bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Chronicles 18
2 Chronicles 18
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 19 →
1
Nanana harena sy voninahitra be i Josafata; ary ny zanany lahy dia nampanambadiny ny zanakavavin’i Ahaba.
2
Koa nony ela dia nidina nankany amin’i Ahaba tany Samaria izy. Namono ondry aman’osy sy omby betsaka ho azy sy ho an’ny olona nanaraka azy i Ahaba dia nitaona azy hiakatra ho any Ramota-Gileada.
3
Ary hoy i Ahaba, mpanjakan’ny Israely, tamin’i Josafata, mpanjakan’ny Joda: Mba hiaraka amiko ho any Ramota-Gileada va ianao? Dia hoy izy taminy: Eny, fa tahaka ny tenanao ihany aho ka ny oloko dia olonao; koa hiaraka aminao ho any an-tafika izahay.
4
Hoy anefa i Josafata tamin’ny mpanjakan’ny Israely: Miangavy anao aho, anontanio aloha ny tenin’NY TOMPO.
5
Ary ny mpanjakan’ny Israely dia nanangona ny mpaminany efajato lahy ka niteny taminy hoe: Handeha hanafika an’i Ramota-Gileada va isika, sa hijanona ihany aho? Dia hoy ireo: Mandehana fa hatolotr’Andriamanitra eo an-tananao izy, ry mpanjaka.
6
Ary hoy kosa anefa i Josafata: Moa tsy misy mpaminanin’NY TOMPO koa va eto mba hanontaniantsika?
7
Dia hoy ny mpanjakan’ny Israely tamin’i Josafata: Mbola misy lehilahy iray ihany ahazoantsika manontany amin’NY TOMPO, saingy halako izy, satria tsy mbola naminany soa ho ahy, fa loza ihany mandrakariva; I Mikaia, zanak’i Jimla, no anarany. Dia hoy i Josafata: Aza manao izany, ry mpanjaka.
8
Ary niantso tandapa iray ny mpanjakan’ny Israely ka niteny taminy hoe: Antsoy haingana i Mikaia, zanak’i Jimla.
9
Ary ny mpanjakan’ny Israely sy i Josafata, mpanjakan’ny Joda, dia samy nipetraka teo amin’ny sezafiandrianany avy teo amin’ny famoloana eo anoloan’ny vavahadin’i Samaria sady samy efa niakanjo ny fanamiany avy; ary ny mpaminany rehetra dia naminany teo anatrehany.
10
Ary i Zedekia, zanak’i Kenana, dia nanao tandroka vy ka niteny hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Ireto no hanotoanao ny Arameana mandra-paharingany.
11
Ary ny mpaminany rehetra koa dia naminany hoe: Mandehana ho any Ramota-Gileada dia hambinina ianao; fa hatolotry NY TOMPO eo an-tananao izy, ry mpanjaka.
12
Ary ilay iraka izay nandeha naka an’i Mikaia dia niteny taminy hoe: Indro, iray teny avokoa izao ny mpaminany ka samy milaza soa ho an’ny mpanjaka; koa miangavy anao aho, aoka re ny teninao mba ho tahaka ny an’ny iray amin’ireo ka mba mitenena soa koa.
13
Dia hoy i Mikaia: Raha velona koa NY TOMPO dia izay lazain’Andriamanitro ihany no hambarako.
14
Dia nankany amin’ny mpanjaka izy. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ry Mikaia, handeha hanafika an’i Ramota-Gileada va isika, sa hijanona ihany aho? Ary hoy izy: Mandehana, dia hambinina ianareo, fa hatolotra eo an-tanànareo izy.
15
Hoy koa ny mpanjaka taminy: Impiry no hampianianako anao mba tsy hilaza na inona na inona amiko amin’ny anaran’NY TOMPO afa-tsy izay marina ihany?
16
Dia hoy i Mikaia: Hitako fa indreny, ny Israely rehetra niely teny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry, ary hoy NY TOMPO: Tsy manan-tompo ireto ka aoka izy samy hody soa amantsara any an-tranony avy.
17
Dia hoy ny mpanjakan’ny Israely tamin’i Josafata: Tsy efa voalazako taminao va fa tsy mba mety maminany soa ho ahy izy fa loza ihany?
