bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Numbers 8
Numbers 8
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 9 →
1
Dia niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO
2
mba hanafatrafatra an’i Aharôna hoe: –Rehefa mandrehitra ny jiro fito ianao, dia ataovy izay hanazavany ny manoloana ny fitoeran-jiro.
3
Dia nataon’i Aharôna izany ka napetrany ny jiro fito mba hahazava ny manoloana ny fitoeran-jiro, araka ny nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.
4
Ny fitoeran-jiro dia volamena voatefy hatramin’ny faladiany ka hatramin’ny voniny. Araka izay endrika efa nasehon’ny TOMPO an’i Mosesy no nanaovana ny fitoeran-jiro.
5
Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy:
6
«Avaho amin’ny Israelita hafa ny Levita, dia diovy izy.
7
Izao no hataonao hanadiovana azy: fafazo rano fanadiovana izy, asaovy haratany ny tenany iray manontolo ary aoka hosasany ny fitafiany, dia hadio izy.
8
Asaovy maka vantotr’ombilahy iray mbamin’ny fanatitra momba azy izy, dia lafarinina voatoto tsara sy voaharo menaka; ary haka vantotr’ombilahy iray kosa ianao ho sorona fanalana ny ota.
9
Vorio ny fiangonan’ny Israelita rehetra, dia hasainao mankeo anoloan’ny Tranolay fihaonana ny Levita.
10
Ento eo anatrehako TOMPO ireo Levita, ary hametra-tanana aminy kosa ny Israelita.
11
Hanolotra ny Levita eo anatrehako i Aharôna ho toy ny fanatitra ahevaheva, mba hanao ny asa fanompoana AHY.
12
Dia hametra-tanana amin’ny lohan’ny vantotr’ombilahy roa ny Levita, ka ny iray hataonao sorona fanalana ny ota ary ny iray ho sorona dorana manontolo ho Ahy TOMPO, alohan’ny hanaovana amin’ny Levita ny fombam-pivavahana famelan-keloka.
13
Ajoroy eo anatrehan’i Aharôna sy ny zanany ny Levita, ka ataovy toy ny fanatitra ahevaheva atolotra AHY.
14
Dia toy izany no hanavahanao amin’ny Israelita hafa ny Levita mba ho Ahy.
15
Rehefa afaka izany, dia hiroso ny asa fanompoana ao amin’ny Tranolay fihaonana ny Levita. «Hodiovina sy hataonao ho toy ny fanatitra ahevaheva voatolotra ho Ahy àry ny Levita,
16
satria efa nomena Ahy avy tamin’ny Israelita mihitsy izy ireo mba ho solon’ny lahy voalohan-teraka rehetra, dia ny lahimatoa rehetra eo amin’ny Israelita.
17
Eny, Ahy ny voalohan-teraka rehetra eo amin’ny Israelita, na olona izany na biby; tamin’ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany Ejipta no nanokanako ny lahimatoa israelita ho Ahy.
18
Fa ny Levita kosa no nalaiko ho solon’ny lahimatoa rehetra amin’ny Israelita.
19
Ary natolotro an’i Aharôna sy ny zanany ny Levita hisolo ny Israelita mba hanao ny fanompoana ao amin’ny Tranolay fihaonana sy hanao ny fombam-pivavahana famelan-keloka azy ireo; dia tsy hisy loza hanjo ny Israelita intsony raha manakaiky ny Toeramasina izy ireo.»
20
Dia notanterahin’i Mosesy sy i Aharôna mbamin’ny Fiangonan’ny Israelita rehetra tamin’ny Levita izany; dia araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy ny amin’ny Levita no nataon’ny Israelita taminy.
21
Nandio ny tenany ary nanasa ny fitafiany ny Levita ka naterin’i Aharôna ho toy ny fanatitra ahevaheva atolotra ny TOMPO izy ireo sady nanaovany ny fombam-pivavahana famelan-keloka mba hanadiovany azy ireo.
22
Rehefa izany vao afaka nandeha nanao ny asa fanompoany tao amin’ny Tranolay fihaonana teo anatrehan’i Aharôna sy ny zanany ny Levita. Araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy momba ny Levita no natao taminy.
23
Dia niteny tamin’i Mosesy indray ny TOMPO ka nanao hoe:
24
–Izao no fepetra mikasika ny Levita: Feno 25 taona izy vao manomboka mirotsaka amin’ny asam-panompoana ao amin’ny Tranolay fihaonana.
25
Fa rehefa feno dimampolo taona kosa dia handao ny asa ka tsy hanao fanompoana intsony.
26
Kanefa afaka hanampy ny mpiray foko aminy izy hiambina ny Tranolay fihaonana, na dia tsy hanana asa manokana aza. Izany no hataonao amin’ny Levita momba ny fanompoany.
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 9 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36