bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Chronicles 2
2 Chronicles 2
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 3 →
1
Dia nanisa olona fito alina ho mpitondra entana i Solomona, valo alina ho mpikapa hazo any an-tendrombohitra ary eninjato sy telo arivo ho mpifehy azy.
2
Nandefa iraka hankany amin’i Hirama, mpanjakan’i Tiro, i Solomona, hilaza hoe: Tahaka ny nataonao tamin’i Davida raiko raha nampanatitra hazo sedera ho azy hanorenany trano hitoerany ianao,
3
indro, hanorina trano ho an’ny anaran’NY TOMPO Andriamanitro izay hohamasinina ho Azy aho, handoroana ditin-kazo manitra eo anatrehany sy hasiana ny mofo atao fanatitra ary handoroana ny fanatitra isa-maraina sy isan-kariva ary amin’ny Sabata sy ny voaloham-bolana ary amin’ny fotoam-pivavahana voatendrin’NY TOMPO Andriamanitray; ho adidy maharitra ho an’ny Israely izany.
4
Ary ny trano izay haoriko dia ho lehibe, satria lehibe noho ny andriamanitra rehetra ny Andriamanitray.
5
Nefa iza no mahay manorina trano ho Azy? Fa ny lanitra ary ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Azy. Iza moa aho no hanorina trano ho Azy, afa-tsy ny handoroana ditin-kazo manitra eo anatrehany ihany?
6
Koa aniraho olon-kendry aho hiasa volamena, volafotsy, varahina, vy, kofehy volomparasy sy jaky ary manga, mbamin’izay mahay misokitra sary, mba hiara-miasa amin’ny olona manam-pahaizana manokana izay atỳ amiko atỳ Joda sy Jerosalema, izay efa nomanin’i Davida raiko.
7
Anatero hazo sedera sy kipreso ary almoga avy any Libanona koa aho; fa fantatro fa mahay mikapa hazo any Libanona ny vahoakanao; ary indro, hiaraka amin’ny vahoakanao ny vahoakako
8
mba hanamboatra hazo betsaka ho ahy; fa ny trano izay haoriko dia ho lehibe higagana.
9
Ary indro, homeko varimbazaha voafotsy sy varimbazaha roa alina kora avy ary divay sy diloilo roa alina bata avy ny vahoakanao mpikapa hazo.
10
Ary hoy i Hirama, mpanjakan’i Tiro, tamin’ny taratasy izay nampanateriny ho any amin’i Solomona: Noho ny fitiavan’NY TOMPO ny olony no nanendreny anao ho mpanjakany.
11
Hoy koa i Hirama: Isaorana anie NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, izay nanao ny lanitra sy ny tany, noho ny nanomezany an’i Davida zanaka hendry, izay manana fahendrena sy fahalalana ka hanorina trano ho an’NY TOMPO sy lapa ho an’ny tenany izy.
12
Koa ankehitriny indro, maniraka olona mahay zavatra sady manana fahalalana aho, dia i Hirama-Aby,
13
zanaky ny vehivavy danita sy ny lehilahy tiriana. Izy dia mahay miasa volamena, volafotsy, varahina, vy, vato, hazo, kofehy volomparasy sy manga ary rongony fotsy madinika sy jaky; ary mahay misokitra sary samihafa sy mahay mamolavola asa kanto koa izy ka hiara-miasa amin’ny olon-kendrinao sy ny olon-kendrin’i Davida tompoko, rainao.
14
Ary ireo varimbazaha isan-karazany sy ny diloilo ary ny divay, izay nolazainao, tompokolahy, dia aoka hampanaterina ho atỳ aminay mpanomponao;
15
ary izahay dia hikapa hazo any Libanona araka izay rehetra tadiavinao; hofehezinay ka hampandehaninay mitsinkafona amin’ny ranomasina ho any Jopa ireny; fa ianao kosa no hampiakatra azy any Jerosalema.
16
Nanisa ny lehilahy hafa firenena rehetra izay nonina tamin’ny tanin’ny Israely araka ny nanisan’i Davida rainy azy i Solomona, ary ny isany dia eninjato sy telo arivo sy dimy alina sy iray hetsy.
17
Ny fito alina tamin’ireo dia nataony mpitondra entana, ny valo alina dia nataony mpikapa hazo any an-tendrombohitra, ary ny eninjato sy telo arivo dia nataony mpifehy hampiasa ny olona.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36