bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Chronicles 34
2 Chronicles 34
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 33
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 35 →
1
Valo taona i Josia raha nanomboka nanjaka ary iraika amby telopolo taona no nanjakany tany Jerosalema.
2
Ary nanao izay mahitsy teo imason’NY TOMPO izy ka nandeha tamin’ny lalan’i Davida rainy fa tsy mba nivily na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia.
3
Tamin’ny taona fahavalo nanjakany, raha mbola zatovolahy izy, dia nanomboka nitady ny Andriamanitr’i Davida rainy; ary tamin’ny taona faharoa amby folo dia nanomboka nanadio an’i Joda sy Jerosalema izy mba tsy hisy toerana fanaovana sorona, na tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha, na sarin-javatra voasokitra, na sarin-javatra voarendrika intsony.
4
Ary noravan’ny olona teo anatrehan’i Josia ny alitaran’ireo Baala; ny fandoroana ditin-kazo manitra izay teo amboniny dia nazerany; ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha sy ny sarin-javatra voasokitra mbamin’ny sarin-javatra voarendrika dia novakivakiny sy notorotoroiny ho vovoka ka nafafiny teny amin’ny fasan’ireo izay namono zavatra hatao fanatitra ho azy.
5
Ary nandoro ny taolan’ny mpisorona teo ambonin’ny alitarany izy, dia nanadio an’i Joda sy Jerosalema.
6
Tany amin’ny tanànan’ny Manase sy ny Efraima ary ny Simeona hatrany amin’ny Naftaly, dia tao amin’ny tanànany izay rava teny amin’ny manodidina,
7
dia noravany koa ny alitara sy ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha; ny sarin-javatra voasokitra dia nomongomongoiny ho vovoka; ny fandoroana ditin-kazo manitra manerana ny tanin’ny Israely rehetra dia nazerany; dia niverina ho any Jerosalema izy.
8
Tamin’ny taona fahavalo amby folo nanjakany izy, rehefa voadiony ny tany sy ny trano, dia naniraka an’i Safana, zanak’i Azalia, sy i Mahaseia, mpifehy ny tanàna, ary i Joa, zanak’i Joahaza, mpitadidy ny raharaham-panjakana, mba hanamboatra ny tranon’NY TOMPO Andriamaniny.
9
Rehefa tonga teo amin’i Hilkia mpisoronabe izy ireo dia natolony ny vola izay nampidirina tao amin’ny tranon’Andriamanitra, izay nangonin’ny levita, mpiandry varavarana, tamin’ny Manase, ny Efraima, ny sisa rehetra tamin’ny Israely, tamin’ny Joda, ny Benjamina rehetra ary ny mponina tany Jerosalema.
10
Ary natolony ho eo an-tanan’ny lehiben’ny mpiasa izay voatendry hitandrina ny amin’ny tranon’NY TOMPO izany, dia natolotr’ireo ho an’ny mpiasa izay niasa tao amin’ny tranon’NY TOMPO kosa izany hanamboarana sy hanamafisana ny Trano;
11
dia nomeny ho an’ny mpandrafitra sy ny mpandatsa-bato hamidy vato voapaika sy hazo hatao sakamandimby ary lampihazo ho amin’ny trano izay nosimban’ny mpanjakan’ny Joda.
12
Nanao ny asa tamim-pahamarinana ny olona; ary ny voatendry hifehy azy dia i Jahata sy i Obadia levita, avy tamin’ny taranak’i Merary, i Zakaria sy i Mesolama, avy tamin’ny taranaky ny Kehatita ary ny levita rehetra izay nahay ny zavamaneno isan-karazany.
13
Ireo no tonian’ny mpitondra entana sady nifehy izay rehetra nanao raharaha tamin’ny taozavatra samihafa rehetra; ary avy tamin’ny levita koa dia nisy mpitantsoratra sy mpifehy ary mpiandry varavarana.
14
Rehefa navoaka ny vola izay nampidirina tao amin’ny tranon’NY TOMPO, i Hilkia mpisorona dia nahita ny bokin’ny lalànan’NY TOMPO, ilay nampilazaina an’i Mosesy.
15
Dia niteny tamin’i Safana mpitantsoratra i Hilkia hoe: Ny bokin’ny lalàna dia hitako tao amin’ny tranon’NY TOMPO. Dia natolotr’i Hilkia an’i Safana ny boky.
16
Ary nitondra ny boky ho any amin’ny mpanjaka i Safana sady nilaza taminy hoe: Izay rehetra nasaina nataon’ny mpanomponao dia nataony avokoa.
