bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Chronicles 22
2 Chronicles 22
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 23 →
1
Nampanjaka an’i Ahazia, faralahin’i Jehorama, handimby azy ny mponina tany Jerosalema; fa ny zokiny rehetra izay nanaraka ny Arabo hatrany an-toby dia efa matin’ny andian-tafika avokoa. Koa i Ahazia, zanak’i Jehorama, mpanjakan’ny Joda, no nanjaka.
2
Roa amby roapolo taona i Ahazia, raha nanomboka nanjaka, ary herintaona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran’ny reniny dia Atalia, zanakavavin’i Omry.
3
Nandeha tamin’ny lalan’ireo taranak’i Ahaba koa izy; fa ny reniny no nanome saina azy hanao ratsy.
4
Dia nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO toy ny taranak’i Ahaba izy; satria ireny no nanome saina azy taorianan’ny nahafatesan’ny rainy ka nampidi-doza taminy.
5
Ny saina nomen’ireo azy no narahiny ka niara-nandeha tamin’i Jorama, zanak’i Ahaba, mpanjakan’ny Israely, izy, hiady tamin’i Hazaela, mpanjakan’i Arama, tao Ramota-Gileada; ary nahavoa an’i Jorama ny Arameana.
6
Dia niverina tao Jezirela izy nitondra ny feriny hotsaboina tamin’ny nahavoazana azy tao Rama, fony izy niady tamin’i Hazaela, mpanjakan’i Arama. Ary nidina hamangy an’i Jorama, zanak’i Ahaba, tao Jezirela i Ahazia, zanak’i Jehorama, mpanjakan’ny Joda satria narary izy.
7
Avy tamin’Andriamanitra ny loza nanjo an’i Ahazia tamin’ny nankanesany nankany amin’i Jorama. Nony tonga izy dia niara-niainga tamin’i Jorama mba hitsena an’i Jeho, zanak’i Nimsy, izay nohosoran’NY TOMPO handringana ny taranak’i Ahaba.
8
Ary tamin’ny namalian’i Jeho ny taranak’i Ahaba dia hitany ireo mpanapaka ny Joda sy ny zana-drahalahin’i Ahazia, izay nanompo an’i Ahazia, ka novonoiny.
9
Ary nitady an’i Ahazia koa izy; kanefa nisy nahita izy, raha mbola niery tany Samaria ka noentina ho any amin’i Jeho; novonoin’ny olona izy ka naleviny; fa hoy ireo: Zanak’i Josafata, ilay nitady NY TOMPO tamin’ny fony manontolo, ity. Tsy nahatana ny fanjakana ny terak’i Ahazia.
10
Nony hitan’i Atalia, renin’i Ahazia, fa maty ny zanany, dia nitsangana izy ka nandringana ny taranaky ny mpanjaka rehetra tamin’ny taranak’i Joda.
11
Fa i Joseba, zanakavavin’ny mpanjaka, dia naka an’i Joasy, zanak’i Ahazia, ka nanala azy avy teo amin’ireo zanaky ny mpanjaka izay novonoina, dia nampiditra azy sy ny mpitaiza azy ho ao amin’ny efitrano fandriana. Nafenin’i Joseba, zanakavavin’i Jehorama mpanjaka, vadin’i Joiada mpisorona, izy, fa anabavin’i Ahazia mantsy Ravehivavy, mba tsy ho hitan’i Atalia, dia tsy voavonony izy.
12
Ary niery nandritra ny enin-taona tao aminy tao amin’ny tranon’Andriamanitra izy, fa i Atalia no nanjaka tamin’ny tany.
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 23 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36