bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Chronicles 1
2 Chronicles 1
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 2 →
1
I Solomona, zanak’i Davida, dia nitombo hery tamin’ny fanjakany, ary NY TOMPO Andriamaniny nomba azy ka nanandratra azy ho ambony indrindra.
2
Ary niteny tamin’ny Israely rehetra i Solomona, dia ny mpifehy arivo, ny mpifehy zato, ny mpitsara ary ny lohan’ny foko rehetra tamin’ny Israely, dia ny lohan’ny fianakaviana,
3
koa niara-niakatra ho any amin’ny toerana fanaovana sorona tao Gibeona i Solomona sy ny fiangonana manontolo; fa tao ny tranolay fihaonana izay an’Andriamanitra, ilay nataon’i Mosesy, mpanompon’NY TOMPO, tany an-tany efitra.
4
Fa ny vata misy ny faneken’Andriamanitra dia efa nampiakarin’i Davida avy tany Kiriata-Jearima ho ao amin’izay efa namboariny ho azy; satria efa nanorina tranolay ho azy tany Jerosalema izy.
5
Ary ny alitara varahina izay nataon’i Bezalila, zanak’i Ory, zanak’i Hora, dia teo anoloan’ny tabernakelin’NY TOMPO. Nitady Azy i Solomona sy ny fiangonana.
6
Nanolotra fanatitra teo anatrehan’NY TOMPO teo amin’ny alitara varahina, izay momba ny tranolay fihaonana, i Solomona; fanatitra dorana manontolo arivo no nateriny teo.
7
Tamin’iny alina iny no nisehoan’Andriamanitra tamin’i Solomona ka hoy Izy taminy: Angataho izay tianao homeko anao.
8
Dia hoy i Solomona tamin’Andriamanitra: Efa naneho fahasoavana lehibe tamin’i Davida raiko Ianao ary nampanjaka ahy handimby azy.
9
Koa ankehitriny, RY TOMPO Andriamanitra ô, aoka ho tanteraka ny teninao tamin’i Davida raiko; fa efa nampanjaka ahy tamin’ny vahoaka marobe tahaka ny vovo-tany Ianao.
10
Koa omeo fahendrena sy fahalalana aho hitarihako ireto vahoaka ireto ka hahazoako mitondra azy; fa iza no hahay mitsara izao olonao betsaka izao?
11
Dia hoy Andriamanitra tamin’i Solomona: Satria izany no tao am-ponao ka tsy nangataka vola aman-karena ianao, na voninahitra, na ny ain’ny fahavalonao, ary tsy nangataka ny ho ela velona aza fa nangataka fahendrena sy fahalalana hitsaranao ny oloko izay nampanjakako anao,
12
dia omena anao ny fahendrena sy ny fahalalana; ary homeko vola aman-karena sy voninahitra koa ianao, mihoatra noho izay nananan’ny mpanjaka rehetra na iza na iza tany alohanao, ary tsy hisy hanana tahaka izany ny any aoriananao.
13
Tonga tany Jerosalema, teo anoloan’ny tranolay fihaonana i Solomona, rehefa avy teo amin’ny toerana fanaovana sorona tao Gibeona; ary nanjaka tamin’ny Israely izy.
14
Nanangona kalesy fitondra miady sy mpitaingin-tsoavaly i Solomona ka nanana kalesy fitondra miady efajato sy arivo sy mpitaingin-tsoavaly roa arivo sy iray alina, izay nataony tany amin’ireo tanàna fitoeran’ny kalesy fitondra miady ary tao amin’ny mpanjaka tany Jerosalema.
15
Nataon’ny mpanjaka ho tahaka ny vato ny habetsaky ny volafotsy sy ny volamena tany Jerosalema, ary ny hazo sedera dia nataony maro toy ny aviavy any Sefela.
16
Avy tany Ejipta no nahazoan’i Solomona soavaly; ary ny iray toko tamin’ny mpivaro-mandehan’ny mpanjaka dia naka andiany iray araka izay vidiny.
17
Ary noentiny niakatra avy tany Ejipta ny vidin’ny kalesy fitondra miady iray, izay sekela volafotsy eninjato, ary ny soavaly dia dimampolo amby zato avy; toy izany koa no nitondrany ho an’ny mpanjakan’ny Hetita sy ny mpanjakan’ny Arameana.
18
Nilaza i Solomona fa hanorina trano ho an’ny anaran’NY TOMPO sy lapa ho an’ny tenany.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36