bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Chronicles 20
2 Chronicles 20
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 21 →
1
Nony afaka izany dia avy hiady amin’i Josafata ny taranak’i Moaba sy ny taranak’i Amona mbamin’ny Meonita.
2
Ary nisy tonga ka nanambara tamin’i Josafata hoe: Indreo, misy olona betsaka avy any andafin’ny ranomasina, dia avy any Arama, ho avy hiady aminao; indreo, ao Hazezona-Tamara, na Eny-Gedỳ izy.
3
Dia natahotra i Josafata ka nanatrika tsara hitady NY TOMPO sady niantso andro fifadian-kanina ho an’ny tanin’ny Joda rehetra.
4
Dia niangona hangataka famonjena amin’NY TOMPO ny Joda; eny, ny avy tamin’ny tanànan’i Joda rehetra no tonga hitady NY TOMPO.
5
Ary nijoro teo amin’ny fiangonan’i Joda sy i Jerosalema, tao amin’ny tranon’NY TOMPO, teo anoloan’ny kianja vaovao, i Josafata
6
ka niteny hoe: RY TOMPO, Andriamanitry ny razanay ô, tsy Ianao va no Andriamanitra any an-danitra? Eny, Ianao no manapaka amin’ny fanjakan’ny Jentilisa rehetra, ary eo an-tananao ny hery sy ny fahefana ka tsy misy mahasakana Anao.
7
Ry Andriamanitray ô, tsy Ianao va no nandroaka ny mponina tamin’ity tany ity hiala teo anoloan’ny Israely olonao ka nanome azy mandrakizay ho an’ny taranak’i Abrahama sakaizanao?
8
Ary nonina teto izy ka nanao fitoerana masina ho an’ny anaranao teto sady nilaza hoe:
9
Raha manjo anay ny loza, na sabatra, na famaliana, na areti-mandringana, na mosary, ary hitsangana manatrika ity trano ity sy eto anatrehanao izahay, fa ny anaranao no amin’ity trano ity, koa raha hitaraina aminao amin’ny fahorianay izahay dia hihaino Ianao ka hamonjy.
10
Koa indreo, ny taranak’i Amona sy i Moaba ary ny avy any an-tendrombohitra Seìra, dia ilay tsy navelanao hotafihin’ny Israely, fony izy nivoaka avy tany Ejipta ka nivily fa tsy nandringana azy;
11
nefa indreo, mamaly ratsy anay izy ka avy handroaka anay amin’ny lova nomenao anay.
12
Ry Andriamanitray ô, tsy hitsara azy va Ianao? Fa izahay dia tsy manan-kery hanohitra ireo olona betsaka ireo, izay avy hamely anay, koa tsy hitanay izay hataonay; fa Ianao no andrandrain’ny masonay.
13
Ny Joda rehetra mbamin’ny vady aman-janany koa dia samy nijoro teo anatrehan’NY TOMPO.
14
Ary i Jahaziela, zanak’i Zakaria, zanak’i Benaia, zanak’i Jeiela, zanak’i Matania, levita amin’ny taranak’i Asafa, dia voatsindrin’ny Fanahin’NY TOMPO teo anivon’ny fiangonana
15
ka niteny hoe: Mihainoa ianareo, ry Joda rehetra sy ry mponina eto Jerosalema, ary ianao, ry Josafata mpanjaka: Izao no lazain’NY TOMPO aminareo: Aza matahotra na mivadi-po ny amin’ireo olona betsaka ireo, fa tsy anareo ny ady fa an’Andriamanitra.
16
Rahampitso dia midìna hiady aminy ianareo; fa indreo, hiakatra amin’ny fiakarana Ziza izy; ary ianareo dia hahita azy eo amin’ny faran’ny lohasahan-driaka tandrifin’ny tany efitr’i Jeroela.
17
Tsy ianareo anefa no hiady any; mijoroa tsara fa ho hitanareo ny hamonjen’NY TOMPO anareo, ry Joda sy Jerosalema. Aza matahotra na mivadi-po, fa rahampitso dia mivoaha hiady aminy; fa NY TOMPO no momba anareo.
18
Dia niankohoka tamin’ny tany i Josafata; ary ny Joda sy ny mponina rehetra tany Jerosalema koa dia niankohoka teo anatrehan’NY TOMPO ka nivavaka.
