bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Chronicles 21
2 Chronicles 21
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 22 →
1
Ary nodimandry any amin’ny razany i Josafata ka nalevina tao amin’ny razany tao an-Tanànan’i Davida izy; ary i Jehorama zanany no nanjaka nandimby azy.
2
Nanana rahalahy, zanak’i Josafata, koa izy, dia i Azaria, i Jehiela, i Zakaria, i Azaria, i Mikaela ary i Sefatia; ireo rehetra ireo no zanak’i Josafata, mpanjakan’ny Israely.
3
Nomen’ny rainy harena betsaka izy ireo, dia volafotsy sy volamena ary zava-tsoa mbamin’ny tanàna mimanda sasany tany Joda; fa ny fanjakana kosa dia nomeny an’i Jehorama, satria izy no lahimatoa.
4
Nefa raha vao nanjaka tamin’ny fanjakan’ny rainy i Jehorama dia nitombo hery ka namono tamin’ny sabatra ny rahalahiny rehetra mbamin’ny mpanapaka sasany tamin’ny Israely.
5
Roa amby telopolo taona i Jehorama raha nanomboka nanjaka ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema.
6
Nandeha tamin’ny lalan’ireo mpanjakan’ny Israely izy, dia tahaka ny nataon’ny taranak’i Ahaba, fa zanakavavin’i Ahaba no vadiny; eny, nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO izy.
7
Nefa NY TOMPO tsy nety nandringana ny taranak’i Davida noho ny fanekena nataony tamin’i Davida sy ny nilazany fa homeny jiro mandrakizay izy mbamin’ny taranany.
8
Tamin’ny andron’i Jehorama no nikomian’ny Edomita tsy hanoa ny Joda fa nanangana mpanjaka ho azy izy.
9
Dia niainga i Jehorama sy ireo mpanapaka sy ny kalesy fitondrany miady rehetra; ary nanaovany latsaka alina ny Edomita izay nanodidina azy sy ny komandin’ny kalesy fitondra miady.
10
Nefa ny Edomita dia mbola nikomy ka tsy nanoa ny Joda mandraka androany. Tamin’izany andro izany koa dia nikomy tsy nety nanoa an’i Jehorama i Libna, satria efa nahafoy NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, izy.
11
Nanao toerana fanaovana sorona teny amin’ny tendrombohitr’i Joda koa i Jehorama sady nampijangajanga ny mponina tany Jerosalema no nitaona ny Joda mangingina hanao izany.
12
Ary nisy soratra avy tamin’i Elia mpaminany tonga tao aminy nilaza hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitr’i Davida rainao: Noho ny tsy nandehananao tamin’ny lalan’i Josafata rainao, na ny lalan’i Asa, mpanjakan’ny Joda,
13
fa nandeha tamin’ny lalan’ireo mpanjakan’ny Israely kosa ianao ka nampijangajanga ny Joda sy ny mponina any Jerosalema toy ny fijangajangan’ny taranak’i Ahaba, sady novonoinao koa ny rahalahinao nateraky ny rainao, izay tsara noho ianao,
14
dia indro, hasian’NY TOMPO areti-mandringana ny vahoakanao sy ny zanakao ary ireo vadinao mbamin’ny biby fiompinao rehetra;
15
ary ho azon’ny aretina mafy koa ianao, dia aretina amin’ny tsinainao, mandra-pivoakan’ny tsinainao isanandro isanandro noho ny aretina.
16
Ary NY TOMPO nampirisika ny Filistina sy ny Arabo izay ao akaikin’ny Kosita hamely an’i Jehorama.
17
Niakatra tany Joda ireo ka nisesika tao, dia nobaboiny ny fananana rehetra izay an’ny ankohonan’ny mpanjaka mbamin’ny zanany sy ny vadiny koa ka tsy nisy zanany intsony, afa-tsy i Joahaza faralahiny ihany.
18
Nony afaka izany rehetra izany, dia nasian’NY TOMPO aretina tsy azo sitranina tamin’ny tsinainy izy.
19
Afaka elaela, izany hoe roa taona, dia nivoaka tsikelikely ny tsinainy noho ny aretiny; koa maty tamin’ny fangirifiriana mafy izy. Ary ny vahoakany dia tsy mba nandoro zavatra ho fisaonana azy toy ny nataony tamin’ny razany.
20
Roa amby telopolo taona izy, raha nanomboka nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema; koa tsy nisy nalahelo azy. Ary nalevina tao an-Tanànan’i Davida ihany izy, nefa tsy mba tao amin’ny fasan’ny mpanjaka.
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 22 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36