bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Chronicles 35
2 Chronicles 35
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 34
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 36 →
1
Nitandrina ny Paska tany Jerosalema ho an’NY TOMPO i Josia; namono ny Paska ny olona tamin’ny andro fahefatra amby folo tamin’ny volana voalohany.
2
Ary nanendry ny mpisorona ho amin’ny anjara raharahany avy i Josia ka nampirisika azy hanao ny fanompoana ao amin’ny tranon’NY TOMPO.
3
Ary hoy izy tamin’ny levita izay mpampianatra ny Israely rehetra sady efa masina ho an’NY TOMPO: Apetraho ao amin’ny trano nataon’i Solomona, zanak’i Davida, mpanjakan’ny Israely, ny vata masina misy ny Fanekena; fa izao dia efa tsy milanja azy intsony ianareo; koa manompoa NY TOMPO Andriamanitrareo sy ny Israely olony;
4
ary samia miomana araka ny fianakavianareo avy ianareo, dia araka ny antokonareo, araka ny voasoratr’i Davida, mpanjakan’ny Israely, sy araka ny voasoratr’i Solomona zanany koa.
5
Ary mitsangàna eo amin’ny fitoerana masina araka ny fizaran’ny fianakavian’ny rahalahinareo amin’ny vahoaka sy araka ny fizaran’ny fianakavian’ny levita.
6
Dia vonoy ny Paska, sady hamasino ny tenanareo ka manamboara ho an’ny rahalahinareo mba handehanana araka ny tenin’NY TOMPO izay nampilazainy an’i Mosesy.
7
Ny vahoaka izay nivory teo dia nomen’i Josia zanak’ondry sy zanak’osy telo alina, sy omby telo arivo; avy tamin’ny fananan’ny mpanjaka ireo, ary hatao Paska avokoa.
8
Nanome an-tsitrapo ho an’ny olona sy ho an’ny mpisorona ary ny levita koa ny mpanapaka. Ary nanome ondry aman’osy eninjato sy roa arivo ary omby telonjato kosa ho an’ny mpisorona hatao Paska i Hilkia sy i Zakaria ary i Jehiela, mpanapaka ny tranon’Andriamanitra.
9
Ary nanome ondry aman’osy dimy arivo sy omby dimanjato ho an’ny levita hatao Paska i Konania, i Semaia, i Netanela rahalahiny, i Hasabia, i Jeiela ary i Jozabada, lehiben’ny levita.
10
Koa dia vonona ny zavatra rehetra; ary nitsangana teo amin’ny toerany avy ny mpisorona, ary ny levita koa araka ny antokony avy, araka ny didin’ny mpanjaka.
11
Dia novonoin’ny olona ny Paska, ary nafafin’ny mpisorona ny ra teny an-tanany, fa ny levita kosa no nanendaka ny hoditry ny biby voavono.
12
Dia natokany ny fanatitra dorana manontolo homena ny olona araka ny fizaran’ny fianakaviany, mba hatolony ho fanatitra ho an’NY TOMPO araka izay voasoratra ao amin’ny bokin’i Mosesy. Toy izany koa tamin’ny omby.
13
Ary nandrahoina tamin’ny afo araka ny fanao ny Paska; fa ny zava-masina kosa dia nandrahoiny tao anaty vilany sy vilany be ary vilany kely, dia nozarainy haingana tamin’ny olona rehetra ireo.
14
Rehefa vita izany dia nanamboatra izay ho an’ny tenany sy ny mpisorona izy; fa ny mpisorona, taranak’i Arona, no nanolotra ny fanatitra dorana manontolo sy ny saborany mandra-pahalin’ny andro; ny levita kosa no nanamboatra ny Paska ho an’ny tenany sy ny mpisorona, taranak’i Arona.
15
Ary ny mpihira, taranak’i Asafa, dia teo amin’ny fitoerany, araka ny didin’i Davida sy i Asafa ary i Hemana sy i Jedotona, mpahitan’ny mpanjaka; ny mpiandry varavarana dia teo amin’ny isam-bavahady; fa tsy afaka niala tamin’ny fanompoany ireo, koa ny levita rahalahiny no nanamboatra ho azy.
16
Dia vonona androtr’izay avokoa izay hanaovana ny fanompoana NY TOMPO amin’ny hitandremana ny Paska sy ny hanolorana ny fanatitra dorana manontolo eo ambonin’ny alitaran’NY TOMPO araka ny tenin’i Josia mpanjaka.
17
Ary ny Zanak’Israely izay vory teo dia nitandrina ny Paska tamin’izay fotoana izay sy ny andro firavoravoana hafitoana, fihinanana ny mofo tsy misy masirasira.
18
Fa tsy nisy Paska notandremana toy izany teo amin’ny Israely na dia hatramin’ny andron’i Samoela mpaminany aza; ary ny mpanjakan’ny Israely rehetra dia tsy nisy nitandrina ny Paska tahaka izay nataon’i Josia sy ny mpisorona sy ny levita ary ny Joda rehetra sy ny Israely izay vory teo ary ny mponina tany Jerosalema.
19
Tamin’ny taona fahavalo amby folo nanjakan’i Josia no nitandremana izany Paska izany.
20
Rehefa afaka izany rehetra izany, nony efa namboarin’i Josia ny Trano, dia niakatra i Neko, mpanjakan’i Ejipta, hiady tany Karkemisy eo amoron’i Eofrata; ary niainga hiady aminy i Josia.
21
Fa nandefa iraka ho any aminy i Neko hilaza hoe: Moa mifaninona akory izaho sy ianao, ry mpanjakan’i Joda? Tsy hiady aminao izao anio izao aho fa amin’ny fahavaloko, sady nasain’Andriamanitra handeha haingana aho; koa aza manohitra an’Andriamanitra izay momba ahy, fandrao matiny ianao.
22
Tsy nety nihodina niala teo aminy anefa i Josia fa nody olon-kafa mba hiady aminy ka tsy nety nihaino ny tenin’i Neko, izay nampilazain’Andriamanitra azy, fa nandeha hiady taminy ihany teo amin’ny lohasahan’i Megido.
23
Ary nahavoa an’i Josia mpanjaka ny mpandefa tsipìka; dia hoy ny mpanjaka tamin’ny mpanompony: Ento miala eto aho fa voa mafy.
24
Dia nesorin’ny mpanompony tamin’izany kalesy fitondra miady izany izy ka napetrany teo amin’ny kalesiny fitondra miady faharoa ary noentiny ho any Jerosalema; dia maty izy ka nalevina tao am-pasan-drazany. Ary nisaona an’i Josia ny Joda sy Jerosalema manontolo.
25
Nanao hira fisaonana an’i Josia koa i Jeremia, ary ny mpihira lahy sy ny mpihira vavy rehetra dia mahatsiahy an’i Josia mandraka androany raha manao hira fisaonana, koa nataony fanao teo amin’ny Israely ireny; ary indro, voasoratra ao amin’ireo hira fisaonana izany.
26
Ary ny tantaran’i Josia sisa mbamin’ny soa nataony, araka izay efa voasoratra ao amin’ny lalànan’NY TOMPO,
27
dia ny asany hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, indro, efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny mpanjakan’ny Israely sy ny Joda izany.
← Chapter 34
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 36 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36