bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Chronicles 12
2 Chronicles 12
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 13 →
1
Rehefa nampandry ny fanjakany sady efa nahery i Rehoboama dia nahafoy ny lalànan’NY TOMPO izy sy ny Israely rehetra.
2
Ary tamin’ny taona fahadimy nanjakan’i Rehoboama mpanjaka dia niakatra hamely an’i Jerosalema i Sisaka, mpanjakan’i Ejipta, fa nivadika tamin’NY TOMPO ny mponina tany.
3
Nitondra kalesy fitondra miady roanjato sy arivo sy mpitaingin-tsoavaly enina alina izy, ary tsy hita isa ny olona izay nanaraka azy avy tany Ejipta, dia ny Lobita sy ny Sokita ary ny Etiopiana.
4
Dia nahazo ny tanàna mimanda izay any Joda izy ka tonga tany Jerosalema.
5
Ary tonga tao amin’i Rehoboama sy ireo mpanapaka ny Joda, izay tafangona tany Jerosalema noho ny amin’i Sisaka, i Semaia mpaminany ka niteny taminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Efa nahafoy Ahy ianareo, koa Izaho kosa dia mba hahafoy anareo ho eo an-tanan’i Sisaka.
6
Dia nanetry tena ireo mpanapaka ny Israely sy ny mpanjaka ka niteny hoe: Marina NY TOMPO.
7
Nony hitan’NY TOMPO fa nanetry tena izy ireo dia tonga tao amin’i Semaia indray ny tenin’NY TOMPO hoe: Efa nanetry tena izy ka tsy handringana azy Aho fa hamonjy azy tsy ho ela; ary tsy haidiko amin’i Jerosalema avy amin’ny tanan’i Sisaka ny fahatezerako.
8
Kanefa ho mpanompony ihany izy, mba hahafantarany ny fanompoana Ahy sy ny fanompoana any amin’ny fanjakana hafa.
9
Dia niakatra hamely an’i Jerosalema i Sisaka, mpanjakan’i Ejipta, ka namabo ny harena tao amin’ny tranon’NY TOMPO sy ny harena tao amin’ny tranon’ny mpanjaka. Samy nobaboiny avokoa izy rehetra; nobaboiny koa ny ampinga volamena izay nataon’i Solomona.
10
Nanao ampinga varahina ho solon’ireny i Rehoboama mpanjaka ka nanolotra azy ho eo an-tanan’ny lehiben’ny mpiambina, izay niambina ny varavaran’ny tranon’ny mpanjaka.
11
Ary na oviana na oviana no nidiran’ny mpanjaka tao amin’ny tranon’NY TOMPO dia noentin’ny mpiambina ireny, ary naveriny tao amin’ny efitranon’ny mpiambina indray avy eo.
12
Rehefa nanetry tena izy dia niala taminy ny fahatezeran’NY TOMPO ka tsy nahalany ringana azy, sady nisy fahatsaram-panahy koa tao amin’ny Joda.
13
Ary i Rehoboama mpanjaka dia nitombo hery tany Jerosalema ka nitondra ny fanjakany; iraika amby efapolo taona izy raha tonga mpanjaka, ary fito amby folo taona no nanjakany tany Jerosalema, ilay tanàna nofidin’NY TOMPO tamin’ny fokon’ny Israely hampitoerany ny anarany. Ary ny anaran’ny reniny dia Nama amonita.
14
Ary nanao izay ratsy izy, satria tsy niezaka hitady NY TOMPO.
15
Ny tantaran’i Rehoboama, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’i Semaia mpaminany sy Ido mpahita ny amin’ny firazanana va izany? Niady mandrakariva i Rehoboama sy i Jeroboama.
16
Ary nodimandry any amin’ny razany i Rehoboama, dia nalevina tao an-Tanànan’i Davida izy; ary i Abia zanany no nanjaka nandimby azy.
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 13 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36