bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Chronicles 23
2 Chronicles 23
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 24 →
1
Tamin’ny taona fahafito dia nandray fanapahan-kevitra i Joiada ka nanao fanekena tamin’ny mpifehy zato, dia i Azaria, zanak’i Jerohama, Ismaela, zanak’i Johanana, i Azaria, zanak’i Obeda, i Mahaseia, zanak’i Adaia ary i Elisafata, zanak’i Zikry.
2
Nitety an’i Joda ireo ka namory ny levita avy tany amin’ny tanànan’ny Joda rehetra sy ny lohan’ny fianakaviana tamin’ny Israely dia tonga tany Jerosalema ireo.
3
Vory tao ny olona rehetra dia nanao fanekena tamin’ny mpanjaka tao amin’ny tranon’Andriamanitra. Ary hoy i Joiada taminy: Indro, ny zanaky ny mpanjaka no hanjaka araka ny efa nolazain’NY TOMPO ny amin’ny taranak’i Davida.
4
Izao no hataonareo: Ny ampahatelonareo izay milatsaka amin’ny Sabata, dia ny mpisorona sy ny levita, dia ho mpiandry varavarana;
5
ny ampahatelonareo dia ho ao an-tranon’ny mpanjaka; ary ny ampahatelonareo dia ho eo amin’ny vavahadin’ny Fanorenana. Ny vahoaka rehetra kosa dia ho eo amin’ny kianjan’ny tranon’NY TOMPO.
6
Fa aza avela hisy hiditra ao amin’ny tranon’NY TOMPO afa-tsy ny mpisorona sy ny levita izay manao fanompoam-pivavahana ihany; ireo ihany no hiditra, satria masina ireo; fa ny vahoaka rehetra kosa dia hitandrina izay nasain’NY TOMPO hotandremana.
7
Ary ny levita dia hanemitra manodidina ny mpanjaka, samy mitana ny fiadiany avy; koa na iza na iza miditra ao an-trano dia vonoy, ary araho ny mpanjaka, na aiza na aiza alehany.
8
Ny levita sy ny Joda rehetra dia nanatanteraka izay rehetra nandidian’i Joiada mpisorona ka samy nitondra ny olom-peheziny izay nilatsaka tamin’ny Sabata sy izay niala tamin’ny Sabata; fa tsy nandrava ny antokony i Joiada mpisorona.
9
Ary nomen’i Joiada mpisorona ho an’ny mpifehy zato ny lefona sy ny ampinga kely sy ny ampinga lehibe, izay an’i Davida mpanjaka, izay tao amin’ny tranon’Andriamanitra.
10
Nalahany ny vahoaka rehetra, samy nitana ny fiadiany avy mba hanodidina ny mpanjaka hatramin’ny lafiny ankavanan’ny trano ka hatramin’ny lafiny ankavia, hatramin’ny alitara ka hatramin’ny trano.
11
Dia noentiny nivoaka ny zanakalahin’ny mpanjaka ka nosatrohany ny satroboninahitra, sady notolorany ny Vavolombelona, dia nampanjakainy. Ary nanosotra azy i Joiada sy ny zanany ka niantso hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka!
12
Nony ren’i Atalia ny tabataban’ny vahoaka nifamoivoy sy niarahaba ny mpanjaka dia mba nankao amin’ny vahoaka tao amin’ny tranon’NY TOMPO izy.
13
Ary hitany fa indro, nitsangana teo amin’ny fitoeran’andriana teo amin’ny fidirana ny mpanjaka, ary ny andriandahy sy ny mpitsoka ny trompetra dia teo anilan’ny mpanjaka; ary ny vahoaka rehetra dia nifaly sady nitsoka ny trompetra, ary ny mpihira no nitarika ny hira fiderana amin’ny zavamaneno isan-karazany. Dia nandriatra ny fitafiany i Atalia ka niantso hoe: Fikomiana! Fikomiana!
14
Fa nasain’i Joiada navoakan’ny kapiteny, mpifehy ny miaramila, izy ka hoy izy tamin’ireo: Avoahy eny ivelan’ny filaharana izy, ary izay manaraka azy dia vonoy amin’ny sabatra. Fa ny mpisorona dia efa nandrara hoe: Aza vonoina eto amin’ny tranon’NY TOMPO izy.
15
Ary nisambotra azy ny olona, dia nankany amin’ny fidirana amin’ny vavahadin-tsoavaly Ravehivavy ka niditra tao an-tranon’ny mpanjaka; dia novonoiny tao izy.
16
Ary i Joiada dia nampanao fanekena ny vahoaka rehetra sy ny mpanjaka mbamin’ny tenany mba ho olon’NY TOMPO.
17
Ary ny vahoaka rehetra dia niditra tao an-tranon’ny Baala ka nandrava azy; ny alitara sy ny sarin-javatra dia notorotoroiny avokoa ary novonoiny teo anoloan’ny alitara i Matana, mpisoron’ny Baala.
18
Dia nanendry olona hitandrina ny tranon’NY TOMPO i Joiada mba hofehezin’ny levita mpisorona, izay nozarazarain’i Davida ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO, hanolotra ny fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO, araka ny voasoratra ao amin’ny lalànan’i Mosesy, amin’ny fifaliana sy ny fihirana, dia araka ny nasain’i Davida natao.
19
Ary nalatsany teo am-bavahadin’ny tranon’NY TOMPO ny mpiandry varavarana mba tsy hisy zavatra maloto na inona na inona ho tafiditra ao.
20
Dia nalainy ny mpifehy zato sy ny olona manankaja sy ny mpanapaka ny olona ary ny vahoaka rehetra; dia noentiny nidina avy tao amin’ny tranon’NY TOMPO ny mpanjaka, koa ny vavahady ambony no nalehany hankao an-tranon’ny mpanjaka; dia nametraka ny mpanjaka teo amin’ny sezafiandrianan’ny fanjakana izy.
21
Dia nifaly ny vahoaka rehetra; ary nandry fehizay ny tanàna, fa efa novonoiny tamin’ny sabatra i Atalia.
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 24 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36