19
Dia nitsangana hidera NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, tamin’ny feo mahery indrindra, ny levita, taranaky ny Kehatita sy taranaky ny Koraìta.
20
Ary nifoha vao maraina izy ireo dia niainga nankany an-tany efitr’i Tekoa; teo am-piaingàna dia nitsangana i Josafata ka niteny hoe: Mihainoa ahy, ry Joda, sy ianareo, ry mponina eto Jerosalema: Minoa NY TOMPO Andriamanitrareo dia ho tafatoetra ianareo; minoa ny mpaminaniny dia hambinina ianareo.
21
Rehefa niara-nihevitra tamin’ny olona izy dia nanendry mpihira ho an’NY TOMPO hidera Azy amin’ny fihaingoana masina raha mandeha eo anatrehan’ny olona efa voaomana hiady izy ireo ka izao no holazainy: Miderà NY TOMPO, fa mandrakizay ny famindrampony.
22
Raha vao nanomboka nihoby sy nidera ireo dia nanaovan’NY TOMPO vela-pandrika ny taranak’i Amona sy i Moaba sy ny avy any an-tendrombohitra Seìra izay avy hamely ny Joda ka resy ireo.
23
Dia nitsangana ny taranak’i Amona sy i Moaba ka namely ny avy any an-tendrombohitra Seìra ary namono sy nandringana azy; nony voaringany ny mponina tany Seìra dia nifandringana ihany koa izy samy izy.
24
Nony tonga teo amin’ilay fitazanana any an-tany efitra ny Joda dia nijery ireo olona betsaka ireo izy, koa indreo, nisy faty niampatrampatra tamin’ny tany satria tsy nisy afa-nandositra.
25
Ary avy hamabo azy i Josafata sy ny vahoakany, dia nahita harena betsaka sy fitafiana ary fanaka sarobidy teo izy ka namabo mihoatra noho izay zakany hoentina; hateloana no nanangonany ny babo fa be dia be tokoa ireny.
26
Tamin’ny andro fahefatra dia nivory tao amin’ny lohasaha Beraka izy fa tany no nisaorany NY TOMPO; koa izay no nanaovany izany toerana izany hoe lohasaha Beraka mandraka androany.
27
Dia niverina ny lehilahy rehetra amin’ny Joda sy Jerosalema ary nitarika azy tamin’ny fifaliana hankany Jerosalema indray i Josafata, fa NY TOMPO nampifaly azy ny amin’ny fahavalony.
28
Niditra tao Jerosalema nitondra valiha sy lokanga ary trompetra izy ka nankao amin’ny tranon’NY TOMPO.
29
Dia nahazo ny fanjakana rehetra manodidina ny fahatahorana an’Andriamanitra, nony reny fa NY TOMPO no niady tamin’ny fahavalon’ny Israely.
30
Ary nandry fehizay ny fanjakan’i Josafata; fa nomen’Andriamaniny fiadanana tamin’ny manodidina rehetra izy.
31
Nanjaka tamin’ny Joda i Josafata; dimy amby telopolo taona izy raha nanomboka nanjaka, ary dimy amby roapolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran’ny reniny dia Azoba, zanakavavin’i Sily.
32
Nandeha tamin’ny lalana nalehan’i Asa rainy izy ka tsy niala tamin’izany fa nanao izay mahitsy teo imason’NY TOMPO;
33
kanefa tsy mba noravana ireo toerana fanaovana sorona; fa ny olona dia tsy mbola nampitodika ny fony hitady ny Andriamanitry ny razany.
34
Ary ny tantaran’i Josafata sisa, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany dia indro, voasoratra ao amin’ny tenin’i Jeho, zanak’i Hanany, izay nakambana ao amin’ny bokin’ny mpanjakan’ny Israely, izany.
35
Nefa nony afaka izany dia nikambana tamin’i Ahazia, mpanjakan’ny Israely, izay nanao izay ratsy, i Josafata, mpanjakan’ny Joda;
36
ary nikambana taminy hanao sambo hankany Tarsisy izy ka tao Eziona-Gebera no nanaovany azy.
37
Ary naminany ny amin’i Josafata i Eliezera, zanak’i Dodavaho, avy any Maresa hoe: Noho ny nikambananao tamin’i Ahazia dia horavan’NY TOMPO ny asanao. Dia nisy fahavakiana ny sambo ka tsy afaka nankany Tarsisy.
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 21 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36