bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Chronicles 3
2 Chronicles 3
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 4 →
1
Nanomboka nanorina ny tranon’NY TOMPO tany Jerosalema, tao an-tendrombohitra Moria, ilay nisehoan’NY TOMPO tamin’i Davida rainy, i Solomona, dia ilay namboarina teo amin’ny toerana nofidin’i Davida teo amin’ny famoloan’i Araona jebosita.
2
Nanomboka nanorina ny Trano izy tamin’ny andro faharoa tamin’ny volana faharoa tamin’ny taona fahefatra nanjakany.
3
Toy izao no nanorenan’i Solomona ny tranon’Andriamanitra: Ny lavany, raha araka ny hakiho taloha, dia enimpolo hakiho, ary ny sakany dia roapolo hakiho.
4
Ny amin’ny lalantsara fidirana izay eo anoloana dia roapolo hakiho ny lavany, mitovy amin’ny sakan’ny Trano ihany, ary ny haavony dia roapolo amby zato hakiho; ary nopetahany takelaka volamena tsara ny ao anatiny.
5
Ny efitrano lehibe dia nopetahany hazo kipreso, izay vao nopetahany takelaka volamena tsara ireo ary noravahany hazo palma sy rojo.
6
Noravahany vatosoa koa ny Trano; ny volamena dia volamena avy any Parvaima.
7
Nopetahany takelaka volamena ny Trano, dia ny rairainy, ny tokonany, ny rindriny ary ny lelam-baravarany; nasiany sarin’ny kerobima koa ny rindrina.
8
Nanangana ny efitrano masina indrindra izy: Ny lavany dia roapolo hakiho mifanerana amin’ny sakan’ny trano, roapolo hakiho koa ny sakany; nopetahany takelaka volamena tsara milanja talenta eninjato izany.
9
Ny lanjan’ny hombo volamena dia sekela dimampolo. Ny efitrano ambony dia nopetahany volamena koa.
10
Nosokirany sarin’ny kerobima roa tao amin’ny efitrano masina indrindra, avy eo dia nopetahany takelaka volamena.
11
Ny halavan’ny elatry ny kerobima dia roapolo hakiho: Ny elatry ny iray dia dimy hakiho, mipaka amin’ny rindrina; ary ny elany iray koa dia dimy hakiho sady mifanendry amin’ny elatry ny kerobima iray;
12
ny elatry ny kerobima iray koa dia dimy hakiho, mipaka amin’ny rindrina; ary ny elany iray koa dia dimy hakiho sady mifanendry amin’ny elatry ny kerobima iray.
13
Nivelatra ny elatr’ireo kerobima ireo ka roapolo hakiho ny halavany; nijoro tamin’ny tongony izy ary nanatrika ny trano ny tarehiny.
14
Nanao ny efitra lamba tamin’ny kofehy manga sy volomparasy ary jaky sy rongony fotsy madinika izy; ary nataony sarin’ny kerobima ny sorany.
15
Nanangana andry roa teo anoloan’ny Trano izy; dimy amby telopolo hakiho ny haavony ary ny tendrony teo an-tampony dia dimy hakiho avy.
16
Nanao rojo tao amin’ny efitra anatiny izy ka nataony teo an-tampon’ny andry ireo; ary nanao sarin’ampongabendanitra zato izy ka nataony teo amin’ny rojo ireo.
17
Ary natsangany teo anoloan’ny tempoly ny andry, ny iray dia teo amin’ny ankavanana, ary ny iray dia teo amin’ny ankavia; ary ny anaran’ilay teo amin’ny ankavanana dia nataony hoe Jakina ary ny anaran’ny teo amin’ny ankavia kosa dia nataony hoe Boaza.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36