bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Chronicles 31
2 Chronicles 31
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 30
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 32 →
1
Nony vita izany rehetra izany dia niainga nankany an-tanànan’i Joda ny Israely rehetra izay tao ka nanorotoro ny tsangambaton-tsampy sy nikapa ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha ary nandrava ny toerana fanaovana sorona sy ny alitara manerana an’i Joda sy Benjamina rehetra ary tany Efraima sy Manase koa ambara-paharavany azy rehetra. Samy nody ho any amin’ny taniny sy ny tanànany avy ny Zanak’Israely rehetra avy eo.
2
Dia nanendry ny antokon’ny mpisorona sy ny levita araka ny antokony avy i Hezekia, samy araka ny fanompoany avy, dia ny mpisorona sy ny levita ho amin’ny fanatitra dorana manontolo, ny fanati-pihavanana, hanao fanompoam-pivavahana, hisaotra ary hidera eny amin’ny vavahadin’ny tobin’NY TOMPO.
3
Izay hatao fanatitra dorana manontolo rehetra dia nomen’ny mpanjaka avy tamin’ny fananany, dia ny fanatitra dorana manontolo maraina sy hariva sy ny fanatitra dorana manontolo atao amin’ny Sabata sy amin’ny voaloham-bolana sy amin’ny fotoam-pivavahana, araka ny voasoratra ao amin’ny lalànan’NY TOMPO.
4
Ary nasainy nandoa ny anjaran’ny mpisorona sy ny levita ny olona izay nonina tany Jerosalema mba hipetrahany tsara amin’ny lalànan’NY TOMPO.
5
Nony niely izany teny izany dia nitondra voaloham-bokatra betsaka ny Zanak’Israely, dia vary, ranom-boaloboka, diloilo, tantely ary vokatry ny tany isan-karazany; ny fahafolonkarena tamin’ny zavatra rehetra dia betsaka koa no noentiny.
6
Ary ny Israely sy ny Joda, izay nonina tany an-tanànan’i Joda, dia nitondra ny fahafolonkarena koa, dia omby sy ondry aman’osy, ary ny fahafolon’ny zavatra masina izay nohamasinina ho an’NY TOMPO Andriamaniny, ary natokotokony maro miavosa ireny.
7
Tamin’ny volana fahatelo izy no nanomboka nanokotoko azy, ary tamin’ny volana fahafito no nahavitany azy.
8
Nony avy i Hezekia sy ny mpanapaka ka nahita ireo zavatra niavosa ireo dia nisaotra NY TOMPO sy ny Israely olony izy.
9
Dia nanontany ny mpisorona sy ny levita momba ireo zavatra niavosa ireo i Hezekia.
10
Ary namaly azy i Azaria mpisoronabe, taranak’i Zadoka hoe: Hatramin’ny nanombohan’ny olona nitondra ny fanomezana ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO dia nihinana izahay ka voky sady be koa ny sisa; satria nitahy ny olony NY TOMPO ka ny sisa ireo betsaka ireo.
11
Dia nasain’i Hezekia nanamboatra efitrano fitahirizana tao amin’ny tranon’NY TOMPO izy; dia namboariny izany.
12
Ary tamin’ny fahamarinana no nampidirany ny fanomezana sy ny fahafolonkarena ary ny zavatra nohamasininy. I Konania levita no mpitahiry ireny, i Simey rahalahiny no lefiny.
13
I Jehiela, i Azazia, i Nahata, i Asahela, i Jerimota, i Jozabada, i Eliala, i Jismakia, i Mahata ary i Benaia, fehin’i Konania sy i Simey rahalahiny, no tonian’ireny, araka ny didin’i Hezekia mpanjaka sy i Azaria, mpanapaka ny tranon’Andriamanitra.
14
Ary i Kore levita, zanak’i Jimna, mpiandry varavarana tao atsinanana, no tonian’ny fanatitra an-tsitrapo ho an’Andriamanitra ka hizara ny fanomezana ho an’NY TOMPO sy ny zava-masina indrindra.
15
Ny fehin’i Kore dia i Edena, i Miniamina, i Jesoa, i Semaia, i Amaria ary i Sekania tao amin’ny tanànan’ny mpisorona; adidin’ireo ny hizara ho an’ny rahalahiny araka ny antokony avy, na ny lehibe na ny kely,
16
afa-tsy ny lehilahy voasoratra hatramin’ny telo taona no ho miakatra, dia izay miditra ao amin’ny tranon’NY TOMPO handray ny anjarany isanandro noho ny fanompoany amin’ny anjara raharahany araka ny antokony avy.
17
Ny amin’ny fanoratana ny mpisorona dia nosoratana araka ny fianakaviany avy; ny levita koa dia hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, araka ny anjara raharahany sy ny antokony avy.
18
Nomena koa ny ankohonany rehetra izay voasoratra, dia ny vadiny mbamin’ny zanany lahy sy ny zanany vavy rehetra; satria tamin’ny fahamarinany no nanamasinany ny tenany ny amin’ny zavatra masina.
19
Ary ho an’ny mpisorona, taranak’i Arona, koa, izay tany amin’ny tany manodidina ny tanànany, dia nisy olona voatonona anarana tamin’ny isan-tanàna hanome anjara ny lehilahy rehetra amin’ny mpisorona sy ny levita rehetra voasoratra.
20
Toy izany no nataon’i Hezekia nanerana ny Joda rehetra; fa nanao izay tsara sy mety ary marina teo anatrehan’NY TOMPO Andriamaniny izy.
21
Ary ny raharaha rehetra izay natombony ny amin’ny fanompoana ao amin’ny tranon’Andriamanitra sy ny lalàna ary ny didy hitadiavana an’Andriamaniny dia nataony tamin’ny fony manontolo ka nanambinana azy.
← Chapter 30
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 32 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36