bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Chronicles 4
2 Chronicles 4
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 5 →
1
Nanorina alitara varahina izy: Roapolo hakiho ny lavany, roapolo hakiho koa ny sakany, ary folo hakiho ny haavony.
2
Nanao ny koveta be boribory voarendrika izy: Folo hakiho no halehiben’ny vavany, dimy hakiho ny haavony, ary telopolo hakiho ny manodidina azy.
3
Nisy sarin’omby folo isaky ny hakiho iray manodidina, teo ambanin’ny koveta be. Roa andalana ny sarin’omby sady niara-voarendrika tamin’ilay koveta be.
4
Ary ny koveta be dia nipetraka teo ambonin’ny sarin’omby roa amby folo: Nanatrika ny avaratra ny telo, nanatrika ny andrefana ny telo, nanatrika ny atsinanana ny telo, ary nanatrika ny atsimo ny telo; ny koveta be dia teo amboniny, ary nifampiamboho izy rehetra.
5
Ny hateviny dia vodivoampelatanana iray, ary nataony tahaka ny molotry ny kapoaka ny molony, dia tahaka ny vonin’ny lisy; mahalany telo arivo bata izy io.
6
Nanao koveta varahina folo koa izy mba ho fidiovana, nataony teo amin’ny ankavanana ny dimy, ary teo amin’ny ankavia ny dimy; ary tao no nanasana ny zavatra hatao fanatitra dorana manontolo; fa ny koveta lehibe kosa dia ho fisasan’ny mpisorona.
7
Nanao ny fitoeran-jiro volamena folo araka ny marika izy dia napetrany tao amin’ny tempoly, teo amin’ny ankavanana ny dimy ary teo amin’ny ankavia ny dimy.
8
Nanao latabatra folo koa izy, dia napetrany tao amin’ny tempoly, teo amin’ny ankavanana ny dimy ary teo amin’ny ankavia ny dimy. Ary nanao lovia volamena famafazana miisa zato izy.
9
Nanamboatra ny kianjan’ny mpisorona sy ny kianja lehibe sy ny lelam-bavahadin’ny kianja izy ary nopetahany takelaka varahina ny lelam-bavahady.
10
Ary nataony tamin’ny ankavanana ny koveta, teo amin’ny zorony atsimo atsinanana.
11
Nanao ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron’afo ary ny lovia famafazana koa i Hirama. Dia vitan’i Hirama ny asa izay nataony ho an’i Solomona mpanjaka momba ny tranon’Andriamanitra:
12
Ny andry roa, ny bolany, ny tendrony izay teny ambonin’ny andry roa, ny harato roa hafono ny bolany roa amin’ny tendrony izay teo an-tampon’ny andry avy,
13
ary ny sarin’ampongabendanitra efajato ho amin’ny harato roa, sarin’ampongabendanitra roa andalana ho amin’ny harato iray hafono ny bolany roa momba ny tendrony izay teo an-tampon’ny andry avy;
14
ary nanao ireo fitoeran-koveta izy, dia napetrany teo ambonin’ny fitoerany ny koveta,
15
ary ny koveta lehibe iray sy ny sarin’omby roa amby folo, ambaniny.
16
Ny vilany, ny sotron’afo, ny fitrebika ary ny fanaka rehetra momba azy dia nataon’i Hirama-Aby tamin’ny varahina manganohano ho an’i Solomona mpanjaka ho amin’ny tranon’NY TOMPO.
17
Tany amin’ny tany amoron’i Jordana no nandrendrehan’ny mpanjaka azy tamin’ny tanimanga, teo anelanelan’i Sokota sy i Zaretana.
18
Toy izany no nanaovan’i Solomona ireo fanaka marobe ireo ary tsy nozahana izay lanjan’ny varahina.
19
Nanao ny fanaka rehetra izay tao amin’ny tranon’Andriamanitra i Solomona: Ny alitara volamena sy ny latabatra fitoeran’ny mofo atao fanatitra,
20
ary ny fitoeran-jiro sy ny jirony izay hampirehetina eo anoloan’ny efitra anatiny araka ny fanao dia samy volamena voafantina;
21
ny voniny sy ny lela fitoeran-jiro ary ny hetin-jiro dia samy volamena tsara indrindra avokoa;
22
ary ny antsy, ny lovia famafazana, ny lovia kely ary ny fitoeran-davenon-jiro koa dia samy volamena voafantina; samy volamena koa ny lelam-baravarana teo anatin’ny Trano, dia ny mankao amin’ny fitoerana masina indrindra, sy ny lelam-baravarana ho amin’ny efitrano lehibe.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36