bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Proverbs 1
Proverbs 1
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 2 →
1
Ohabolan’i Solomona, zanak’i Davida, mpanjakan’ny Israely,
2
hahalalana fahendrena sy fananarana, hahatakarana izay lazain’ny fahalalana,
3
handraisana fananarana mampahahendry, dia fahamarinana sy rariny ary fahitsiana;
4
hanomezana hakingana ho an’ny tso-po, ary fahalalana sy fahaiza-mandinika ho an’ny zatovo.
5
Aoka hihaino ny hendry ka hitombo fahalalana; ary aoka ny mahira-tsaina hahazo fahaiza-mitondra,
6
hahazoany ny hevitry ny ohabolana sy ny teny saro-takarina mbamin’ny tenin’ny hendry sy ny teny saro-pantarina ataony.
7
Ny fahatahorana NY TOMPO no fiandohan’ny fahalalana; fa ny adala dia manamavo ny fahendrena sy ny anatra.
8
Anaka, mihainoa ny fananaran’ny rainao, ary aza mahafoy ny fampianaran’ny reninao;
9
fa fehiloha tsara tarehy amin’ny lohanao izany ary firavaka iambozonanao.
10
Anaka, raha taomin’ny mpanota ianao dia aza manaiky.
11
Raha hoy izy ireo hoe: Andeha hiaraka aminay, andeha isika hanao vela-pandrika handatsa-dra, andeha hofandrihantsika tsy amin’antony ny tsy manan-tsiny,
12
andeha isika hitelina azy velona tahaka ny fitelin’ny fitoeran’ny maty ary hanao azy teli-moka toy ny latsaka an-davaka,
13
dia ho antsika ny fananana sarobidy isan-karazany rehetra ka hofenointsika babo ny tranontsika.
14
Avia hiara-miloka aminay ianao ka ho iray ihany ny kitapom-bolantsika rehetra!
15
Anaka, aza miara-dalana aminy ianao, arovy tsy hankany amin’ny alehany ny tongotrao;
16
eny, ny tongony mihazakazaka ho amin’ny ratsy ary mailaka erỳ izy handatsa-dra.
17
Foana ny amelarana ny fandrika raha hitan’ny manana elatra rehetra.
18
Ireny mantsy dia manao vela-pandrika handatsa-dra ny tenany ihany, mamitsaka izy, nefa ny tenany ihany no ho faty.
19
Toy izany no hiafaran’izay rehetra fatra-pitady harena tsy marina; fa hipaoka ny ain’izay fatra-pitady azy izany.
20
Miantso mafy eny an-dalambe ny Fahendrena, manandratra ny feony eny amin’ny kianja malalaka izy;
21
miantsoantso eny an-tampon’ny toerana feno tabataba izy; eny am-bavahadin’ny tanàna no anambaràny ny teniny hoe:
22
Ry kely saina, mandra-pahoviana no hitiavanareo ny hadalana sy hifalian’ny mpaniratsira amin’ny faniratsirana ary hankahalan’ny adala ny fahalalana?
23
Miverena ianareo hihaino ny fananarako! Indro, haidiko aminareo ny fanahiko ary hampahafantariko anareo ny teniko.
24
Satria efa niantso aho, nefa nandà ianareo; efa nanatsotra ny tanako aho, nefa tsy nisy niraharaha.
25
Nohamavoinareo ny torohevitra rehetra natolotro sady tsy nety nanaiky ny anatro ianareo;
26
Izaho kosa dia hihomehy, rehefa manjo anareo ny loza; handatsa aho, rehefa tonga izay mahatahotra anareo,
27
rehefa tonga tahaka ny rivo-doza ny zava-mahatahotra anareo, ary ny loza ho avy toy ny tadio ka manjo anareo ny fahoriana sy ny tebiteby.
28
Amin’izay dia hiantso ahy izy, nefa tsy hamaly aho; hitady ahy fatratra izy, nefa tsy ho hitany aho.
29
Satria nankahala ny fahalalana izy ary tsy nifidy ny fahatahorana NY TOMPO;
30
satria tsy nila ny saina natolotro izy fa notsiratsirainy avokoa ny anatro rehetra,
31
dia hihinana ny vokatry ny alehany izy ka ho voky ny torohevitra avy amin’ny tenany.
32
Fa hahafaty ny kely saina ny fihemorany, ary ny tokitoky foanan’ny adala no handringana azy.
33
Fa izay mihaino ahy kosa dia hitoetra tsy manana ahiahy; eny, handry fehizay izy ka tsy hatahotra ny loza.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31