bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Proverbs 31
Proverbs 31
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 30
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
1
Ny tenin’i Lemoela mpanjaka. Teny mavesa-danja izay nampianarin’ny reniny azy.
2
Ahoana, anaka? Ary ahoana, ry zanako naterako? Ary ahoana, ry zanaky ny voadiko?
3
Aza omena ny vehivavy ny herinao, ary aza mandeha amin’ny lalana izay mahavery mpanjaka.
4
Tsy mety amin’ny mpanjaka, ry Lemoela, eny, tsy mety amin’ny mpanjaka ny misotro divay, na amin’ny mpanapaka ny ho fatra-paniry toaka,
5
fandrao raha misotro izy dia hanadino ny lalàna ka mamily ny fitsarana ny olona ory.
6
Omeo toaka izay efa ho faty, eny, divay ho an’izay azon’ny fangidiam-panahy;
7
aoka hisotro izy mba hanadinoany ny fahantrany ary tsy hahatsiarovany intsony ny fahasahiranany!
8
Sokafy ny vavanao hisolo ny moana mba hahazoan’izay rehetra resin’ny adim-piainana ny rariny.
9
Sokafy ny vavanao ka mitsarà amin’ny fahamarinana ary omeo rariny ny ory sy ny mahantra.
10
Iza no mahita vehivavy mahafatra-po? Fa ny tombany dia mihoatra lavitra noho ny voahangy.
11
Matoky azy ny fon’ny lahy ary tsy mitsahatra ny fanambinana azy.
12
Soa no ataon-dRavehivavy aminy fa tsy ratsy, amin’ny andro rehetra iainany.
13
Mizaha volon’ondry sy kofehy rongony izy ary mazoto miasa amin’ny tanany.
14
Toy ny sambon’ny mpivaro-mandeha izy ka avy lavitra no itondrany ny haniny.
15
Mifoha izy raha mbola alina ka manome hanina ho an’ny ankohonany ary manome anjara ho an’ny mpanompovaviny.
16
Mihevitra saha izy ka mahazo azy; ny vokatry ny tanany no anaovany tanim-boaloboka.
17
Misikina hery izy ary hatanjahiny ny sandriny.
18
Hitany fa tsara ny tombom-barony ary tsy maty jiro mandritra ny alina izy.
19
Mandray ny hazo fihazonam-bohavoha izy ary ny tanany dia mihazona ny ampela.
20
Manatsotra ny tanany amin’ny ory izy, eny, mamelatra ny tanany amin’ny mahantra.
21
Tsy manahy ny orampanala ho amin’ny ankohonany izy fa ny ankohonany rehetra dia samy voatafy volon’ondry jaky avokoa.
22
Manao firakotra ho azy izy; ny fitafiany dia vita amin’ny lamba rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy.
23
Ny lahy dia hajaina eo amin’ny vavahady rehefa miara-mipetraka amin’ny loholona.
24
Manamboatra akanjo hariry madinika Ravehivavy ka mivarotra izany ary fehikibo no amidiny amin’ny mpivaro-mandeha.
25
Hery sy voninahitra no fitafiny ary ny andro ho avy dia ihomehezany.
26
Miteny amin’ny fahendrena izy ary fampianarana feno hatsaram-panahy no eo am-bavany.
27
Mitandrina tsara ny ataon’ny ankohonany izy ary tsy homana ny mofon’ny fahalainana.
28
Ny zanany mitsangana ka midera azy ho sambatra; ny lahy koa mitsangana ka midera azy hoe:
29
Maro ny zazavavy nanao soa, fa manoatra noho izy rehetra ianao.
30
Fitaka ny hatsaram-bika ary zava-poana ny hatsaran-tarehy, fa ny vehivavy matahotra NY TOMPO ihany no hoderaina.
31
Omeo azy ny avy amin’ny vokatry ny tanany ary aoka ny asany hidera azy eo am-bavahady!
← Chapter 30
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31