bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Chronicles 8
2 Chronicles 8
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 9 →
1
Nony afaka ny roapolo taona nanaovan’i Solomona ny tranon’NY TOMPO sy ny lapa ho an’ny tenany
2
dia namboariny ny tanàna izay nomen’i Hirama azy ka namponenany ny Zanak’Israely.
3
Dia nankany Hamata-Zoba i Solomona ka naharesy azy.
4
Nanorina an’i Tadmora tany an-tany efitra sy ny tanàna fitahirizana rehetra izay naoriny tany Hamata izy.
5
Namboariny koa i Bety-Horona ambony sy i Bety-Horona ambany, tanàna mafy misy manda sy vavahady misy hidiny;
6
tahaka izany koa i Baleta, ny tanàna fitahirizana rehetra izay an’i Solomona, ny tanàna rehetra fitoeran’ny kalesy fitondra miady, ny tanàna fitoeran’ny mpitaingin-tsoavaly ary izay rehetra tian’i Solomona haorina tany Jerosalema sy tany Libanona ary tany amin’ny tany nanjakany rehetra.
7
Ny olona sisa rehetra tamin’ny Hetita, ny Amorita, ny Perizita, ny Hivita ary ny Jebosita, izay tsy isan’ny Israely,
8
dia ny taranany izay sisa nandimby azy teo amin’ny taniny fa tsy naringan’ny Israely, ireny no nampanaovin’i Solomona fanompoana mandraka androany.
9
Fa ny Zanak’Israely dia tsy mba nampanaovin’i Solomona izany, fa ireo kosa no miaramila sy mpitarika ny mpanafika malaza ary lehiben’ny kalesy fitondra miady sy ny mpitaingin-tsoavaliny.
10
Izao no isan’ireo mpifehy voatendrin’i Solomona mpanjaka: Dimampolo sy roanjato izay nanapaka ny olona.
11
Nitondra ny zanakavavin’ny Farao niakatra avy tao an-Tanànan’i Davida ho ao amin’ny trano izay nataony ho azy i Solomona, satria hoy izy: Ny vadiko dia tsy mahazo mitoetra ao an-tranon’i Davida, mpanjakan’ny Israely, fa masina izay efa nidiran’ny vata misy ny faneken’NY TOMPO.
12
Tamin’izany i Solomona dia nanolotra fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO teo ambonin’ny alitaran’NY TOMPO, izay naoriny teo anoloan’ny lalantsara fidirana;
13
eny, nanolotra izay fanao isanandro izy araka ny didin’i Mosesy, dia tamin’ny Sabata sy ny voaloham-bolana ary ny fotoam-pivavahana intelo isan-taona, dia tamin’ny andro firavoravoana fihinanana mofo tsy misy masirasira sy ny andro firavoravoana manaraka ireo Herinandro ary ny andro firavoravoana fitoerana amin’ny trano rantsan-kazo.
14
Notendreny koa ny antokon’ny mpisorona, araka ny nandaharan’i Davida rainy azy ho amin’ny fanompoany avy, ary ny levita koa ho amin’ny anjara raharahany, dia ny hidera sy hanao fanompoam-pivavahana eo anoloan’ny mpisorona araka ny raharaha fanao isanandro, ary ny mpiandry varavarana dia araka ny antokony amin’ny isam-bavahady; fa izany no didy nomen’i Davida, lehilahin’Andriamanitra, azy.
15
Ary tsy nialan’ireo ny didin’ny mpanjaka tamin’ny mpisorona sy ny levita na amin’inona na amin’inona, indrindra fa ny amin’ny trano fitahirizana.
16
Toy izany no nanamboaran’i Solomona ny asa rehetra nataony hatramin’ny andro nanorenany ny tranon’NY TOMPO ka ambara-pahavitany. Dia vita tsara ny tranon’NY TOMPO.
17
Ary tamin’izay i Solomona dia nankany Eziona-Gebera sy Elota eo amoron’ny ranomasina any amin’ny tany Edoma,
18
ary ny mpanompon’i Hirama dia nampandehaniny hitondra sambo sy mpanompo izay mahay ranomasina; niara-nandeha tamin’ny mpanompon’i Solomona ho any Ofira ireo ka nahazo volamena milanja dimampolo sy efajato talenta tany, dia noentiny tany amin’i Solomona mpanjaka izany.
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 9 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36