bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Chronicles 28
2 Chronicles 28
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 27
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 29 →
1
Roapolo taona i Ahaza raha nanomboka nanjaka ary enina amby folo taona no nanjakany tany Jerosalema; tsy nanao izay mahitsy teo imason’NY TOMPO tahaka an’i Davida rainy izy
2
fa nandeha tamin’ny lalan’ireo mpanjakan’ny Israely sady nanao sarin-javatra voarendrika ho an’ireo Baala koa.
3
Nandoro ditin-kazo manitra tao amin’ny lohasahan’ny taranak’i Hinoma koa izy ary ny zanany dia nodorany tamin’ny afo, araka ny fahavetavetan’ny Jentilisa izay noroahin’NY TOMPO tsy ho eo anoloan’ny Zanak’Israely.
4
Ary namono zavatra hatao fanatitra izy sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ny toerana fanaovana sorona sy teny an-tampon’ny havoana ary teny ambanin’ny hazo maitso rehetra koa.
5
Natolotry NY TOMPO Andriamaniny ho eo an-tanan’ny mpanjakan’i Arama izy; koa nasian’io izy ka nahalasany babo betsaka noentiny tany Damaskosy. Ary natolony ho eo an-tanan’ny mpanjakan’ny Israely koa izy; nasian’io mafy izy ka resiny koa.
6
Fa i Peka, zanak’i Remalia, dia nahafaty olona roa alina sy iray hetsy tamin’ny Joda tao anatin’ny indray andro, izay lehilahy mahery avokoa, noho ny nahafoizan’ireny NY TOMPO, Andriamanitry ny razany.
7
Ary i Zikry, lehilahy mahery tamin’ny Efraima, dia namono an’i Mahaseia, zanaky ny mpanjaka, sy i Azrikama, mpanapaka ny tao an-dapa, ary i Elkana, izay lefitry ny mpanjaka.
8
Ary nahazo sambo-belona roa hetsy tamin’ireo havany ny Zanak’Israely, dia vehivavy sy zazalahy sy zazavavy, ary nahazo babo betsaka taminy koa, dia noentiny tany Samaria ireny.
9
Ary nisy mpaminanin’NY TOMPO tao, Odeda no anarany, ary izy io dia nandeha hitsena ny miaramila raha nankany Samaria ireo ka niteny tamin’ireo hoe: E! Ny fahatezeran’NY TOMPO, Andriamanitry ny razanareo, tamin’ny Joda no nanolorany azy ho eo an-tanànareo, dia novonoinareo ireny tamin’ny fahatezerana manakatra ny lanitra.
10
Ary ankehitriny, ny taranak’i Joda sy Jerosalema dia kasainareo handevozina ho andevolahinareo sy ho andevovavinareo; koa tsy mba manan-keloka amin’NY TOMPO Andriamanitrareo koa va ianareo?
11
Ankehitriny, mihainoa ahy ka avereno ny babo izay efa noentinareo avy tamin’ny rahalahinareo; fa mirehitra aminareo ny fahatezeran’NY TOMPO.
12
Dia nitsangana ny loholona sasany avy amin’ny taranak’i Efraima, dia i Azaria, zanak’i Johanana, i Berekia, zanak’i Mesilemota, i Jehizkia, zanak’i Saloma ary i Amasa, zanak’i Hadlay, ka niteny nanohitra azy ireo izay vao tany an-tafika hoe:
13
Tsy mahazo mampiditra ny babo eto ianareo; fa mikasa hanampy ny fahotantsika sy ny fahadisoantsika ianareo mba hahameloka antsika amin’NY TOMPO; efa be ny fahadisoantsika ka iharan’ny fahatezerana mirehitra ny Israely.
14
Dia navelan’ny miaramila ho eo anatrehan’ny mpanapaka sy ny fiangonana rehetra izay sambo-belona sy babo azony,
15
koa ireo olona voalaza anarana ireo dia nitsangana ka naka ny sambo-belona, ary izay rehetra tsy nitafy dia nampiakanjoiny tamin’ny zavatra azo babo; eny, nampiakanjoiny sy nokiraroiny izy ary nampihinaniny sy nampisotroiny ary nohosorany diloilo sady nampitaingeniny boriky izay rehetra osaosa ka noentiny tany Jeriko, tanàna be hazo palma, ho any amin’ny rahalahiny; dia niverina tany Samaria izy.
16
Tamin’izany andro izany i Ahaza mpanjaka dia nandefa iraka tany amin’ny mpanjakan’i Arama nangataka azy hanampy azy.
17
Fa ny Edomita dia tonga indray ka namely ny Joda ary namabo azy.
18
Ary ny Filistina koa dia nanafika ny tanàna tany Sefela sy tany Negeva izay momba an’i Joda, dia nahafaka an’i Bety-Semesy, i Aialona, i Gederota, i Soko sy ny vohitra miankina aminy, i Timna sy ny vohitra miankina aminy ary i Gimzo koa sy ny vohitra miankina aminy; ary nonina tao izy.
19
Fa NY TOMPO nampietry ny Joda noho i Ahaza, mpanjakan’ny Israely, satria efa nanaram-po nanao izay ratsy teo amin’i Joda i Ahaza ka nivadika tamin’NY TOMPO.
20
Ary tonga tao aminy i Tiglato-Pilesera, mpanjakan’i Arama, nefa nampahory azy fa tsy nampahery azy.
21
Fa efa nalain’i Ahaza ny zavatra tao amin’ny tranon’NY TOMPO sy ny tao an-tranon’ny mpanjaka sy ny an’ny mpanapaka, ary efa nomeny ny mpanjakan’i Arama, nefa tsy nahasoa azy akory izany.
22
Tamin’ny andro nampahoriana azy dia mbola nanao izay nahadiso tamin’NY TOMPO ihany io Ahaza mpanjaka io.
23
Ary namono zavatra hatao fanatitra ho an’ireo andriamanitr’i Damaskosy izay namely azy izy ka nilaza hoe: Ireo andriamanitry ny mpanjakan’i Arama, izay nanampy azy, no hamonoako zavatra hatao fanatitra mba hanampiany ahy. Kanjo tonga fandravana azy sy ny Israely rehetra ireo.
24
Ary nanangona ny fanaky ny tranon’Andriamanitra i Ahaza ka nanapotipotika azy ary nandrindrina ny varavaran’ny tranon’NY TOMPO sady nanorina alitara teny amin’ny zoron-dalana rehetra tany Jerosalema.
25
Ary teny amin’ny tanànan’i Joda rehetra dia nanaovany toerana fanaovana sorona handoroana ditin-kazo manitra ho an’ny andriamanitra hafa ka nahatezitra NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, izy.
26
Ary ny tantarany sisa sy izay nataony rehetra, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, indreo, voasoratra ao amin’ny bokin’ny mpanjakan’ny Joda sy ny Israely izany.
27
Ary nodimandry any amin’ny razany i Ahaza, dia nalevina tao an-tanànan’i Jerosalema izy, fa tsy mba natao tao amin’ny fasan’ny mpanjakan’ny Israely. Ary i Hezekia zanany no nanjaka nandimby azy.
← Chapter 27
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 29 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36