bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Chronicles 15
2 Chronicles 15
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 16 →
1
Tonga tamin’i Azaria, zanak’i Odeda, ny Fanahin’Andriamanitra;
2
nandeha hitsena an’i Asa izy ka niteny taminy hoe: Mihainoa ahy, ry Asa mbamin’ny Joda sy ny Benjamina rehetra: Momba anareo NY TOMPO raha momba Azy ianareo; ary raha mitady Azy ianareo dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy kosa ianareo dia hahafoy anareo Izy.
3
Efa ela ny Israely no tsy nanana an’Andriamanitra marina, na mpisorona mba hampianatra, na lalàna.
4
Fa rehefa niverina tamin’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, nony azom-pahoriana izy ka nitady Azy, dia nahita Azy.
5
Tamin’izany fotoana izany dia tsy nisy fiadanana ho an’izay nivoaka ny tanàna na izay niditra tao; fa horohoro be no nahazo ny mponina rehetra tamin’ny tany;
6
ary nifandringana ny firenena sy ny tanàna, fa Andriamanitra nampangorohoro azy tamin’ny fahoriana rehetra.
7
Koa mahereza ianareo fa aza miraviravy tanana, fa hisy valim-pitia tokoa ny ataonareo.
8
Nony ren’i Asa izany teny izany sy ny faminanian’i Odeda mpaminany dia niezaka izy ka nanaisotra ny sampy fahavetavetana tamin’ny tanin’i Joda sy i Benjamina rehetra ary tamin’ny tanàna izay azony tany amin’ny tany be havoana any Efraima; nohavaoziny koa ny alitaran’NY TOMPO izay teo anoloan’ny lalantsara fidirana amin’ny tranon’NY TOMPO.
9
Novoriny i Joda, i Benjamina rehetra, ny vahiny teo aminy izay avy tany amin’i Efraima, i Manase ary i Simeona; fa betsaka tamin’ny Israely no nanatona azy rehefa hitany fa NY TOMPO Andriamaniny no teo aminy.
10
Ary nivory tany Jerosalema ireo tamin’ny volana fahatelo tamin’ny taona fahadimy amby folo nanjakan’i Asa.
11
Tamin’io andro io dia nanolotra fanatitra ho an’NY TOMPO tamin’ny babo izay noentiny izy, dia omby fitonjato sy ondry aman’osy fito arivo.
12
Ary nanao fanekena hitady NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, tamin’ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo izy;
13
koa na iza na iza tsy mety mitady NY TOMPO Andriamanitry ny Israely dia hovonoina ho faty, na kely na lehibe, na lahy na vavy.
14
Ary nianiana tamin’NY TOMPO tamin’ny feo mahery sy ny fihobiana ary tamin’ny trompetra sy ny anjomara izy.
15
Dia nifaly ny Joda rehetra noho ny fianianana, satria efa nianiana tamin’ny fony manontolo izy sady nazoto nitady NY TOMPO indrindra ka nahita Azy; ary NY TOMPO dia nanome azy fiadanana tamin’ny manodidina rehetra.
16
Ary na dia Imaka, renin’i Asa mpanjaka, aza dia naetriny tsy ho andriambavy satria nanangana sampy ho an’ny Aseraha izy; ary nikapa ny sampiny i Asa dia nanorotoro izany ka nandoro azy tao amin’ny lohasahan-driaka Kidrona.
17
Fa ny toerana fanaovana sorona tamin’ny Israely dia tsy mba noravana; nefa nahitsy ny fon’i Asa tamin’ny androny rehetra.
18
Ary nampidiriny ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO ny zavatra izay nohamasinin’ny rainy mbamin’izay nohamasinin’ny tenany, dia volafotsy sy volamena ary fanaka.
19
Dia tsy nisy ady intsony hatramin’ny taona fahadimy amby telopolo nanjakan’i Asa.
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 16 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36