18
Ary hoy i Mikaia: Henoy ary ny tenin’NY TOMPO: Nahita NY TOMPO nipetraka teo amin’ny sezafiandrianany aho, ary ny tafiky ny lanitra manontolo dia nijoro teo amin’ny ankavanany sy teo amin’ny ankaviany.
19
Ary hoy NY TOMPO: Iza no hamitaka an’i Ahaba, mpanjakan’ny Israely, handeha ho any Ramota-Gileada ka ho lavo any? Ary ny iray dia niteny toy izao ary ny iray hafa kosa dia niteny toy izao.
20
Dia nandroso ny fanahy iray ka nitsangana teo anatrehan’NY TOMPO sady niteny hoe: Izaho no hamitaka azy. Ary hoy NY TOMPO taminy: Amin’inona anefa?
21
Dia hoy izy: Handeha aho ka ho tonga fanahy mandainga ao am-bavan’ny mpaminaniny rehetra. Dia hoy indray NY TOMPO: Ho voafitakao izy ka hahomby ianao; mandehana ka ataovy araka izany.
22
Koa indro, ankehitriny NY TOMPO efa nanisy fanahy mandainga ao am-bavan’ireto mpaminaninao ireto ary Izy no efa nilaza ny loza hanjo anao.
23
Fa nanatona i Zedekia, zanak’i Kenana, dia namely ny takolak’i Mikaia sady niteny hoe: Taiza no lalana nialan’ny Fanahin’NY TOMPO tamiko mba hiteny aminao?
24
Dia hoy i Mikaia: Indro, ho hitanao izany amin’ny andro hitetezanao efitrano mba hierenao.
25
Dia hoy ny mpanjakan’ny Israely: Sambory i Mikaia ka ento miverina ho any amin’i Amona, mpifehy ny tanàna, sy ho any amin’i Joasy, zanaky ny mpanjaka
26
ary lazao hoe: Izao no lazain’ny mpanjaka: Ataovy ao an-tranomaizina Ilehio ka fahano mofom-pijaliana sy ranom-pijaliana izy mandra-piveriko soa amantsara.
27
Fa hoy i Mikaia: Raha toa ka ho tafaverina soa amantsara ianao dia tsy nampitenenin’NY TOMPO aho. Ary hoy koa izy: Samia mihaino izany ianareo, ry firenena rehetra.
28
Dia niakatra nankany Ramota-Gileada ny mpanjakan’ny Israely sy i Josafata, mpanjakan’ny Joda.
29
Ary hoy ny mpanjakan’ny Israely tamin’i Josafata: Mody hanao olon-kafa aho ka hitsarapaka any anatin’ny ady, fa ianao kosa dia manaova ny fanamianao ihany. Dia nody olon-kafa ny mpanjakan’ny Israely ka nitsarapaka tany anatin’ny ady.
30
Fa ny mpanjakan’i Arama dia efa nandidy ireo lehiben’ny kalesy fitondrany miady hoe: Aza miady na amin’ny kely na amin’ny lehibe, afa-tsy amin’ny mpanjakan’ny Israely ihany.
31
Nony nahita an’i Josafata ireo lehiben’ny kalesy fitondra miady dia hoy izy: Iny mihitsy no mpanjakan’ny Israely. Dia nohodidininy izy mba hasiany, kanjo niantsoantso i Josafata ary namonjy azy NY TOMPO; eny, Andriamanitra nampiala ireo teo aminy.
32
Rehefa hitan’ireo lehiben’ny kalesy fitondra miady fa tsy izy no mpanjakan’ny Israely dia niverina niala taminy ireo.
33
Ary nisy lehilahy iray nandefa anjoanjo zana-tsipìka ka nahavoa ny mpanjakan’ny Israely teo amin’ny fitohizan’ny fiarovan-tratrany; ary hoy izy tamin’ny lehiben’ny kalesiny: Ahodino ny kalesy fitondra miady ka ento miala eto amin’ny mpiady aho fa voa.
34
Nihamafy ny ady tamin’izany andro izany; ary notohanana ny mpanjaka mba hijoro teo amin’ny kalesiny nanatrika ny Arameana mandra-paharivan’ny andro ny mpanjakan’ny Israely; nefa nony efa hilentika ny masoandro dia maty izy.
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 19 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36