bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Chronicles 10
2 Chronicles 10
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 11 →
1
Nankany Sekema i Rehoboama, fa tonga tany ny Israely rehetra hampanjaka azy.
2
Koa raha nandre izany i Jeroboama, zanak’i Nebata, izay efa nandositra nankany Ejipta niala teo anatrehan’i Solomona mpanjaka, dia niverina avy tany Ejipta.
3
Ary nandefa iraka haka azy ny olona. Dia tonga i Jeroboama sy ny Israely rehetra ka niteny tamin’i Rehoboama hoe:
4
Rainao dia nampitondra zioga mavesatra anay; fa ankehitriny, mba hamaivano ny fanompoana mafy nampanaovin’ny rainao sy ny zioga mavesatra izay nampitondrainy anay, dia hanompo anao izahay.
5
Fa hoy kosa izy taminy: Rehefa afaka hateloana dia miverena atỳ amiko indray. Dia lasa ny olona.
6
Naka hevitra tamin’ny zokiolona izay nanompo an’i Solomona rainy fony fahavelony i Rehoboama mpanjaka ka hoy izy hoe: Ahoana no hevitra omenareo mba hamaliana ny vahoaka?
7
Dia hoy ireo taminy: Raha tsara amin’ny vahoaka ianao ka mankasitraka azy sy manao teny mora aminy dia ho mpanomponao mandrakizay izy.
8
Nefa nolavin’i Rehoboama ny torohevitra nomen’ireo zokiolona azy, dia naka hevitra tamin’ny tanora izay indray nihira taminy sady efa nitoetra teo anatrehany izy ka niteny taminy hoe:
9
Ahoana kosa no mba hevitra omenareo ka havalintsika ny vahoaka izay niteny tamiko hoe: Hamaivano ny zioga izay nampitondrain’ny rainao anay?
10
Ary ireo tanora indray nihira taminy dia niteny taminy hoe: Izao no lazao amin’ny vahoaka izay niteny taminao hoe: Rainao dia nampitondra zioga mavesatra anay; fa ianao kosa, mba hamaivano aminay izany! Koa izao no lazao aminy: Ny ankikeliko dia lehibe noho ny andilan’ny raiko;
11
koa raha nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, izaho kosa dia mainka hanampy ny zioga hoentinareo; kotopia no namaizan’ny raiko anareo, fa kotopia misy fantsika kosa no hamaizako anareo.
12
Ary i Jeroboama sy ny vahoaka rehetra dia nankany amin’i Rehoboama tamin’ny andro fahatelo, araka ilay nolazain’ny mpanjaka hoe: Miverena atỳ amiko indray amin’ny andro fahatelo.
13
Dia nanao teny mafy tamin’ny olona i Rehoboama mpanjaka fa tsy niraharaha ny hevitra nomen’ireo zokiolona azy izy
14
ka niteny taminy araka ny hevitra nomen’ireo tanora hoe: Nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, fa izaho kosa dia vao mainka hanampy izany; kotopia no namaizan’ny raiko anareo, fa kotopia misy fantsika kosa no hamaizako anareo.
15
Dia tsy nihaino ny olona ny mpanjaka, fa fitondrana avy tamin’Andriamanitra izany zavatra izany, mba hahatanteraka ny teniny izay nampilazainy an’i Ahia silonita tamin’i Jeroboama, zanak’i Nebata.
16
Nony hitan’ny Israely rehetra fa tsy nihaino azy ny mpanjaka dia hoy ny vahoaka tamin’ny mpanjaka: Inona moa no anjaranay amin’i Davida? Tsy manana lova amin’ny zanak’i Jese izahay. Samia mody any an-dainy avy, ry Israely e! Ankehitriny, tsinjovy ny taranakao, ry Davida ô. Dia samy nody ho any an-dainy avy ny Israely rehetra.
17
Fa ny Zanak’Israely izay nonina tany amin’ny tanànan’ny Joda ihany no nanjakan’i Rehoboama.
18
Dia naniraka an’i Adorama, mpifehy ny mpanao fanompoana, i Rehoboama mpanjaka, nefa nitora-bato azy ny Zanak’Israely ka maty izy. Dia niezaka niakatra haingana amin’ny kalesy fitondrany miady i Rehoboama mpanjaka handositra ho any Jerosalema.
19
Ary mandraka androany dia mikomy amin’ny taranak’i Davida ny Israely.
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36