bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Chronicles 36
2 Chronicles 36
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 35
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
1
Ary nalain’ny vahoaka i Joahaza, zanak’i Josia, ka nataony mpanjaka tany Jerosalema handimby ny rainy.
2
Telo amby roapolo taona i Joahaza raha nanomboka nanjaka ary telo volana no nanjakany tany Jerosalema.
3
Nesorin’ny mpanjakan’i Ejipta tany Jerosalema izy sady nampandoaviny sazy talenta volafotsy zato sy talenta volamena iray ny fanjakana.
4
Dia nampanjaka an’i Eliakima, rahalahin’i Joahaza, tamin’ny Joda sy Jerosalema ny mpanjakan’i Ejipta, ary ny anarany dia novany hoe Joiakima; ary i Joahaza rahalahiny kosa dia nalainy ka noentiny ho any Ejipta.
5
Dimy amby roapolo taona i Joiakima raha nanomboka nanjaka ary iraika amby folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO Andriamaniny izy.
6
Ary i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, dia niakatra namely azy ka namatotra azy tamin’ny gadra varahina mba hitondra azy ho any Babilona.
7
Ny fanaka sasany tao amin’ny tranon’NY TOMPO koa dia noentin’i Nebokadnezara ho any Babilona ka nataony tao amin’ny tempoliny tany Babilona.
8
Ny tantaran’i Joiakima sisa sy ny fahavetavetana nataony mbamin’izay momba azy rehetra, indro, efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny mpanjakan’Israely sy i Joda; ary i Joiakina zanany no nanjaka nandimby azy.
9
Valo amby folo taona i Joiakina raha nanomboka nanjaka ary telo volana sy hafoloana no nanjakany tany Jerosalema; ary nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO izy.
10
Nony niherina ny taona dia nandefa iraka haka azy mbamin’ny fanaka tsara tao amin’ny tranon’NY TOMPO ho any Babilona i Nebokadnezara mpanjaka ka nampanjaka an’i Zedekia rahalahin-drainy tamin’ny Joda sy Jerosalema.
11
Iraika amby roapolo taona i Zedekia raha nanomboka nanjaka ary iraika amby folo taona no nanjakany tany Jerosalema.
12
Ary nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO Andriamaniny izy, fa tsy nanetry tena teo anatrehan’i Jeremia mpaminany izay nilaza ny tenin’Andriamanitra.
13
Nikomy tamin’i Nebokadnezara mpanjaka izay efa nampianiana azy tamin’Andriamanitra koa izy; ary nanamafy ny hatony sy nanamafy ny fony fa tsy niverina ho amin’Andriamanitry ny Israely.
14
Ary ny lehibe rehetra tamin’ny mpisorona sy ny vahoaka koa dia nanao izay mahadiso indrindra araka ny fahavetavetana rehetra fanaon’ny Jentilisa ka nandoto ny tranon’NY TOMPO tany Jerosalema izay nohamasininy.
15
Kanefa NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, nampitondra teny ny iraka izay nirahiny ho any aminy; eny, nifoha vao maraina Izy ka naniraka, fa namindra fo tamin’ny olony sy ny fonenany.
16
Kanjo nihomehy ireny irak’Andriamanitra ireny ny olona sady nanazimba ny teniny sy namazivazy ny mpaminaniny mandra-pihatra ny fahatezeran’NY TOMPO taminy ka tsy nisy fanafany intsony.
17
Koa noentiny namely azy ny mpanjakan’ny Kaldeana, izay namono ny zatovony tamin’ny sabatra tao amin’ny trano fitoerana masina, ary tsy nisy namindrany fo, na zatovo na virijiny, na ny antitra sy ny fotsy volo; fa izy rehetra dia natolony ho eo an-tanany avokoa.
18
Ary ny fanaka rehetra tao amin’ny tranon’Andriamanitra, na ny vaventy na ny madinika, mbamin’ny harena tao amin’ny tranon’NY TOMPO ary ny harena tao amin’ny mpanjaka sy ny mpanapaka; ireny rehetra ireny dia noentiny ho any Babilona avokoa.
19
Nodorany koa ny tranon’Andriamanitra, ary noravany ny mandan’i Jerosalema; nodorany tamin’ny afo koa ny lapan’andriana rehetra tao, ary nosimbany ny fanaka tsara rehetra tao.
20
Ary ny olona sisa tsy matin-tsabatra dia noentiny ho babo tany Babilona ka tonga mpanompo azy sy ny zanany ireny mandra-panjakan’ny mpanjakan’i Persia,
21
hahatanterahana ny tenin’NY TOMPO nampilazaina an’i Jeremia, mandra-panonitry ny tany ny Sabatany; fa tamin’ny andro rehetra izay nahafoanany dia natsahatra ny tany mba hanonitra ny Sabatany mandra-pahatapitra ny fitopolo taona.
22
Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Kirosy, mpanjakan’i Persia, dia notairin’NY TOMPO ny fanahin’i Kirosy, mpanjakan’i Persia, mba hanatanteraka ny tenin’NY TOMPO izay nampilazainy an’i Jeremia ka nandefa teny manerana ny fanjakany rehetra izy, sady nataony an-tsoratra koa izany hoe:
23
Izao no lazain’i Kirosy, mpanjakan’i Persia: Ny fanjakana rehetra eto ambonin’ny tany dia efa nomen’NY TOMPO, Andriamanitry ny lanitra, ahy; ary Izy efa nandidy ahy hanorina trano ho Azy any Jerosalema, izay any Joda. Koa iza avy aminareo rehetra moa no olony? NY TOMPO Andriamaniny anie homba azy, koa aoka hiakatra izy.
← Chapter 35
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36