bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Chronicles 17
2 Chronicles 17
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 18 →
1
I Josafata, zanak’i Asa, no nanjaka nandimby azy, ary nitombo hery hifanandrina tamin’ny Israely izy.
2
Namponina miaramila tamin’ny tanàna mimanda rehetra manerana ny tanin’i Joda izy sady nametraka miaramila tany amin’ny tanin’i Joda sy tany amin’izay tanànan’i Efraima efa azon’i Asa rainy.
3
Ary NY TOMPO nomba an’i Josafata satria nandeha tamin’ny lalan’i Davida rainy tamin’ny voalohany izy fa tsy mba nitady ireo Baala;
4
fa NY TOMPO, Andriamanitry ny rainy, kosa no notadiaviny, ary araka ny didiny no nandehanany, fa tsy mba araka ny fanaon’ny Israely.
5
Koa nampitoerin’NY TOMPO teo an-tanany ny fanjakana; ary nitondra fanomezana ho an’i Josafata ny Joda rehetra ka nanana harena sy voninahitra be izy.
6
Ary nihanatoky tamin’ny lalan’NY TOMPO ny fony dia noravany tsy ho eo amin’ny Joda ny toerana fanaovana sorona sy ny tsangakazon-tsampy ho an’ny Aseraha.
7
Ary tamin’ny taona fahatelo nanjakany dia naniraka ny mpanapaka teo aminy izy, dia i Benaila, i Obadia, i Zakaria, i Netanela ary i Mikaia, hampianatra any amin’ny tanànan’i Joda.
8
Ary nisy levita koa niaraka tamin’ireo, dia i Semaia, i Netania, i Zebadia, i Asahela, i Semiramota, i Jonatana, i Adonia, i Tobia ary i Toba-Adonia, mbamin’i Elisama sy i Jorama, mpisorona.
9
Ary nampianatra tany Joda izy ireo ka noentiny ny bokin’ny lalànan’NY TOMPO, dia nitety ny tanànan’ny Joda rehetra izy ka nampianatra teny amin’ny olona.
10
Ary nahazo ny fanjakana rehetra tamin’ny tany manodidina an’i Joda ny tahotra NY TOMPO ka tsy nisy niady tamin’i Josafata ireo.
11
Ary ny Filistina sasany dia nitondra fanomezana sy vola hetra ho an’i Josafata; ny Arabo koa dia nitondra ondry aman’osy, dia ondrilahy fitonjato sy fito arivo sy osilahy fitonjato sy fito arivo.
12
Ary nihanahery indrindra i Josafata ka nanao trano fiarovana sy tanàna fitahirizana tany Joda.
13
Nanana fananana betsaka tao amin’ny tanànan’i Joda izy ary koa miaramila sy lehilahy mahery tany Jerosalema.
14
Toy izao no nandaminana azy araka ny fianakaviany avy: Ny mpifehy arivo tamin’ny Joda dia i Adna mpitarika ary lehilahy mahery telo hetsy no niaraka taminy;
15
teo anilany i Johanana mpitarika ary valo alina sy roa hetsy no niaraka taminy;
16
teo anilany indray dia i Amasia, zanak’i Zikry, ilay nanolo-tena ho an’NY TOMPO ary lehilahy mahery roa hetsy no niaraka taminy.
17
Tamin’ny Benjamina dia i Eliada, lehilahy mahery, ary lehilahy roa hetsy mitondra tsipìka sy ampinga no niaraka taminy;
18
teo anilany dia i Jozabada ary valo alina sy iray hetsy efa voaomana hiady no niaraka taminy.
19
Ireo no nanompo teo amin’ny mpanjaka, afa-tsy izay nampitoerin’ny mpanjaka tany amin’ny tanàna mimanda manerana ny tanin’i Joda rehetra.
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 18 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36