bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Numbers 22
Numbers 22
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 23 →
1
Niainga indray ny Israelita ka nitoby tao amin’ny lemak’i Môaba, teo an-dafy atsinanan’i Jôrdàna tandrifin’i Jerikao.
2
I Balàka, zanakalahin’i Tsipôra, no mpanjakan’i Môaba tamin’izay fotoana izay. Fantany tsara izay rehetra nataon’ny Israelita tamin’ny Amôrita; ka raiki-tahotra mafy izy sy ny Môabita sady nangorohoro nahita ny Israelita izay vahoaka marobe. Dia hoy ity mpanjaka tamin’ny loholon’ny Midîanîta: –Ankehitriny ireto vahoaka marobe ireto dia hanimba ny faritra rehetra manodidina antsika, toy ny firaokan’ny omby ny ahitra eny an-tsaha!
5
Dia naniraka olona i Balàka hankany amin’i Balahama zanakalahin’i Behôra any Petôra amoron’ny ony Eofrata, any amin’ny tanin’ny Hamavita; ka izao no teny nampitondrainy ho an’i Balahama: «Misy vahoaka niala tany Ejipta tonga eto amiko, ary mandrakotra ny taniko sady mitoby eto anatrehako.
6
Koa mba tongava atỳ re ianao hanozona io vahoaka io, fa mahery noho izaho izy; angamba haharesy azy aho amin’izay ka haharoaka azy hiala amin’ny tany. Satria fantatro fa izay tsofinao rano dia voatsodrano ary izay ozoninao dia voaozona.»
7
Dia lasa ireo loholona môabita sy midianita nitondra izay hanakaramana ilay mpanao fankatoavana. Rehefa tonga tany amin’i Balahama ireo, dia nilaza ny tenin’i Balàka.
8
Ary hoy i Balahama tamin’ny iraka: –Mandria eto anio alina ianareo fa homeko valin-teny araka izay holazain’ny TOMPO amiko. Dia nijanona tao amin’i Balahama ireo olo-manan-kajan’i Môaba.
9
Ary nankao amin’i Balahama kosa Andriamanitra ka nanontany azy hoe: –Iza moa ireo lehilahy tonga ato aminao ireo?
10
Dia hoy i Balahama tamin’Andriamanitra: –I Balàka zanakalahin’i Tsipôra sy mpanjakan’i Môaba no naniraka olona hiteny amiko hoe:
11
«Ilay vahoaka izay niala tany Ejipta dia mandrakotra ny taniko. Koa mba tongava atỳ re ianao, hanozona azy; angamba haharesy azy aho amin’izay ka haharoaka azy.»
12
Ary hoy i Andriamanitra tamin’i Balahama: –Tsy handeha hiaraka aminy ianao ary tsy hanozona koa io vahoaka izay efa notahîko io.
13
Ny ampitso maraina, rehefa nifoha i Balahama, dia niteny tamin’ireo olo-manan-kaja nirahin’i Balàka hoe: –Miverena any amin’ny taninareo, fa tsy navelan’ny TOMPO hiaraka aminareo aho.
14
Dia lasa ireo olo-manan-kajan’i Môaba niverina tany amin’i Balàka, ka nilaza taminy hoe: «Tsy nety niaraka taminay i Balahama.»
15
Nefa mbola nandefa olo-manan-kaja hafa maro kokoa sady malaza noho ny teo aloha i Balàka.
16
Rehefa tonga tany amin’i Balahama ireo, dia nanao taminy hoe: –Izao no lazain’i Balàka, zanakalahin’i Tsipôra: «Aoka re mba tsy holavinao ny hankanesanao atỳ amiko e!
17
Fa hitafotafo mihitsy ny voninahitra izay homeko anao, ary hataoko avokoa izay holazainao amiko rehetra. Koa mba tongava atỳ re ianao hanozona io vahoaka io.»
18
Fa hoy i Balahama namaly ireo mpanompon’i Balàka: –Na dia homen’i Balàka volafotsy sy volamena mahafeno ny tranony aza aho, dia tsy afaka hanao zavatra na kely na lehibe izay mifanohitra amin’ny tenin’ny TOMPO Andriamanitro.
19
Nefa mijanòna ihany atỳ anio alina, hahafantarako sao mbola misy holazain’ny Tompo amiko.
20
Tamin’ny alina, dia nankao amin’i Balahama Andriamanitra ka nanao taminy hoe: –Raha haka anao no nahatongavan’ireo olona ireo, dia mandehana miaraka aminy; kanefa izay holazaiko aminao ihany no hataonao.
