bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Numbers 34
Numbers 34
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 33
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 35 →
1
Niteny tamin’i Mosesy koa ny TOMPO
2
mba hamepetra ny Israelita hoe: –Rehefa tafiditra any amin’ny tany Kanahàna ianareo, dia izao no tany izay ho anjara lovanareo araka ireto sisin-tany ireto:
3
«Any atsimo, ny taninareo dia voafaritry ny taniefitra Tsina sy ny tanin’i Edôma. Izany dia manomboka avy eo atsinanana ao amin’ny tendrony atsimon’ny Ranomasina Maty;
4
avy eo dia miolaka eo atsimon’ny fiakaran’i Akrabima, dia mandalo an’i Tsina, dia mahazo ny atsimon’i Kadesy-Barnea sy mipaka any Hatsara, ary mitohy hatrany Hatsemôna;
5
avy eo Hatsemôna, dia miolaka any amin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta ary miafara amin’ny Ranomasina Mediteranea.
6
«Any andrefana dia ny Ranomasina Mediteranea no mamaritra ny taninareo.
7
«Any avaratra dia hofaritanareo ny sisin-tany manomboka amin’ny Ranomasina Mediteranea ka hatrany amin’ny tendrombohitra Hôra.
8
Avy eo an-tendrombohitra Hôra, dia ny lalana mankany Lebô-Hamata no hamaritanareo azy, ary hipaka any Tsedada.
9
Dia hitohy hatrany Zifrôna izany ka hiafara any Hatsara-Heinàna. Izany no sisin-taninareo any avaratra.
10
«Any atsinanana dia hofaritanareo ny sisin-tany manomboka eo Hatsara-Heinàna ka hatrany Sefama.
11
Avy eo dia mahazo an’i Riblà atsinanan’i Haîna, dia midina mipaka amin’ny sisiny atsinanan’ny farihin’i Kinereta,
12
ka hitsontsorika hatrany Jôrdàna ary hiafara any amin’ny Ranomasina Maty. «Izany no taninareo araka ny sisin-tany manodidina azy.»
13
Dia namepetra ny Israelita i Mosesy ka nanao hoe: –Izany no tany izay nandidian’ny TOMPO fa hozarainareo antsapaka ho an’ny foko sivy sy sasany.
14
Fa ny foko robenita sy ny foko gadita ary koa ny antsasaky ny fokon’i Manase dia efa samy nahazo ny zara taniny,
15
dia atỳ an-dafy atsinanan’i Jôrdàna tandrifin’i Jerikao manatrika ny fiposahan’ny masoandro.
16
Dia niteny tamin’i Mosesy indray ny TOMPO ka nanao hoe:
17
–I Elehazara mpisorona sy i Josoa zanakalahin’i Nona no hisahana ny fizaràna ny tany.
18
Hisy tompon’andraikitra iray avy isam-poko hotendrenareo hanampy azy amin’izany.
19
Izao avy ny anaran’izy ireo: ho an’ny fokon’i Joda dia i Kaleba zanakalahin’i Jefone;
20
ho an’ny fokon’i Simehôna, dia i Semoela zanakalahin’i Hamihoda;
21
ho an’ny fokon’i Benjamîna, dia i Elidada zanakalahin’i Kislôna;
22
ho an’ny fokon’i Dana, dia i Bokỳ zanakalahin’i Jôglỳ;
23
ho an’ny fokon’i Manase zanak’i Jôsefa, dia i Haniela zanakalahin’i Efôda;
24
ho an’ny fokon’i Efraîma zanak’i Jôsefa, dia i Kemoela zanakalahin’i Siftana;
25
ho an’ny fokon’i Zebolòna, dia i Elitsafàna zanakalahin’i Parnàla;
26
ho an’ny fokon’i Jisakara, dia i Paltiela zanakalahin’i Hazàna;
27
ho an’ny fokon’i Asera, dia i Ahihoda zanakalahin’i Selômy;
28
ho an’ny fokon’i Naftalỳ, dia i Pedahela zanakalahin’i Hamihoda.
29
Ireo no olona nodidian’ny TOMPO hisahana ny fizaràna ny tany Kanahàna ho an’ny Israelita.
← Chapter 33
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 35 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36