy sy i Elehazara mpisorona tamin’ireo Israelita ka nanambarany
4
fa, araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy, dia hanaovana fanisana ny lehilahy rehetra roapolo taona no ho miakatra. Ireto avy àry ireo Israelita izay niala tany Ejipta:
5
Ny taranak’i Reobena, lahimatoan’i Israely, dia nisy ireto tarika ireto: ny Hanôkita avy tamin’i Hanôka; ny Paloita avy tamin’i Palò;
6
ny Hetsirônita avy tamin’i Hetsirôna; ny Karmita avy tamin’i Karmỳ.
7
Ireo no tarika robenita; ary 43 730 no isan’ny lehilahy mahatam-piadiana tao aminy.
8
Ny zanakalahin’i Palò anankiray dia i Eliaba,
9
izay rain’i Nemoela sy i Datàna ary i Abirama. Ireo Datàna sy i Abirama ireo no solotenan’ny Fiangonana izay nanohitra an’i Mosesy sy i Aharôna; niaraka tamin’ny tarik’i Kôra izy roa lahy raha nikomy tamin’ny TOMPO izy ireo.
10
Nisokatra ny tany ka nitelina azy ireo mbamin’i Kôra, tamin’ny andro nahafatesan’ny tariny sy nandevonan’ny afo lehilahy 250 izay natao ho ohatra ho an’ny vahoaka sisa.
11
Kanefa ireo zanakalahin’i Kôra kosa tsy mba maty.
12
Ny taranak’i Simehôna, araka ny tarika tao aminy, dia izao: ny Nemoelita avy tamin’i Nemoela; ny Jaminita avy tamin’i Jamina; ny Jakinita avy tamin’i Jakina;
13
ny Tsôharita avy tamin’i Tsôhara; ny Saolita avy tamin’i Saoly.
14
Ireo no tarika simehônita; ka nisy 22 200 ny lehilahy mahatam-piadiana tao aminy.
15
Ny taranak’i Gada, araka ny tarika tao aminy, dia izao: ny Tsefônita avy tamin’i Tsefôna; ny Hagita avy tamin’i Hagỳ; ny Sonita avy tamin’i Sonỳ;
16
ny Oznita avy tamin’i Oznỳ; ny Herîta avy tamin’i Herỳ;
17
ny Arôdita avy tamin’i Arôda; ny Arelîta avy tamin’i Arelỳ.
18
Ireo no tarika gadita; ka nisy 40 500 ny lehilahy mahatam-piadiana tao aminy, araka ny nanisana azy.
19
Ny taranak’i Joda, araka ny tarika tao aminy, dia: ny Selanita avy tamin’i Sela; ny Peritsita avy tamin’i Peretsa; ny Zerahita avy tamin’i Zerà. Ny taranak’i Peretsa dia nisy fianakaviambe anankiroa: ny Hetsirônita avy tamin’i Hetsirôna ary ny Hamôlita avy tamin’i Hamòla. Ny zanak’i Joda roa lahy, i Hera sy i Ônana, anefa dia maty tany Kanahana.
22
Ireo no tarika tao amin’ny fokon’i Joda; ka nisy 76 500 ny lehilahy mahatam-piadiana tao aminy, araka ny nanisana azy.
23
Ny taranak’i Jisakara, araka ny tarika tao aminy, dia izao: ny Tôlahita avy tamin’i Tôlà; ny Povanîta avy tamin’i Povà;
24
ny Jasobita avy tamin’i Jasoba; ny Simrônita avy tamin’i Simrôna.
25
Ireo no tarika isakarita; ka nisy 64 300 ny lehilahy mahatam-piadiana tao aminy, araka ny nanisana azy.
26
Ny taranak’i Zebolòna, araka ny tarika tao aminy dia izao: ny Seredita avy tamin’i Sereda; ny Elônita avy tamin’i Elôna; ny Jahilielîta avy tamin’i Jahiliela.
27
Ireo no tarika zebolonita; ka nisy 60 500 ny lehilahy mahatam-piadiana tao aminy, araka ny nanisana azy.
28
Ny taranak’i Jôsefa, araka ny fokony avy, dia ny Manasita sy ny Efraîmita.
29
Ny fokon’i Manase dia nisy ireto tarika ireto: ny Makirita avy tamin’i Makira; ny Gilehadita avy tamin’i Gilehada zanakalahin’i Makira.
30
Ny taranak’i Gilehada dia ireto fianakaviana ireto: ny Ihezerîta avy tamin’i Ihezera, ny Helekita avy tamin’i Heleka,
31
ny Asrielita avy tamin’i Asriela, ny Sekemita avy tamin’i Sekema,
32
ny Semidita avy tamin’i Semida, ary ny Heferita avy tamin’i Hefera.
33
I Tselôfahàna zanakalahin’i Hefera, tsy mba nanan-janakalahy, fa zanakavavy ihany ka ireto avy no anarany: i Mahelà, Nôhà, Hôglà, Milkà ary Tiritsà.
34
Ireo no tarika manasita; ka nisy 52 700 ny lehilahy mahatam-piadiana tao aminy, araka ny nanisana azy.
