bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Numbers 36
Numbers 36
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 35
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
1
Nisy nanatona an’i Mosesy sy ny filohan’ny foko israelita ireo taranak’i Jôsefa, dia ny loham-pianakaviana avy amin’ny tarik’i Gilehada zanakalahin’i Makira sady zafikelin’i Manase,
2
ka nanao hoe: –Efa nodidian’ny TOMPO hizara antsapaka ny tany ho an’ny Israelita ianao, ry Mosesy, ary efa nodidiany ihany koa hanome ny zara tanin’i Tselôfehada rahalahinay ho an’ny zanakavaviny.
3
Raha manambady lehilahy avy amin’ny foko israelita hafa ireo vehivavy ireo, dia hoesorina amin’ny zara tanin-drazanay ny zara taniny ka hanampy ny anjaran’ny foko izay hidirany izany, ary dia hampihena ny anjara izay azonay tamin’ny antsapaka.
4
Rehefa tonga manko ny taon-jôbily ho an’ny Israelita, ny zara tanin’ireo zanakavavin’i Tselôfehada dia hanampy ny an’ny foko izay hidirany, ary hoesorina tanteraka amin’ny zara tany azon’ny razanay.
5
Dia nanome izao didy izao araka ny tenin’ny TOMPO i Mosesy ka nanao hoe: –Marina ny an’ireto taranak’i Jôsefa ireto.
6
Izao no teny izay nandidian’ny TOMPO momba ny zanakavavin’i Tselôfehada: aoka izy hanambady izay tiany, nefa lehilahy ao amin’ny tarika nisy an-drainy ihany no hovadîny.
7
Amin’izay dia tsy hisy zara tany hifindra foko eo amin’ny Israelita, fa samy ho eo amin’ny zara tany azon’ny fokon-drainy avy no hifikiran’ny Israelita.
8
Ny tovovavy rehetra, izay handova eo amin’ny foko israelita anankiray, dia hanambady lehilahy ao amin’ny tarika nisy an-drainy ihany. Izay no hitazonan’ny Israelita tsirairay avy ny zara tany azon’ny razany;
9
ary tsy hisy zara tany hifindra foko, fa samy ho eo amin’ny zara taniny avy no hifikiran’ny foko israelita.
10
Dia nataon’ny zanakavavin’i Tselôfehada araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy izany,
11
ka i Mahelà sy i Tiritsà, i Hôglà sy i Milkà ary i Nôhà dia samy nanambady ny zanakalahin-drahalahin-drainy avy;
12
izany hoe lehilahy taranak’i Manase, zanakalahin’i Jôsefa, ihany no fanambadian’ireo; ka tafajanona tamin’ny fokon-drainy ihany ny zara tany izay nolovany.
13
Ireo no didy amam-pitsipika nomen’ny TOMPO ny Israelita tamin’ny alalan’i Mosesy tao amin’ny lemak’i Môaba, teo amoron’i Jôrdàna tandrifin’i Jerikao.
← Chapter 35
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36