21
Ny ampitso maraina dia nanisy lasely ny borikivaviny i Balahama ka niainga niaraka tamin’ireo olo-manan-kajan’i Môaba.
22
Tezitra mafy tamin’i Balahama Andriamanitra raha nahita azy nandeha ihany; ary nijanona teo an-dalana hisakana azy ny anjeli n’ny TOMPO raha iny izy nizotra nitaingina ny borikiny sady narahin’ny mpanompony roa lahy iny.
23
Hitan’ny boriky ilay anjelin’ny TOMPO nijanona teo amin’ny lalana sady nitana sabatra; dia nivily lalana ny boriky ka namantana tany amin’ny saha. Nokapohin’i Balahama ilay boriky mba hiverina amin’ny lalana.
24
Ary ilay anjelin’ny TOMPO nijanona indray teo amin’ny lempona iray teo anelanelan’ny tanimboaloboka voafefy andaniny roa.
25
Nony nahita ilay anjelin’ny TOMPO ity boriky dia nitampify teo amin’ny rindrina ka nanery ny tongotr’i Balahama teo. Dia nikapoka azy indray izy.
26
Mbola nihoatra azy ireo fanindroany ilay anjelin’ny TOMPO ka nijanona teo amin’ny lalan-tery tsy ahafahana mivily na miankavanana na miankavia.
27
Nony nahita ilay anjelin’ny TOMPO ity boriky, dia nandry teo ambanin’i Balahama. Vinitra aok’izany i Balahama ka nikapoka ny boriky tamin’ny tehina.
28
Dia nampitenenin’ny TOMPO ilay boriky ka nilaza tamin’i Balahama hoe: –Fa inona loatra no nataoko taminao no dia nokapohinao intelo aho?
29
Ka hoy ny navalin’i Balahama azy: –Satria namazivazy ahy ianao; fa raha nisy sabatra tetỳ amiko, dia efa novonoiko ho faty teo no ho eo ihany ianao!
30
Ary hoy ilay boriky tamin’i Balahama: –Boriky fitainginao hatramin’izay nanananao ahy aho, ka mba fanaoko ve ny manao toy izao aminao? Dia hoy izy hoe: –Tsy fanaonao izany!
31
Tamin’izay dia nosokafan’ny TOMPO ny mason’i Balahama hahita ilay anjelin’ny TOMPO izay nijanona teo amin’ny lalana sady mitana sabatra. Dia niondrika i Balahama ka niankohoka tamin’ny tany.
32
Fa hoy ilay anjelin’ny TOMPO taminy: –Nahoana no nokapohinao intelo ny borikinao? Tonga aho hisakan-dalana anao, satria heveriko fa mankamin’ny fahaverezana ny dianao.
33
Nahita ahy ny boriky ka intelo nivily ahy. Fa raha toa ka tsy nivily ahy izy, dia ianao no ho novonoiko ho faty teo no ho eo, fa izy kosa notsimbiniko ny ainy.
34
Dia hoy i Balahama tamin’ilay anjelin’ny TOMPO: –Nanota aho satria tsy nahafantatra fa ianao no nisakan-dalana ahy. Koa ankehitriny raha tsy tianao ny hankanesako any, dia hiverina hody aho.
35
Fa hoy ny navalin’ilay anjelin’ny TOMPO azy: –Tsia! Mandehana ihany miaraka amin’ireo olona ireo, saingy izay teny asaiko lazainao ihany no holazainao. Dia nanohy ny diany niaraka tamin’ireo irak’i Balàka i Balahama.
36
Rehefa ren’i Balàka fa tamy i Balahama, dia lasa izy nitsena azy tany Hiry-Môaba izay tanàna teo amin’ny sisin-tany voafaritr’i Arnôna.
37
Ary hoy i Balàka taminy: –Nahoana no tsy tonga ianao tamin’ireo iraka voalohany izay nalefako? Sao dia heverinao tsy ho haiko ny hanome voninahitra anao!
38
Dia hoy i Balahàma tamin’i Balàka: –Indro aho efa tonga eto aminao ankehitriny. Nefa inona moa no azoko lazaina aminao afa-tsy izay teny hataon’Andriamanitra ao am-bavako ihany?
39
Dia lasa niaraka tamin’i Balàka nankany Kiriata-Hotsôta i Balahama.
40
Namono omby aman’ondry hatao sorona i Balàka, ka nampanaterany ho an’i Balahama sy ireo olo-manan-kaja niaraka taminy.
41
Nony maraina dia nalain’i Balàka i Balahama ka nentiny niakatra ho ao Bamôta-Bahala izay nahatazanana ampahan’ny vahoaka israelita.
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 23 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36