bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Chronicles 5
2 Chronicles 5
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 6 →
1
Toy izany no nahavitana ny asa rehetra nataon’i Solomona ho amin’ny tranon’NY TOMPO; ary nampidirin’i Solomona tao amin’ny tempoly ny zavatra rehetra izay efa nohamasinin’i Davida rainy, dia ny volafotsy sy ny volamena; ary ny fanaka rehetra dia nataony ho ao amin’ny efitrano fitahirizana ao amin’ny tranon’Andriamanitra.
2
Tamin’izay dia novorin’i Solomona ny loholon’ny Israely sy ny lohan’ny foko rehetra, dia ny lohan’ny fianakavian’ny Zanak’Israely, ho any Jerosalema hampakatra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO avy any Ziona, Tanànan’i Davida.
3
Dia nivory ho any amin’ny mpanjaka ny lehilahy rehetra amin’ny Israely tamin’ny andro firavoravoana tamin’ny volana fahafito.
4
Tonga koa ny loholon’ny Israely rehetra ka ny levita no nitondra ny vata misy ny Fanekena,
5
dia nampiakariny ny vata misy ny Fanekena sy ny tranolay fihaonana ary ny fanaka masina rehetra izay tao amin’ny tranolay. Nampiakarin’ny levita mpisorona ireo zavatra ireo.
6
Ary i Solomona mpanjaka sy ny fiangonana, dia ny Israely rehetra, izay nivory teo aminy teo anoloan’ny vata misy ny Fanekena, dia samy namono zavatra hatao fanatitra, dia ondry aman’osy sy omby izay tsy tambo isaina sady tsy hita isa noho ny hamaroany.
7
Ary ny vata misy ny faneken’NY TOMPO dia nampidirin’ny mpisorona ho ao amin’ny fitoerany tao amin’ny efitra anatiny, dia ny fitoerana masina indrindra, teo ambanin’ny elatry ny kerobima;
8
fa nivelatra teo ambonin’ny toeran’ny vata misy ny Fanekena ny elatry ny kerobima ka nanaloka ny vata misy ny Fanekena sy ny baony.
9
Ary lava ny bao ka hita ny lohany, raha eo amin’ny vata misy ny Fanekena eo anoloan’ny efitra anatiny, nefa tsy hita avy eny ivelany; ary mbola ao mandraka androany ireo.
10
Tsy nisy na inona na inona tao anatin’ny vata misy ny Fanekena afa-tsy ny vato fisaka roa ihany izay nataon’i Mosesy tao anatiny fony tany Horeba, tamin’NY TOMPO nanao fanekena tamin’ny Zanak’Israely, tamin’ny nivoahany avy tany Ejipta.
11
Dia nivoaka avy tao amin’ny fitoerana masina ny mpisorona, satria ny mpisorona rehetra izay teo dia samy efa nanamasina ny tenany fa tsy mba nifandimby isan-toko tamin’izay.
12
Ary ny levita mpihira rehetra, dia i Asafa, i Hemana ary i Jedotona mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny, izay nitafy lamba rongony fotsy madinika sady nitondra kipantsona sy valiha ary lokanga, dia nitsangana teo atsinanan’ny alitara, ary teo aminy koa dia nisy mpisorona roapolo amby zato nitsoka trompetra;
13
ary toy ny feo iray no fandrenesana ny mpitsoka trompetra sy ny mpihira raha nidera sy nisaotra NY TOMPO izy ireo; nony nanandratra ny feony izy sady nampaneno ny trompetra sy ny kipantsona ary ny zavamaneno isan-karazany ka nidera NY TOMPO fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindrampony, dia feno rahona ny Trano, dia ny tranon’NY TOMPO;
14
koa tsy nahajanona hanao fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho ny rahona; fa feno ny voninahitry NY TOMPO ny tranon’Andriamanitra.
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36