35
Ny fokon’i Efraîma, araka ny tarika tao aminy, dia izao: ny Sotelahita avy tamin’i Sotelà; ny Bekerita avy tamin’i Bekera; ny Tahanita avy tamin’i Tahàna.
36
Ny fianakaviamben’ny Heranita dia avy tamin’i Heràna, zanakalahin’i Sotelà.
37
Ireo no tarika efraimita; ka nisy 32 500 ny lehilahy mahatam-piadiana tao aminy, araka ny nanisana azy. Ireo no taranak’i Jôsefa, araka ny fokony avy.
38
Ny taranak’i Benjamîna, araka ny tarika tao aminy, dia izao: ny Belahîta avy tamin’i Belà; ny Asbelita avy tamin’i Asbela; ny Ahiramita avy tamin’i Ahirama;
39
ny Sofamita avy tamin’i Sofama; ary ny Hofamita avy tamin’i Hofama.
40
Ny taranak’i Belà dia nisy fianakaviambe anankiroa: ny Ardita, avy tamin’i Arda, ary ny Nahamita avy tamin’i Nahamàna.
41
Ireo no tarika benjaminita; ka nisy 45 600 ny lehilahy mahatam-piadiana tao aminy, araka ny nanisana azy.
42
Tarika tokana ihany kosa ny taranak’i Dana, dia ny Sohamita avy tamin’i Sohama.
43
Ny tarika sohamita manontolo dia nisy 64 400 ny lehilahy mahatam-piadiana tao aminy, araka ny nanisana azy.
44
Ny taranak’i Asera, araka ny tarika tao aminy, dia izao: ny Jimnita avy tamin’i Jimnà; ny Jisvita avy tamin’i Jisvỳ; ny Berihîta avy tamin’i Berihà.
45
Ny fianakaviambe avy tamin’ny taranak’i Berihà dia ny Heberita avy tamin’i Hebera ary ny Malkielita avy tamin’i Malkiela.
46
I Asera dia nanan-janaka vavy natao hoe Serà.
47
Ireo no tarika aserita; ka nisy 53 400 ny lehilahy mahatam-piadiana tao aminy, araka ny nanisana azy.
48
Ny taranak’i Naftalỳ, araka ny tarika tao aminy, dia izao: ny Jahatsielîta avy tamin’i Jahatsiela; ny Gonita avy tamin’i Gonỳ;
49
ny Jetserîta avy tamin’i Jetsera; ary ny Silemita avy tamin’i Silema.
50
Ireo no tarika naftalita; ka nisy 45 400 ny lehilahy mahatam-piadiana tao aminy, araka ny nanisana azy.
51
Ny fitambaramben’ny lehilahy israelita mahatam-piadiana dia nahatratra 601 730.
52
Niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO ka nanao hoe:
53
–Hozaraina amin’ireo foko ireo ny tany arakaraka ny isan’ny olona ao aminy.
54
Ny foko izay maro an’isa dia homenao zaratany lehibe kokoa, fa izay vitsy kosa dia homenao kelikely kokoa; arakaraka ny isany ihany no hanomezanao ny zaratany.
55
Antsapaka anefa no hizaràna ny tany, na dia araka ny habetsahan’ny olona isam-poko, aza.
56
Antsapaka izany no hanapahana izay faritra homena ny foko maro an’isa sy ny foko vitsy an’isa.
57
Toy izao no voaisa ho taranak’i Levỳ, araka ny tarika tao aminy: ny Gersônita avy tamin’i Gersôna; ny Kehatita avy tamin’i Kehata; ny Merarita avy tamin’i Merarỳ.
58
Toy izao ny fianakaviambe levita: ny Libnita sy ny Hebrônita, ny Mahalita sy ny Mosita ary ny Kôrahita. I Kehata no niteraka an’i Hamrama
59
izay nanambady an’i Jôkebeda zanakavavy naterak’i Levỳ tany Ejipta. Io Jôkebeda io no nanome zanaka telo an’i Hamrama dia i Aharôna sy i Mosesy mirahalahy ary i Miriama anabaviny.
60
I Aharôna dia niteraka an’i Nadaba sy i Abihò ary i Elehazara sy i Itamara.
61
Fa i Nadaba sy i Abihò dia maty, fony nandoro vovo-javamanitra tsy sahaza teo anatrehan’ny TOMPO.
62
Ny fitambaran’ny lehilahy levita rehetra nihoatra ny iray volana dia 23 000. Tsy niara-natao fanisana tamin’ny Israelita izy, satria tsy mba nomena zaratany teo anivon’ny Israelita.
63
Ireo no vokatry ny fanisàm-bahoaka nataon’i Mosesy sy i Elehazara mpisorona tamin’ny Israelita tao amin’ny lemak’i Môaba, amoron’i Jôrdàna tandrifin’i Jerikao.
64
Tamin’izy ireo dia tsy nahitana na iray aza tamin’izay efa voaisan’i Mosesy sy i Aharôna mpisorona tamin’ny fanisàm-bahoaka natao tamin’ny Israelita tany an-taniefitr’i Sinay,
65
satria ny TOMPO efa nilaza fa ho faty any an-taniefitra ireo. Koa tsy nisy niangana tamin’ireo, afa-tsy i Kaleba zanakalahin’i Jefone ary i Josoa zanakalahin’i Nona.
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 27 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36