bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Numbers 35
Numbers 35
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 34
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 36 →
1
Tao amin’ny lemak’i Môaba, teo amoron’i Jôrdàna tandrifin’i Jerikao ihany, no nitenenan’ny TOMPO tamin’i Mosesy mba hamepetra ny Israelita hoe:
2
–Aoka ianareo hanome tanàna eo amin’ny zara tany fanananareo avy ho an’ny Levita mba honenany. Homenareo azy koa ny tany manodidina hiandrasany ny bibiny.
3
Ny tanàna dia ho azy mba honenany, fa ny tany kosa ho an’ny biby fiompiny sy ny fitaovany ary ny bibiny hafa rehetra.
4
Koa ny tany manodidina ny tanàna izay homenareo ny Levita dia dimanjato metatra miala avy eo amin’ny rindrin’ny tanàna amin’ny lafiny efatra.
5
Handrefy faritra efamira ivelan’ny tanàna ianareo ka arivo metatra ny lafiny atsinanana, arivo metatra ny lafiny atsimo, arivo metatra ny lafiny andrefana ary arivo metatra ny lafiny avaratra; dia ho eo anivon’io faritra io ny tanàna. Izany no ho tanin’ny Levita manodidina ny tanàna.
6
Ny tanàna homenareo ny Levita dia ny tanàna enina fialokalofana, izay hataonareo fandosiran’izay nahafaty olona, ary tanàna hafa 42 ihany koa.
7
Ka ny fitambaran’ny tanàna rehetra izay homenareo ny Levita dia 48, miaraka amin’ny tany manodidina hiandrasany ny bibiny.
8
Ary momba ireo tanàna izay halainareo avy amin’ny tanin’ny Israelita, dia izay foko lehibe no hanalanareo maro kokoa, fa izay foko kely kosa dia hanalanareo vitsy kokoa; eny, samy hanome tanàna ho an’ny Levita araka ny zara tany azony avy ny foko tsirairay.
9
Niteny tamin’i Mosesy indray ny TOMPO
10
mba hamepetra ny Israelita hoe: –Rehefa tafita an’i Jôrdàna ka tafiditra amin’ny tany Kanahàna ianareo,
11
dia hifidy tanàna izay hataonareo tanàna fialokalofana, mba hialokalofan’izay nahafaty olona tsy nahy.
12
Ireo tanàna ireo no ho fialokalofana mba hahafahanareo mandositra ny mpamaly faty; ka tsy ho faty izay nahafaty olona alohan’ny hisehoany fitsarana eo anatrehan’ny fiangonana.
13
Hisy tanàna enina havahanareo ho fialokalofana,
14
ny telo etỳ an-dafy atsinanan’i Jôrdàna ary ny telo hafa ao amin’ny tany Kanahàna: ho tanàna fialokalofana ireo.
15
Ny olona rehetra, na Israelita izy na vahiny miara-monina amin’ny Israelita ka nahafaty olona tsy nahy, dia afaka mialokaloka amin’ireo tanàna enina ireo.
16
«Raha vy no namelezana ka nahafaty olona, dia mpandatsaka aina izay manao izany ka hatao maty.
17
Raha vato no namelezana ka nahafaty olona, dia mpandatsaka aina izay nanao izany ka hatao maty.
18
Raha hazo no namelezana ka nahafaty olona, dia mpandatsaka aina izay nanao izany ka hatao maty.
19
Ny mpamaly faty no hamono hahafaty ny mpandatsaka aina, raha vao mahita azy izy.
20
Raha fankahalana no nandonana olona na koa lolom-po no nitorahana azy ka nahafaty azy,
21
na filana ady no namelezana totohondry olona ka nahafaty azy, dia hatao maty ilay mpamely satria mpandatsaka aina; ny mpamaly faty no hamono hahafaty ny mpandatsaka aina, vantany vao tafahaona aminy.
22
«Kanefa mety tsy nahy na tsy filana ady no nandonana olona; mety tsy lolom-po no nitorahana zavatra azy;
23
mety misy sendra manjera vato ka nahafaty olona tsy nahy, saingy tsy fahavalon’io olona io izy sady tsy nitady handratra azy.
24
Amin’izay, dia hotsarain’ny fiangonana araka izany lalàna izany ny mpamely sy ny mpamaly faty.
25
Harovan’ny fiangonana amin’ny mpamaly faty ilay nahafaty olona, ka hateriny indray any amin’ny tanàna izay nialokalofany. «Hitoetra ao amin’io tanàna fialokalofany io ilay nahafaty olona tsy nahy mandra-pahafatin’ny mpisorombe izay voahosotra tamin’ny diloilo masina.
26
Fa raha mivoaka ho ao ivelan’ny tanàna fialokalofana kosa izy,
27
ka hitan’ny mpamaly faty, dia azon’io vonoina ho faty; ary tsy meloka ny mpamaly faty amin’izany,
28
satria ilay nahafaty olona tsy nahy dia tokony ho nitoetra tao amin’ny tanàna fialokalofany mandra-pahafatin’ny mpisorombe; fa rehefa maty kosa io, dia mahazo mody any amin’ny zara tany fananany ihany ilay nahafaty olona tsy nahy.
29
«Izany fomba fanao izany dia hampiharinareo hatrany, na aiza na aiza honenanareo.
30
«Raha misy namono nahafaty olona, dia tsy azo helohina ho faty izy raha tsy noho ny filàzan’ny vavolombelona maro. Tsy hisy fanamelohana ho faty noho ny filàzan’ny vavolombelona tokana.
31
Tsy handray kolikoly ianareo mba hanavotana ny ain’izay nahafaty olona ka meloka tokony ho faty; eny, hatao maty tokoa izy.
32
Tsy handray kolikoly koa ianareo mba hamelana azy handositra any amin’ny tanàna fialokalofana na hamelana azy hiverina any amin’ny taniny alohan’ny hahafatesan’ny mpisorombe.
33
«Aza mandoto ny tany onenanareo, fa ny famonoana olona dia fandotoana ny tany. Ary raha misy olona voalatsa-dra, ny tany dia tsy hadio raha tsy maty ny mpandatsa-dra.
34
Aza mandoto ny tany izay honenanareo sady honenako eo afovoanareo koa, fa Izaho no TOMPO Izay mitoetra eo anivon’ny Israelita.»
← Chapter 34
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 36 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36