bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Numbers 17
Numbers 17
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 18 →
1
Dia niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO ka nanao hoe:
2
–Lazao i Elehazara mpisorona zanakalahin’i Aharôna mba hanala ny fitaovana fandoroana zava-manitra ao anaty forohona sy hanely lavitra ny vainafo satria zava-masina ireny fitaovana ireny.
3
Ny fitaovam-panembohan’ireo olona matin’ny fahotany ireo dia hatao takelaka manify handrakofana ny alitara, fa efa naterina teo anatrehako TOMPO ireny ka masina; ary dia ho marika fampitandremana ho an’ny Israelita izany.
4
Nalain’i Elehazara mpisorona ny fitaovam-panembohana halimo izay an’ireo olona nodorana velona ireo, ka nofisahiny ho takelaka handrakofana ny alitara.
5
Izany dia fahatsiarovana ho an’ny Israelita mba tsy ho olon-kafa ankoatra ny taranak’i Aharôna no hanatona handoro ny vovo-javamanitra eo anatrehan’ny TOMPO; izay sahy hanao izany dia hiharan’ny nanjo an’i Kôra sy ny namany, araka izay nambaran’ny TOMPO tamin’i Aharôna tamin’ny alalan’i Mosesy.
6
Nony maraina dia nanakiana an’i Mosesy sy i Aharôna ny fiangonana israelita manontolo ka nanao hoe: –Ianareo no nahafaty ny vahoakan’ny TOMPO.
7
Nitangorona nanakiana an’i Mosesy sy i Aharôna ny fiangonana, fa izy roa lahy kosa nitodika nijery tany amin’ny Tranolay fihaonana, ka indro hitany nanarona azy ny rahona izay nisehoan’ny voninahitry ny TOMPO.
8
Dia nankeo anoloan’ny Tranolay fihaonana i Mosesy sy i Aharôna.
9
Ary niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO ka nanao hoe:
10
–Mialà ianareo amin’io fiangonana io fa handringana azy indray mipi-maso Aho. Dia niankohoka tamin’ny tany izy roa lahy,
11
ary hoy i Mosesy tamin’i Aharôna: –Raiso ny fitaovam-panembohana, dia asio vainafo avy amin’ny alitara sy vovo-javamanitra ary mankanesa haingana eo amin’ny fiangonana ka manaova ny fombam-pivavahana hahazoany famelan-keloka. Fa efa nisafoaka ny fahatezeran’ny TOMPO ary efa miantomboka ny areti-mandringana.
12
Noraisin’i Aharôna araka ny tenin’i Mosesy ny fitaovana fandoroana zava-manitra, dia nilomay nankeo afovoan’ny fiangonana izy; ary indro fa efa niantomboka tamin’ny vahoaka ny loza. Nandoro vovo-javamanitra teo izy ka nanao ny fombam-pivavahana hahazoam-pamelan-keloka ho an’ny vahoaka.
13
Nijoro teo anelanelan’ny maty sy ny velona izy, dia nitsahatra ny loza mandringana.
14
Kanefa 14 700 no niharan-doza, afa-tsy ireo efa maty tamin’ny raharahan’i Kôra.
15
Dia niverina teo amin’i Mosesy teo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana i Aharôna, nony efa nitsahatra ny loza.
16
Niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO ka nanao hoe:
17
–Lazao ny Israelita mba hanolotra tehina iray ho anao isam-pokony avy, izany hoe hahazo tehina roambinifolo avy amin’ny filohan’ny foko rehetra ianao. Hosoratanao eo amin’ny tehiny avy ny anarany,
18
afa-tsy ny an’ny fokon’i Levỳ izay hametrahanao ny anaran’i Aharôna, satria tehina iray ihany isaky ny filoham-poko.
19
Hapetrakao ao amin’ny Tranolay fihaonana ireo tehina ireo, eo anoloan’ny Vatamasina itahirizana ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana, dia ilay toerana ihaonako aminareo.
20
Hitsimoka ny tehin’ilay lehilahy hofidiko, koa dia hampanginiko ny fanakianan’ny Israelita anareo eo anatrehako.
21
Niteny tamin’ny Israelita i Mosesy, dia samy nanatitra tehina iray avy isam-poko ny filoha rehetra; koa dia nahazo tehina roambinifolo izy, ary ny tehin’i Aharôna dia teo afovoan’ny tehin’izy ireo.
22
Napetrak’i Mosesy teo anatrehan’ny TOMPO tao amin’ny Tranolay nisy ny Vatamasina ireo tehina.
23
Ny ampitso dia niditra tao amin’ny Tranolay i Mosesy, ka nahita fa ny tehin’i Aharôna izay anisan’ny fokon’i Levỳ dia nitsimoka sy namony ary namoa voankazo masaka.
24
Nalain’i Mosesy teo anatrehan’ny TOMPO avokoa ny tehina ka nasehony tamin’ny Israelita rehetra. Nahita izany izy ireo ka samy naka ny tehiny avy.
25
Dia hoy indray ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Avereno eo anoloan’ny Vatamasina ny tehin’i Aharôna; hotahirizina eo izany mba hampahatsiaro ny Israelita fa vahoaka mpiodina izy. Izany no hampitsaharanao ny fanakianany Ahy, dia tsy ho faty izy.
26
Dia notanterahin’i Mosesy araka izay nandidian’ny TOMPO hataony izany.
27
Niteny tamin’i Mosesy ny Israelita ka nanao hoe: –Indro fa ho faty izahay, ho ringana izahay; eny, ho ringana avokoa izahay rehetra.
28
Na zovy na zovy manakaiky ny Fonena-masin’ny TOMPO dia tsy maintsy maty! Koa ho faty tsy misy miangana avokoa va izahay rehetra?
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 18 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36