bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Chronicles 14
2 Chronicles 14
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 15 →
1
Nanao izay tsara sy mahitsy teo imason’NY TOMPO Andriamanitra i Asa
2
fa nandrava ny alitaran’ny firenen-kafa sy ny toerana fanaovana sorona izy sady nanorotoro ny tsangambaton-tsampy ary nikapa ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha.
3
Ary niteny tamin’ny Joda izy hitady NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, ary hankatò ny lalàna sy ny didy.
4
Nandrava ny toerana fanaovana sorona sy ny toerana fandoroana ditin-kazo manitra teny amin’ny tanànan’ny Joda rehetra koa izy, dia nandry fehizay ny fanjakana teo anatrehany.
5
Nanorina tanàna mimanda tany Joda izy; dia nandry fehizay ny tany fa tsy nisy ady tamin’izany andro izany, satria NY TOMPO no nanome azy fiadanana.
6
Fa hoy izy tamin’i Joda: Andeha hamboarintsika ireto tanàna ireto ka hasiantsika manda manodidina sy tilikambo ary vavahady misy hidiny raha mbola azontsika zakaina ny tany; fa efa nitady NY TOMPO Andriamanitsika isika; eny, nitady Azy isika ka nanome antsika fiadanana amin’ny manodidina Izy. Dia namboariny avokoa izany ka tontosa tsara.
7
Nanana miaramila telo hetsy mpitana ampinga lehibe sy lefona avy tamin’i Joda i Asa, valo alina sy roa hetsy koa ny mpitana ampinga sy tsipìka avy amin’ny Benjamina; ireo rehetra ireo dia lehilahy mahery avokoa.
8
Niainga hiady tamin’ireo i Zera kosita dia nitondra miaramila iray tapitrisa sy kalesy fitondra miady telonjato ka tonga tao Maresa.
9
Nivoaka hiady taminy koa i Asa, dia samy nilahatra hiady teo an-dohasaha Zefata akaiky an’i Maresa izy.
10
Ary nitaraina tamin’NY TOMPO Andriamaniny i Asa hoe: TOMPO ô, tsy misy afa-tsy Ianao no mahavonjy ny tsy manan-kery eo anoloan’ny maro ka vonjeo izahay, RY TOMPO Andriamanitray ô, fa Ianao no iankinanay, ary ny anaranao no andehananay hiady amin’ireto olona ireto. TOMPO ô, Ianao no Andriamanitray; aza avela hisy olona haharesy Anao.
11
Ary NY TOMPO namely ny Kosita teo anoloan’i Asa sy i Joda ka nandositra ireny.
12
Nanenjika azy hatrany Gerara i Asa sy ny vahoaka niaraka taminy ka nahafatesana be ny Kosita ary tsy naharina intsony, fa voaringana teo anoloan’NY TOMPO sy ny miaramilany izy ka nahazoan’ny Joda babo betsaka.
13
Namely ny tanàna rehetra manodidina an’i Gerara izy; voan’ny fahatahorana NY TOMPO ireo ka nobaboin-dry Asa ny tanàna rehetra, fa be ny babo tao.
14
Ary namely ny vala izy ka nahazo babo betsaka, dia ondry aman’osy sy rameva, ary niverina ho any Jerosalema izy avy eo.
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 15 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36