bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Chronicles 11
2 Chronicles 11
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 12 →
1
Nony tonga tany Jerosalema i Rehoboama dia novoriny ny taranak’i Joda sy i Benjamina, dia miaramila valo alina sy iray hetsy voafantina, hiady amin’ny Israely mba hampody ny fanjakana ho an’i Rehoboama.
2
Kanjo tonga tamin’i Semaia, lehilahin’Andriamanitra, ny tenin’NY TOMPO hoe:
3
Mitenena amin’i Rehoboama, zanak’i Solomona, mpanjakan’ny Joda, sy amin’ny Israely rehetra any amin’i Joda sy i Benjamina hoe:
4
Izao no lazain’NY TOMPO: Aza mandeha hiady amin’ny rahalahinareo fa samia mody any an-tranony avy ianareo; satria avy Amiko izao zavatra izao. Ary nihaino ny tenin’NY TOMPO ny olona ka samy lasa nody fa tsy nandeha hamely an’i Jeroboama.
5
Nitoetra tany Jerosalema i Rehoboama ka nanamboatra tanàna mimanda tany Joda.
6
Ireto avy ireo namboariny: I Betlehema, i Etama, i Tekoa,
7
i Bety-Zora, i Soko, i Adolama,
8
i Gata, i Maresa, i Zifa,
9
i Adoraima, i Lakisy, i Azeka,
10
i Zora, i Aialona ary i Hebrona, izay tanàna mimanda ao amin’i Joda sy i Benjamina.
11
Nanamafy ny tanàna mimanda izy sady nametraka mpanapaka tao, nasiany tahirin-kanina sy diloilo ary divay koa.
12
Ary tamin’ny isam-bohitra dia nasiany ampinga lehibe sy lefona avokoa, sady nohamafisiny tsara ny vohitra; ary i Joda sy i Benjamina no nomba azy.
13
Ary ny mpisorona sy ny levita izay tany amin’ny Israely rehetra dia nanatona an’i Rehoboama avy tany amin’ny faritaniny avy.
14
Nandao ny tanànany sy ny tany manodidina azy ny levita ka nankany Joda sy Jerosalema, fa efa nanaisotra azy tsy ho mpisorona ho an’NY TOMPO i Jeroboama sy ny zanany,
15
fa nanendry mpisorona ho amin’ny toerana fanaovana sorona sy ho an’ny Seìrima ary ho an’ny ombilahy kely izay nataony.
16
Ary na iza na iza tamin’ny fokon’Israely rehetra no nanolotra ny fony hitady NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, dia nanaraka ireo nankany Jerosalema mba hamono zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO, Andriamanitry ny razany.
17
Dia nampatanjaka ny fanjakan’ny Joda izy ireo sady nanome hery an’i Rehoboama, zanak’i Solomona, nandritra ny telo taona satria nandeha tamin’ny lalan’i Davida sy i Solomona telo taona izy.
18
Ary i Rehoboama dia naka an’i Mahalota, zanakavavin’i Jerimota, zanak’i Davida, sy i Abihaila, zanakavavin’i Eliaba, zanak’i Jese, ho vadiny;
19
niterahany an’i Jeosy sy i Semaria ary i Zahama izy io.
20
Nanarakaraka azy dia nalainy koa Imaka, zanakavavin’i Absaloma, izay niterahany an’i Abia, i Atahy, i Ziza ary i Selomita.
21
Ary tia an’Imaka, zanakavavin’i Absaloma, mihoatra noho ny vadiny sy ny vady tsindranony rehetra i Rehoboama, fa izy dia naka vady valo amby folo sy vady tsindrano enimpolo ka niteraka lahy valo amby roapolo sy vavy enimpolo.
22
Ary i Abia, zanakalahin’Imaka, no nataon’i Rehoboama lohany ho mpifehy ny rahalahiny; fa izy no efa nokasainy hampanjakaina.
23
Nahazo hevitra izy ka nampiely ny zanany manerana ny tanin’i Joda sy i Benjamina rehetra, dia tany amin’ny tanàna mimanda rehetra, ary nomeny hanina betsaka sady nitadiavany vady maro.
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 12 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36