bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Chronicles 25
2 Chronicles 25
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 24
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 26 →
1
Dimy amby roapolo taona i Amazia raha nanomboka nanjaka ary sivy amby roapolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran’ny reniny dia Joadana, avy any Jerosalema.
2
Nanao izay mahitsy teo imason’NY TOMPO izy, nefa tsy dia tamin’ny fony manontolo.
3
Nony tafapetraka tsara tamin’ny fanjakany izy dia novonoiny ireo mpanompony izay namono ny mpanjaka rainy.
4
Nefa ny zanak’ireo namono dia tsy mba novonoiny fa nataony araka izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny lalàna, ao amin’ny bokin’i Mosesy, izay nandidian’NY TOMPO hoe: Ny ray dia tsy hovonoina amin’ny ataon’ny zanany, ary ny zanaka dia tsy hovonoina amin’ny ataon’ny rainy, fa samy ho faty amin’ny fahotany avy ny olona.
5
Dia novorin’i Amazia ny Joda ka nalahany araka ny fianakaviany avy, dia araka ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato avy amin’i Joda sy i Benjamina rehetra: Dia nisainy ny hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra ka olona telo hetsy voafantina no hitany, izay azo nalefa hanafika sady nahatan-defona sy ampinga lehibe.
6
Ary nisy lehilahy mahery iray hetsy tamin’ny Israely nokaramainy talenta volafotsy zato.
7
Nefa nisy lehilahin’Andriamanitra tonga tao aminy ka nilaza hoe: Ry mpanjaka, aza avela hanaraka anao ny miaramilan’ny Israely; fa tsy omban’NY TOMPO ny Israely, dia ny taranak’i Efraima rehetra.
8
Fa mandehana ihany ianao ka miadia ary mahereza amin’ny ady; fa hataon’Andriamanitra lavo eo anoloan’ny fahavalo ianao; fa Andriamanitra no mahay mamonjy sy mampahalavo.
9
Fa hoy i Amazia tamin’ilay lehilahin’Andriamanitra: Koa hataontsika ahoana ny amin’ny talenta zato nomeko ny miaramilan’ny Israely? Ary hoy ilay lehilahin’Andriamanitra taminy: Mahay manome anao mihoatra lavitra noho izany NY TOMPO.
10
Dia navahan’i Amazia ireo miaramila tonga tao aminy avy tamin’ny Efraima mba hody indray any amin’ny taniny; ary nirehitra mafy ny fahatezeran’ireo tamin’ny Joda, dia lasa nody izy ireo sady tezitra mafy.
11
Ary nitombo hery i Amazia, dia nitarika ny vahoakany ka nankany amin’ny Lohasahantsira ary nahafaty iray alina tamin’ny taranak’i Seìra izy.
12
Nahazo sambo-belona iray alina koa ny taranak’i Joda, dia noentiny teo an-tampon’ny harambato ary navariny teo ka montsamontsana izy rehetra.
13
Fa ireo miaramila izay nampodìn’i Amazia tsy hiara-manafika aminy dia nihahakahaka teny an-tanànan’i Joda hatrany Samaria ka hatrany Bety-Horona ka nahafaty olona telo arivo tany sady nahazo babo betsaka.
14
Nony niverina avy nanafika ny Edomita i Amazia dia nitondra ny andriamanitry ny taranak’i Seìra ka nanangana azy ho andriamaniny; ary niankohoka teo anatrehany izy sady nandoro ditin-kazo manitra ho azy.
15
Dia nirehitra tamin’i Amazia ny fahatezeran’NY TOMPO ka naniraka mpaminany iray ho any aminy Izy hanontany azy hoe: Nahoana ianao no mitady ny andriamanitry ny Jentilisa, izay tsy naharo akory ny olony tamin’ny tananao aza?
16
Rehefa niteny taminy izy dia novalìny hoe: Moa voatendrinay ho mpanolotsaina ny mpanjaka va ianao? Aoka itsỳ ange, fandrao asian’ny olona ianao. Dia nitsahatra ilay mpaminany ka niteny hoe: Fantatro fa Andriamanitra mikasa hahafaty anao satria nanao izany ianao ka tsy nihaino ny anatro.
17
Naka hevitra i Amazia, mpanjakan’ny Joda, koa nandefa iraka tany amin’i Joasy, zanak’i Joahaza, zanak’i Jeho, mpanjakan’ny Israely, hilaza hoe: Avia, aoka isika hifanandrina.
18
Fa nandefa iraka tany amin’i Amazia, mpanjakan’ny Joda, i Joasy, mpanjakan’ny Israely, hilaza hoe: Ny tsilo izay tany Libanona dia nandefa iraka tamin’ny hazo sedera izay tany Libanona nilaza hoe: Omeo ny zanako lahy ny zanakao vavy ho vadiny. Nefa dia nisy bibidia tany Libanona nandalo teo ka nanosihosy ny tsilo.
19
Lazainao fa namely an’i Edoma ianao ka nirehareha ny fonao; mitoera ihany ao an-tranonao, fa nahoana no hihantsy ny loza hahalavo ny tenanao mbamin’i Joda koa ianao?
20
Tsy nanaiky anefa i Amazia, satria avy tamin’Andriamanitra izany, mba hanolorany azy ho eo an-tanan’ny fahavalony noho ny nitadiavany ny andriamanitry ny Edomita.
21
Dia niakatra i Joasy, mpanjakan’ny Israely; ary nihaona tao Bety-Semesy izay an’i Joda izy sy i Amazia, mpanjakan’ny Joda.
22
Dia resy teo anoloan’ny Israely ny Joda ka samy nandositra ho any amin’ny tranolainy avy izy ireo.
23
Ary i Amazia, mpanjakan’ny Joda, zanak’i Joasy, zanak’i Joahaza, dia nosamborin’i Joasy, mpanjakan’ny Israely, tany Bety-Semesy ka noentiny nankany Jerosalema; nandravan’i Joasy efajato hakiho ny mandan’i Jerosalema hatreo amin’ny vavahadin’i Efraima ka hatrany amin’ny vavahady eo an-jorony.
24
Ary nalainy avokoa ny volamena sy ny volafotsy rehetra ary ny fanaka rehetra izay hita tao amin’ny tranon’Andriamanitra tao amin’i Obeda-Edoma sy tao amin’ny efitrano fitahirizana ao amin’ny ny tranon’ny mpanjaka mbamin’ny olona natao antoka koa, izay izy vao niverina ho any Samaria.
25
Ny andro niainan’i Amazia zanak’i Joasy, mpanjakan’ny Joda, taorianan’ny nahafatesan’i Joasy, zanak’i Joahaza, mpanjakan’ny Israely, dia dimy amby folo taona.
26
Ary ny tantaran’i Amazia sisa, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, indro, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny mpanjakan’ny Joda sy ny Israely va izany?
27
Hatramin’ny andro nihemoran’i Amazia tsy nanaraka NY TOMPO dia nikomy taminy ny olona tany Jerosalema ka nandositra nankany Lakisy izy; nefa nandefa iraka hanaraka azy tany ny olona ka namono azy.
28
Ary nasampiny tamin’ny soavaly ny fatiny dia naleviny tao amin’ny razany tao an-tanànan’i Joda.
← Chapter 24
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 26 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36