bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Numbers 4
Numbers 4
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 5 →
1
Niteny tamin’i Mosesy sy i Aharôna ny TOMPO ka nanao hoe:
2
Eo amin’ny samy Levita, dia ataovy lisitra isan-tarika sy isam-pianakaviana ny taranak’i Kehàta, feno telopolo taona ka hatramin’ny dimampolo taona, izany hoe ireo rehetra tokony hirotsaka hanao ny asam-panompoana ao amin’ny Tranolay fihaonana.
4
Ny miandraikitra ireo fanaka masina indrindra no asan’ny taranak’i Kehàta ao amin’ny Tranolay fihaonana.
5
Rehefa hiainga ny Israelita dia ho avy i Aharôna sy ny zanany hanala ny lamba mampisaraka amin’ny Toeramasina ka handrakofany ny Vatamasina misy ny Didy folo;
6
hasiany lamba hoditra manify eo ambonin’izany, dia hamelarany lamba volomparasy indray eo ambonin’io, vao hapetrany ny bao filanjana azy.
7
Hamelatra lamba volomparasy eo amin’ny latabatry ny mofo aseho izy ka hametraka ny lovia, ny kaopy, ny tsatokaty ary ny zinga fampidinan-divay; hapetrany eo koa ny mofo izay haseho lalandava eo anatrehako.
8
Eo ambonin’izany rehetra izany no hamelarany lamba jaky izay horakofany lamba hoditra manify; izay vao hapetrany ny bao filanjana ny latabatra.
9
Haka lamba volomparasy izy handrakofany ny fitoeran-jiro mbamin’ny jiro sy ny kojakojany rehetra: dia ny hetin-jiro sy ny fitoeran-davenona ary ny tavoaran-diloilo.
10
Hataony ao anaty saronan-koditra mafy izany ka hapetrany amin’ny filanjana azy.
11
Hamelatra lamba volomparasy eo amin’ny alitara volamena izy, ka handrakotra izany amin’ny lamba hoditra mafy, ary izay vao hapetrany ny bao.
12
Haka ny fanaka litorjika rehetra fampiasa amin’ny fanompoam-pivavahana ao amin’ny Toeramasina izy, ka hofonosiny lamba volomparasy sady horakofany lamba hoditra mafy, ary dia hapetrany amin’ny filanjana azy.
13
Hoesoriny ny lavenona eo amin’ny alitara ka hamelarany lamba volomparasy eo.
14
Hapetrany eo amboniny avokoa ny fanaka rehetra ilaina amin’ny fanaovan- tsorona, dia ny fitondrana afo, ny fitrebika, ny sotron’afo, ny zinga famafazana ary ny kojakoja rehetra momba ny alitara. Hovelarana ny lamba mafy eo ambonin’izany, ary hapetrany ny bao.
15
Rehefa hifindra toby ny Israelita dia ho vitan’i Aharôna sy ny zanany ny famonosana ny Toeramasina sy ny fanaka rehetra momba ny Toeramasina, dia ho avy amin’izay ny taranak’i Kehàta hitondra azy. Tsy hikasika ny fitaovana masina mivantana izy sao maty. Izany no anjara entan’ny taranak’i Kehàta ny amin’ny Tranolay fihaonana.
16
I Elehazara zanakalahin’i Aharôna mpisorona no miandraikitra ny diloilon-jiro, ny ditin-kazo manitra, ny fanatitra hohanina fanao isan’andro ary ny diloilo fanosorana; miandraikitra ny Fonena-masina manontolo sy ny ao anatiny rehetra izy, na ny fitaovana masina izany na ny kojakoja rehetra momba azy.
17
Hoy indray ny TOMPO tamin’i Mosesy sy i Aharôna:
18
–Tandremo izay tsy hahafongotra ny tariky ny Kehatita tsy ho isan’ny Levita.
19
Izao no hataonareo aminy mba hahavelona fa tsy hahafaty azy raha manakaiky izay fitaovana masina indrindra izy: i Aharôna sy ny zanany ihany no hametraka azy ireo amin’ny andraikiny sy amin’izay tokony hoentiny avy.
20
Koa tsy ho avy hijery ny fitaovana masina na dia kely akory aza izy ireo sao maty.
21
Niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO ka nanao hoe:
22
«Ataovy lisitra isam-pianakaviana sy isan-tarika koa ny taranak’i Gersôna.
23
Hisainao ny lehilahy rehetra feno telopolo taona ka hatramin’ny dimampolo taona, dia ireo rehetra tokony hirotsaka hanao ny asam-panompoana ao amin’ny Tranolay fihaonana.
24
Izao no asa hampiandraiketina ny tariky ny Gersônita:
25
hitondra ny lamba mandrakotra ny Fonena-masina ny Tranolay fihaonana, ny rakotra lambam-baravarana fidirana eo amin’ny Tranolay fihaonana,
26
ny fefilamban’ny kianja sy ny lambam-baravaran’ny vavahadin’ny kianja izay manodidina ny Fonena-masina sy ny alitara, ny tady mamaritra ny kianja ary ny kojakoja rehetra ho an’ny fanompoany, dia izay rehetra nomena azy hiasany.
27
Araka ny baikon’i Aharôna sy ny zanany no hanaovan’ny Gersônita ny asa fanompoany, na momba ny fitondrana ireo entana izany, na momba ny fanatanterahana ny asa. Izy telo mianaka no hiteny aminy izay tokony hataony sy izay tokony hoentiny.
28
Izany no fanompoana nampiandraketina ny tariky ny Gersônita tao amin’ny Tranolay fihaonana. I Itamara zanakalahin’i Aharôna mpisorona no hanara-maso azy amin’izany.
29
«Ataovy koa ny fanisana ny taranak’i Merarỳ, isan-tarika sy isam-pianakaviana.
30
Hisainao ny lehilahy feno telopolo taona ka hatramin’ny dimampolo taona, izany hoe ireo rehetra tokony hirotsaka hanao ny asam-panompoana ao amin’ny Tranolay fihaonana.
31
Izao no asa hampiandraiketina azy: dia ny hitondra ireo hazo fisaky ny Fonena-masina, ny barany, ny andriny, ny faladiany,
32
ny andrin’ny fefin’ny kianja mbamin’ny faladiany, ny tsatòka sy ny tady ary ny kojakoja rehetra ho an’ny fanompoany. Atao lisitra ny anaran’ireo zavatra izay hoentin’ny tsirairay avy.
33
Izany no fanompoana nampiandraketina ny tariky ny Merarita tao amin’ny Tranolay fihaonana. I Itamara, zanakalahin’i Aharôna mpisorona, no hanara-maso azy amin’izany.»
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36