bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Numbers 33
Numbers 33
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 32
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 34 →
1
Ireto avy ny lalana nalehan’ny Israelita rehefa niala tany Ejipta teo ambany fitarihan’i Mosesy sy i Aharôna izy.
2
Nomarihin’i Mosesy tsara ny toerana nasain’ny TOMPO nijanonany sy niaingany indray araka izao:
3
Niala teo Ramsesa ny Israelita tamin’ny volana voalohany, andro faha-19. Ny ampitson’ny andro Paska voalohany no niaingan’ny Israelita amin-kalalahana teo imason’ny Ejiptianina rehetra.
4
Mbola nandevina ny lahimatoany izay novonoin’ny TOMPO ho faty izy ireo: izany no nampiharan’ny TOMPO tamin’ny andriamaniny ny didy fanamelohana.
5
Niala teo Ramsesa ny Israelita, dia nitoby tao Sokôta;
6
Niala teo Sokôta, dia nitoby tao Etama manamorona ny taniefitra;
7
niala teo Etama, dia niverina tao Py-Hahirôta tandrifin’i Bahala-Tsefôna ka nitoby teo akaikin’i Migdôla;
8
niala teo Py-Hahirôta, dia namakivaky ny ranomasina mba hihazo ny taniefitra ary nandeha lalana telo andro tany an-taniefitra dia nitoby tao Marà.
9
Niala tao Marà ny Israelita, dia nankany Elimà izay nisy loharano 12 sy foto-drofia fitopolo, ka nitoby tao;
10
niala tao Elimà, dia nitoby teo akaikin’ny Ranomasin’ny Volotara;
11
niala teo amin’ny Ranomasin’ny Volotara, dia nitoby tao amin’ny taniefitra Sîna;
12
niala teo an-taniefitr’i Sîna, dia nitoby tao Dôfkà;
13
niala teo Dôfkà, dia nitoby tao Alosa;
14
niala teo Alosa, dia nitoby tao Refidima izay tsy nahitan’ny olona rano hosotroina.
15
Niala teo Refidima ny Israelita, dia nankany an-taniefitr’i Sinay;
16
niala teo an-taniefitr’i Sinay, dia nitoby tao Kibrôta-Hataavà;
17
niala teo Kibrôta-Hataavà, dia nitoby tao Hatserôta;
18
niala teo Hatserôta, dia nitoby tao Ritmà;
19
niala teo Ritmà, dia nitoby tao Rimôna-Peretsa;
20
niala teo Rimôna-Peretsa, dia nitoby tao Libnà;
21
niala teo Libnà, dia nitoby tao Risà.
22
niala teo Risà, dia nitoby tao Kehelatà;
23
niala teo Kehelatà, dia nitoby tao an-tendrombohitra Sefera;
24
niala teo an-tendrombohitra Sefera, dia nitoby tao Harada;
25
niala teo Harada, dia nitoby tao Makelôta;
26
niala teo Makelôta, dia nitoby tao Tahata;
27
niala teo Tahata, dia nitoby tao Terà;
28
niala teo Terà, dia nitoby tao Mitkà;
29
niala teo Mitkà, dia nitoby tao Hasmôna;
30
niala teo Hasmôna, dia nitoby tao Môserôta;
31
niala teo Môserôta, dia nitoby tao Bene-Jahakàna;
32
niala teo Bene-Jahakàna, dia nitoby tao Hôra-Gidgada;
33
niala teo Hôra-Gidgada, dia nitoby tao Jôtbatà;
34
niala teo Jôtbatà, dia nitoby tao Habrônà;
35
niala teo Habrônà, dia nitoby tao Hetsiôna-Gebera;
36
niala teo Hetsiôna-Gebera, dia nitoby tany an-taniefitr’i Tsina, izany hoe tao Kadesy;
37
ary niala teo Kadesy, dia nitoby tao an-tendrombohitra Hôra, akaikin’ny sisin-tanin’i Edôma.
38
Araka ny didin’ny TOMPO, dia niakatra teo an-tendrombohitra Hôra i Aharôna mpisorona. Feno 123 taona izy no maty teo, tamin’ny andro voalohan’ny volana fahadimy, efapolo taona taorian’ny nialan’ny Israelita tany Ejipta.
40
Tamin’izany no nandrenesan’ny mpanjakan’i Harada, ilay Kanahanita izay nonina tany atsimon’i Kanahàna, fa tonga ny Israelita.
41
Niala teo an-tendrombohitra Hôra ny Israelita, dia nankany Tsalmônà;
42
niala teo Tsalmônà, dia nitoby tao Ponôna;
43
niala teo Ponôna; dia nitoby tao Ôbôta;
44
niala teo Ôbôta, dia nitoby tao Hije-Habarîma tao amin’ny faritanin’i Môaba;
45
niala teo Hije-Habarîma, dia nitoby tao Dibôna-Gada;
46
niala teo Dibôna-Gada, dia nitoby tao Halmôna-Diblataîma;
47
niala teo Halmôna-Diblataîma, dia nitoby tao an-tendrombohitra Habarîma tandrifin’i Nebao;
48
niala teo an-tendrombohitra Habarîma, dia nitoby tao amin’ny lemak’i Môaba, teo amoron’i Jôrdàna tandrifin’i Jerikao.
49
Teo amoron’i Jôrdàna, tanelanelan’i Bety-Jesimôta sy Abela-Sitima tao amin’ny lemak’i Môaba, no nitobian’ny Israelita.
50
Tao amin’ny lemak’i Môaba, teo amoron’i Jôrdàna tandrifin’i Jerikao, no nitenenan’ny TOMPO tamin’i Mosesy
51
mba hamepetra ny Israelita hoe: –Rehefa tafita an’i Jôrdàna ianareo ka tonga any amin’ny tany Kanahàna,
52
dia horoahinareo avokoa ny mponina rehetra eo amin’ny tany, hopotehinareo ny sary vato sy sary metaly rehetra mampiseho ny andriamaniny, ary horaranareo avokoa ny toeram-pivavahany.
53
Halainareo ny tany ka honenanareo, fa ianareo no nomeko azy ho lovanareo.
54
Antsapaka no hizarànareo ny tany araka ny tarikareo avy; izay maro an’isa no homenareo zara tany bebe kokoa, ary izay vitsy kosa dia homenareo zara tany kelikely kokoa. Antsapaka ihany no hamaritana ny toerana hisy ny anjaran’ny tarika tsirairay; ary araka ny fokon-drainareo avy no hahazoanareo zara tany.
55
Fa raha tsy roahinareo ny mponina rehetra amin’ny tany ao, dia ho lay amin’ny masonareo sy ho tsilo amin’ny tehezanareo izay olona sisa tavela ka hampijaly anareo eo amin’ny tany honenanareo.
56
Ary dia hataoko aminareo izay efa nokasaiko hatao aminy.
← Chapter 32
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 34 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36