17
Ary narotsany ny vola izay azo tao amin’ny tranon’NY TOMPO ka natolony teo an-tanan’ny olona voatendry sy teo an-tanan’ny mpiasa.
18
Nilaza tamin’ny mpanjaka koa i Safana mpanoratra hoe: Misy boky nomen’i Hilkia mpisorona ahy. Dia novakin’i Safana teo anatrehan’ny mpanjaka ny boky.
19
Rehefa ren’ny mpanjaka ny tenin’ny lalàna dia nandriatra ny fitafiany izy
20
sady nandidy an’i Hilkia sy i Ahikama, zanak’i Safana, i Abdona, zanak’i Mika, i Safana mpitantsoratra ary i Asaia, mpanompon’ny mpanjaka, ka niteny hoe:
21
Andeha manontany amin’NY TOMPO ho ahy sy ho an’izay sisa amin’ny Israely sy ny Joda ny amin’izay lazain’ity boky vao hita ity; fa mafy ny hatezeran’NY TOMPO naidiny tamintsika noho ny tsy nitandreman’ny razantsika ny tenin’NY TOMPO, handeha araka izay rehetra voasoratra ao amin’ity boky ity.
22
Ary i Hilkia sy izay notendren’ny mpanjaka dia nankany amin’i Holda mpaminanivavy, vadin’i Saloma, zanak’i Tokehata, zanak’i Hasra, mpitahiry ny fitafiana, fa nitoetra tao amin’ny faritra vaovao tany Jerosalema Ravehivavy, ary niresaka izany taminy izy ireo.
23
Dia hoy Ravehivavy taminy: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Lazao amin’izay lehilahy naniraka anareo tatỳ amiko hoe:
24
Izao no lazain’NY TOMPO: Indro, Izaho hahatonga loza amin’ity tanàna ity sy amin’ny mponina eto, dia ny ozona rehetra izay voasoratra ao amin’ilay boky efa novakina teo anatrehan’ny mpanjakan’ny Joda.
25
Satria nahafoy Ahy izy ary nandoro ditin-kazo manitra ho an’ireo andriamanitra hafa sady nampahatezitra Ahy tamin’izay rehetra nataon’ny tanany, dia haidina amin’ity tanàna ity ny fahatezerako ka tsy ho maty vonoina.
26
Fa ny amin’ny mpanjakan’ny Joda kosa izay naniraka anareo hanontany amin’NY TOMPO, dia ambarao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Ny amin’ny teny izay efa novakinao,
27
satria nino anatra ianao ka nanetry tena teo anatrehan’Andriamanitra raha nandre ny teniny ny amin’ity tanàna ity sy ny mponina eto, eny, satria nanetry tena teo anatrehako ianao ka nandriatra ny fitafianao sady nitomany teo anatrehako, Izaho koa efa nihaino, hoy NY TOMPO.
28
Koa indro, hangoniko any amin’ny razanao ianao ary hangonina any amin’ny fasanao amin’ny fiadanana ka ny masonao dia tsy mba hahita izay loza rehetra hoentiko mamely ity tanàna ity sy ny mponina eto. Dia nitondra valiny ho any amin’ny mpanjaka izy ireo.
29
Ary nandefa iraka ny mpanjaka hamory ny loholon’ny Joda sy Jerosalema rehetra.
30
Dia niakatra ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO ny mpanjaka, ny lehilahy rehetra tamin’i Joda, ny mponina tany Jerosalema mbamin’ny mpisorona sy ny levita ary ny vahoaka rehetra, na lehibe na kely. Dia novakiny teo anatrehany ny teny rehetra tao amin’ny bokin’ny fanekena izay hita tao amin’ny tranon’NY TOMPO.
31
Ary ny mpanjaka dia nijoro teo amin’ny toerany, dia nanao fanekena teo anatrehan’NY TOMPO hanaraka Azy ka hitandrina ny lalànany sy ny teny vavolombelony ary ny didiny amin’ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo, hankatò ny tenin’ny fanekena izay voasoratra ao amin’izany boky izany izy,
32
nasainy hifikitra tsara koa ny olona rehetra tany Jerosalema sy ny Benjamina. Ary ny mponina tany Jerosalema dia nandeha araka ny faneken’Andriamanitra, dia Andriamanitry ny razany.
33
Nanaisotra ny fahavetavetana rehetra tamin’ny tany rehetra izay an’ny Zanak’Israely i Josia sady nanome didy izay rehetra teo amin’ny Israely hanompo NY TOMPO Andriamaniny. Tamin’ny andro rehetra niainan’i Josia dia tsy mba niala tamin’ny fanarahana NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, ny olona.
← Chapter 33
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 35 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36