bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Chronicles 26
2 Chronicles 26
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 27 →
1
Ary ny vahoakan’ny Joda rehetra dia naka an’i Ozia, izay enina amby folo taona, ka nampanjaka azy handimby an’i Amazia rainy.
2
Izy no nanamboatra indray an’i Elota ka nampody azy ho an’ny Joda, rehefa nodimandry any amin’ny razany ny mpanjaka.
3
Enina amby folo taona i Ozia raha nanomboka nanjaka, ary roa amby dimampolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran’ny reniny dia Jekolia, avy any Jerosalema.
4
Nanao izay mahitsy teo imason’NY TOMPO izy, tahaka izay rehetra nataon’i Amazia rainy.
5
Nitady an’Andriamanitra izy tamin’ny andron’i Zakaria, izay nahafantatra ny fahatahorana an’Andriamanitra; ary tamin’ny andro nitadiavany NY TOMPO dia nambinin’Andriamanitra izy.
6
Nandeha niady tamin’ny Filistina izy dia nandrava ny mandan’i Gata sy ny mandan’i Jabne ary ny mandan’i Asdoda ary avy eo dia nanangana tanàna tany Asdoda sy tany amin’ny Filistina.
7
Ary Andriamanitra nanampy azy tamin’ny namelezany ny Filistina sy ny Arabo izay nonina tao Gora-Baala ary ny Meonita.
8
Nandoa hetra ho an’i Ozia ny Amonita; dia niely hatrany akaiky an’i Ejipta ny lazany satria tonga mahery indrindra izy.
9
Nanorina tilikambo tany Jerosalema, teo amin’ny vavahady eo an-jorony sy teo amin’ny vavahady mankao amin’ny lohasaha sy teo an-jorony i Ozia ka nanamafy azy.
10
Nanorina tilikambo tany an-tany efitra koa izy sady nihady lavaka maro ho famorian-drano, fa nanana omby aman’ondry betsaka tany Sefela sy teny an-tanety izy sady nanana mpiasa sy mpamboatra tanim-boaloboka teny an-tendrombohitra ary tany Karmela, fa tia asa tany izy.
11
Nanana miaramila maro, izay nanao antokony vonona hanafika i Ozia, dia araka ny isany izay nandaminan’i Jeiela mpitantsoratra sy i Mahaseia mpifehy azy ka nofehezin’i Hanania, iray tamin’ny mpitarika voatendrin’ny mpanjaka.
12
Eninjato sy roa arivo ny isan’ny lohan’ny fianakaviana rehetra, dia lehilahy mahery avokoa.
13
Ary ny miaramila fehezin’ireo dia dimanjato sy fito arivo sy telo hetsy, izay nahery niady indrindra, ary nanampy ny mpanjaka niady tamin’ny fahavalony ireo.
14
Ary i Ozia dia nanamboatra ampinga, lefona, fiarovan-doha, akanjo fiarovan-tratra, tsipìka ary vaton’antsamotady ho an’ireo miaramila rehetra ireo.
15
Namorona milina fiadiana lehibe tany Jerosalema koa izy, natao araka ny marika vitan’ny manam-pahaizana manokana izany, ary natao hapetraka eo amin’ny tilikambo sy eo an-tampon’ny manda mba handefasana zana-tsipìka sy vato lehibe. Ary niely lavitra ny lazan’i Ozia; fa nahagaga tokoa ny nanampian’Andriamanitra azy ka tonga mahery izy.
16
Nony nahery anefa izy dia niavonavona ny fony ka nanao izay ratsy izy, ary nivadika tamin’NY TOMPO Andriamaniny ka niditra tao amin’ny tempolin’NY TOMPO handoro ditin-kazo manitra teo amin’ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra.
17
Fa niditra nanaraka azy kosa i Azaria mpisorona mbamin’ny valopolo lahy amin’ny mpisoron’NY TOMPO, dia lehilahy samy mahery avokoa.
18
Ary nanohitra an’i Ozia mpanjaka ireo ka niteny taminy hoe: Tsy raharahanao, ry Ozia, ny handoro ditin-kazo manitra ho an’NY TOMPO, fa an’ny mpisorona ihany, dia ny taranak’i Arona, izay nohamasinina handoro ditin-kazo manitra. Mialà amin’ny fitoerana masina fa nanao izay mahadiso ianao; ary tsy ho voninahitra ho anao eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitra izany.
19
Dia nisafoaka i Ozia, ary nisy lovia handoroany ditin-kazo manitra teny an-tanany; koa raha mbola nisafoaka tamin’ny mpisorona izy dia nisy habokana nipoitra tamin’ny handriny teo anatrehan’ny mpisorona tao amin’ny tranon’NY TOMPO, teo anilan’ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra.
20
Nitodika nijery azy i Azaria mpisoronabe sy ny mpisorona rehetra, koa indro, boka ny handriny; dia noroahiny hiala teo haingana izy; nefa ny tenany koa dia mba niala teo haingana ihany, satria NY TOMPO no namely azy.
21
Ary i Ozia mpanjaka dia boka mandra-pahafatiny ka nitoetra teo amin’ny trano mitokana, satria tsy nahazo niditra tao amin’ny tranon’NY TOMPO intsony izy. Dia i Jotama zanany no nanapaka ny tao an-dapa sady nitondra ny vahoaka.
22
Ny tantaran’i Ozia sisa, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, dia efa nosoratan’Isaia mpaminany, zanak’i Amoza.
23
Ary nodimandry any amin’ny razany i Ozia, dia nalevina tao amin’ny razany tao amin’ny saha misy ny toeram-pandevenana ny mpanjaka, satria hoy ny olona: Boka izy. Ary i Jotama zanany no nanjaka nandimby azy.
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 27 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36